Talata 12 Jiona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Jeremia 29:10‑15

Andriamanitra no Tompon’ny tantara

Nampitondra teny faminaniana ho an’ireo mponin’i Joda izay lasan-ko babo tany Babylona Jeremia mpaminany. Izany Tenin’Andriamanitra izany no milaza amintsika fa :

1- Mihevitra izay hahasoa ny olonv Izy.

Misy antony sy dikany avy amin’ny Tompo avokoa izay rehetra miseho amin’ny fiainan’ny vahoakany. Raha amin’ny fijery maha olona tsotra dia mety ho antony ara-politika, na ara-tafika, na ara-pitantanana, sns… no mahatonga ny fahababoana. Ambarany etoana fa Izy Tompo no nandefa ny vahoakany ho babo tany Babylona. Ary rehefa tapitra ny fitopolo taona vao hiova ny tantara (and. 10). Manana ny fotoanany ny Tompo. Ny fotoanan’ Andriamanitra dia sady tsy lasa aloha no tsy tratra aoriana. Eo am-pelatanany avokoa ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavintsika rehetra. Hoy ny Teniny « Fa Jzaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, dia hevitra nahatonga fiadanana fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany » (and. 11)

2-Izy no mpanafaka

Tsy ho aloha na aorian’io taona faha fitopolo io no hampodiana ny vahoaka avy amin’ny fahababoana ; Izy Tompo irery ihany no hahatanteraka izany, araka ny nambarany hoe : »…Ary hampodiko avy amin’ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra sy avy any amin’ny tany rehetra izay nandroahako anareo… » (and. 14). Toy izany ny fahasoavan’Andriamanitra izay namonjena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Efe. 2, 8).

Fanontaniana :

Inona no lesona azo tsoahina avy amin’ny fahantrana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV