SAMPATI/ 25 Taona

SAMPATI FOIBE FJKM
Any Mahajanga no hanokafana ny Jobily faha-25 taona

« Aoka hirehitra ny Jironareo » Lio.12, 35

« Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao » Mat.5, 14

Miarahaba ny Sampana MPANAZAVA sy TILY FJKM rehetra n’aiza n’aiza misy an’ise. Misaotra ny Tompo isika fa tanteraka soa aman-tsara ny hetsika ANTSANKIRAM-PIDERANA natao tao ANTSAHAMANITRA ny Sabotsy 16 Jona 2018 lasa teo. Tolorana fisaorana isika rehetra  tamin’ny fifanomezan-tanana sy ny fanohanana am-bavaka izany fotoana izany. Hetsika Voalohany amin’ny Fotoam-pankalazana an’Andriamanitra noho ny JOBILY faha-25 Taonantsika iny natao iny. Tolorana fisaorana koa ireo Mpanakanto maro nanafana ny fotoana : NY MENAFIFY – GMMC – Christophe Ratrema – Anjomara Anosivavaka – Taratry ny Mazava – BODO – Honorat Fohy hehy. Isaorana hatrany isika Komity amin’ny fikatsahana ny hevitra rehetra ho enti-manatanteraka ny hetsi-pankalazana.

FANENTANANA, FANOKAFANA JOBILY VOLAFOTSY SAMPATI :  MAHAJANGA

Ho tanterahana any MAHAJANGA ny fanokafana ny JOBILY faha-25 taona SAMPATI FJKM ny 14 -15 Jolay 2018 izao. Hitaomana antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra ho tonga hanotrona izany. Toy izao ny fandaharam-potoana :

Sabotsy 14 Jolay 2018 :

  • Amin’ny 8ora maraina : CARNAVAL SAMPATI
  • Amin’ny 2ora sy sasany hariva : FANOMPOAM-PIVAVAHANA FANOMBOHANA ao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga
  • Alina : Seho sehatra (isaky ny Synodam-paritany na tarika, hanasana ny manan-talenta rehetra

Alahady 15 Jolay 2018 :

Amin’ny 8ora sy sasany maraina : FANOMPOAM-PIVAVAHANA HO FANOKAFANA NY JOBILY izay tarihin’ny FOIBE FJKM ao amin’ny FJKM Betela Tsararano.

Fanamarihana : Entanina ho tonga maro any Mahajanga isika : Komitim-pivondronana sy Filoha Mpanazava sy Tily rehetra fa hisy dinika asa hiarahantsika manao amin’izany ho fampandrosoana ny SAMPATI FJKM.

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina

Tonia SAMPATI  Foibe

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV