Alarobia 13 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Estera 4:1317

I Estera sy i Mordekay, tia ny fireneny.

Tsy izay rehetra mahay manao kabary tsara lahatra akory no tia ny fireneny. Ny tena fitiavana ny Firenena dia :

1 – Aseho amin’ny fandraisana andraikitra

Fantatr’i Mordekay fa misy loza mananontanona hanjo ny fireneny. Nanao izay azony natao izy mba hisakana izany. Nandefa hafatra ho an’i Estera izy, ho fampitandremana sao ho varimbariana na hihevi-tena ho efa miadana satria voahosotra ho mpanjakavavy. Na dia hizotra tsara aza mantsy ny fiainany, ka hiadam-pinaritra izy sy ny fianakaviany. dia tsy ho afa-miala amin’ny loza mitalao hanjo ny fireneny izy sy ny mpianakavin-drainy (and. 14). Maro ny olona izay diso fihevitra ka tsy mba mijery sy manaraka ny vaovao momba ny fiainam-pirenena. Manana adidy amin’ny fireneny ny tsirairay ka tokony handray izay andraikitra tandrify azy, ho fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo.

2 – Aseho amin’ny fanoloran-tena

Rehefa tafita tany amin’i Estera izany hafatra izany, dia nambarany ny fahavononany handray ny andraikitra. Vonona izy ny hanao sorona ny tenany ka hiditra ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza izany (and. 16). Manome fianarana ho antsika ny fiainan’i Estera izay mampiseho fahavononana hanao sorona ny ainy ho fanavotany ny mpiray firenena aminy. Fitiavana toy izany no nasehon’i Jesoa Kristy ho antsika, ka nanolorany ny tenany ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho fanafahana antsika amin’ny fanamelohana vokatry ny fahotana.

Fanontaniana :

Inona no andraikitry ny Fiangonana ho fanabeazana ny vahoaka mba ho tia ny fireneny ?

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV