FMBM/ Andron’ny Baiboly 2018.

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY

« Fa izahay dia mpiara-miasa amin’ Andriamanitra  ary ianareo no sahan’ Andriamanitra . Trano aorin’ Andriamanitra  koa ianareo » 1 Kor 3.9 DIEM

Hankalazaintsika  amin’ny Alakamisy 21 Jiona 2018  ho avy izao ny Andron’ny Baiboly . Vita printy  teto  Madagasikara  tamin’ny 21 Jiona 1835 ny Baiboly Malagasy  voalohany . Endrika maro samihafa no hanamarihana izany vanimpotoana izany manerana  an’i Madagasikara  sy any amin’ireo  firenena hafa izay ahitana komitim-paritra sy fiangonana Malagasy . Amin’ity  taona 2018 ity  dia hisy hetsika iraisana izay hanentanana sy hifanentanantsika  rehetra  mba ho fanamarihana  izany Andron’ny Baiboly izany : manokana 3 minitra  amin’io Alakamisy  21 Jiona 2018  io hamakiana ny SALAMO 139 ny tsirairay , ka atao amin’ny ora  sy ny toerana izay  mety aminy .

« ka mba iray feo ianareo hiara-manome voninahitra an’ Andriamanitra , Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika « Rom 15.6 (DIEM)

Ny FMBM

Rabenjarisolo Fabrice, Mpitandrina 

Tomponandraikitry ny Fandikanteny sy Famokarana 

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17