Lohahevitra 2018/06
Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Genesisy 1.1-5
Mbola mpahary ve Andriamanitra ankehitriny sa efa vitany tany am-piandohana ny asa fahariana ka sanatria efa mipetra-potsiny Izy? Fanontaniana tsy tokony haroso izany nefa mampieritreritra ka hanairana ny saintsika sy ny finoantsika. Miharihary eto amin’ny Gen1. fa ny Fanahin’ Andriamanitra no lohalaharana amin’ny fahariana. Efa nanatrika tao anatin’ny aizina sy mialohan’ny nitenenan’ Andriamanitra Izy.
Miasa hitondra fahariana ny fanahy . Ny fahariana dia tsy fampanjariana ny tsy mbola nisy ho tonga misy ihany na famoronana zavatra vaovao, fa fahariana koa ny famonjena sy fanavaozana ary ny fanomezana aina. Ny olona voavonjy sy nandray famelankeloka tao amin’i Kristy sy tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy koa dia toy ny voahary vaovao ary izany no ilazana fa olombaovao izy (2 Kor. 5.17).
Anisan’ny asa fahariana koa ny fanaovana zavatra « tsara ». Izany no antony ahitantsika ny teny miverimberina hoe: »hitan’Andriamanitra favtsara… ». Ny « tsara » amin’ny fahariana dia tsy tarafina amin’ny endrika amam-bika ihany, fa tsaraina amin’ny fandavorariany ny asany, araka izay nikendren’ Andriamanitra azy koa. Isany no hevitra fototra tian’ny Soratra masina havoitra. Tsy ho lavorary ny asany raha tsy eo ny asan’ny Fanahy masina . Asan’ Andriamanitra koa isika , ary voahary vaovao sady olomboavonjy . Koa maneke hotarihan’ny Fanahy mba hanao asa tsara (Efe. 2.10). Tsy ny hankanton’ny asa ihany, fa ny fahalavorariany araka ny sitrapon’ Andriamanitra . Fadio ny kitoatoa, kendreo ny tanjona amin’ny asanao mba hitondra soa sy fitahiana ho an’ny mpiara-belona. Ny fitarihan’ny Fanahy no miantoka izany .
Fanontaniana:
Ahoana ny afndraisanao ny Efes. 2.10 araka izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Ohabolana 13, 1-6
1-Raisiny ho zanany isika
Eto amin’ny and.l no ahitantsika ny teny hoe : « zanaka » sy ny « ray », ary ny hoe : « mihaino » sy ny « tsy mihaino ». Ny hoe « mihaino » sy ny « tsy mihaino » dia fomba fitenin’ny boky Deoteronomia, ilazana ny fankatoavana ny teny omen’Andriamanitra ny vahoakany. Koa ny fitenin’ny raim-pianakaviana amin’ny zanany. ato amin’ny boky Ohabolana, dia sary milaza an’Andriamanitra eo anoloan’ny vahoakany. Koa zanak’Andriamanitra isika, ary Raintsika Izy. Zanaka natsangana isika, mba ho mpiara-mandova amin’i Jesoa Zanaka nateraka (Rom. 8, 15). Ny angatahiny amintsika dia ny hankatoavantsika Azy. amin’izay anatra sy torolalana omeny antsika. Aina ho an’ny mahazo azy ny Teniny ary mitondra fitahiana ny fankatoavana sy fihainoana izany.
2-Hahaizantsika miaina amin’ny teny sy fiteny
Azo fintinina amin’ny hoe : « mahaiza miaina » ireto andininy vitsivitsy ireto. Tandremo ny vava tsy ambina , ny mivadibadi-teny (and.2b), ny lainga, sns… Matetika no tsy mihevitra izay iafaran’ny ambarantsika isika. Tsy ny teny ihany no tokony hotandremana fa ny fomba fiteny hevitra anankiray koa. Na tsara aza ny hevitsika, diniho sao manafintohina ny hafa, na mitondra korontana ny fomba fitenintsika azy. Tsy môraly izany fa fitandremana sy fankatoavana ny sitrapon’Andriamanitra, mba hisorohana sao manafintohina ny hafa. Ny Fanahy dia mitaona ny mpino hiteny fahasoavana sy mamy sira (Kol. 4, 6), ary ny mpino dia mahafehy ny teniny sy ny vavany (Jak. 1, 26).
Fanontaniana:
Inona ny oha-pitenenana sy fahendrena malagasy mifameno amin’ny hevitra voalaza eto amin’ny Mofonaina?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Jaona 20, 21-23
Nirahina hitondra aina ny mpino
1- Satria nirahina tahaka an’i Jesoa iraky ny Ray
2- Satria nomena nv Fanahv mitondra aina mahavelona
Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Jaona 4:12-16
Fahaiza-mitantana
Mandroso tokoa ny teknika sy ny teknolojia ankehitriny. Ny teknika dia fomba hanaovana zavatra iray. Ohatra, teknika fandrahoan-kanina ny hatono, hendasina. Ny Teknolojia kosa dia fampiharana ireo fotokevitra ara-tsiansa ao amin’ny zavatra iray. Teknolojia momba ny haino aman-jery izao ny fahitalavitra “écran plat”, vokatry ny fikarohana hita hatreto.
FANONTANIANA
Ny Teknolojia dia iainana ankehitriny amin’ny sehatra rehetra, ary ny Fiangonana dia tafiditra tanteraka amin’izany. Fiangonana iray any Etazonia dia nahavatra nandrafitra andiam-panontaniana mihitsy, mba hijerena manokana ny Teknolojia.
Ireto ireo fanontaniana dimy (5) nataony. Voalohany, mitarika antsika handray sy hampiasa ny Teknolojia ve ny Fanahy Masina? Faharoa, inona ny tombontsoa na lesoka azon’ny Fiangonana raha mampiasa Teknolojia? Fahatelo, inona ny lazain’ny Baiboly amin’izany? Fahefatra, mitondra tombony ho an’ny asa andavanandro ve ny fampiasan’ny Kristiana ny Teknolojia? Ary fahadimy, afaka mitaiza sy mampianatra kokoa ve amin’ny Teknolojia?
TEKNOLOJIA MIVOATRA
Talohan’ny nahitan’i Johannes GUTENBERG ny Fanaovana printy (imprimerie) ny taona 1454, tany Mayence Alemaiña, dia natao sora-tanana ny fahazoana Baiboly. Mitaky 3-10 taona eo vao vita ny Baiboly iray. Hodi-biby no nanoratana azy tamin’izany. Efa Teknolojia nasolo ny Papyrus, izay karazana zozoro natao solona kahie io hodi-biby io.
Tamin’ny taonjato faha13 dia efa tongan’ny Arabo tany Eraopa ny taratasy, teknolojia vaovao hitan’ny Sinoa. Io taratasy io no nifanojo tamin’ny fahitana ny fanaovana printy tany. Efa maro koa ireo Kristiana no efa nandika ny Baiboly ho tamin’ny fiteny andavanandro. Pierre Valdo tany Italia dia efa nampanao izany ny taonjato faha 12. Nanohy izany ry Lotera sy ny Calvin ny taonjato faha 16. Teknolojia vaovao nenti-nanontana ny Baiboly izany no hita teo: taratasy, fanaovana printy. Haingana be ny fahazoan’ny olona ny Baiboly raha mitaha amin’ny dika tanana aman-taonany teo aloha.
Nampitombo ny hatsaran’ny kalitaon’ny fahalalana sy ny fiainam-panahin’ny mpino ny fananany Soratra Masina teny an-tanany. Niredareda ny faniriana ny Reforma teo amin’ny Fiangonana. Nifandray tsara tamin’ny teny filamatry ny Fiangonana Protestanta izany : Fiangonana reforme, mihavao hatrany. Ary tsaroana ny teny malaza nataon’i Karl Barth, Teolojiana miezinezina: “ny Tanana iray mitazona Baiboly, ny Tanana iray mitazona gazety”. Mpitoriteny mahara-baovao no sary tiany ampitaina teo.
TEKNOLOJIA ELEKTRONIKA
Mahomby tokoa ny Toritenin’ny Fiangonana, rehefa mahakasika ny fiainana andavanandro, sy ny zava-misy manodidina ny olona. Efa Teknolojia vaovao ankehitriny ny Baiboly amin’ny dika elektronika. Maro no maka feo ireny Toriteny sy Fampianarana ataon’ny Mpitandrina ireny, atao hoe MP3 izany. Misy ny mandrakitra izany mihitsy ho sary, ary atao hoe MP4 indray izany. Dia samy azo henoina sy jerena na aiza na aiza izany, ary azo ampitaina sy zaraina ho an’ny hafa ihany koa. Baiboly amin’ny dikanteny maro (frantsay, anglisy, hafa) dia samy azo ananana avokoa ao anaty telefaona na solosaina, izay efa karazana tranomboky mandehandeha.
Tokony ampitaina eto fa, na dia ireo fampianarana nataon’ireo olo-malazan’ny Fiangonana aza, dia efa raiketina amin’ny dika elektronika, mba hiparitahany eny an-tanan’ny mpikaroka sy mpino. Haingana sy mahomby kokoa ny fitoriana sy fitaizana ataon’ny Fiangonana, raha hainy ny manararaotra ny fisian’ireny Teknolojia ho fitaovana.
A.Zaka, Mpitandrina
MBOLA ILAINA VE NY HANANGANANA FIANGONANA FJKM VAOVAO
ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA?
Manana vina lehibe ankehitriny ny fiangonana FJKM, dia ny hoe: « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ». Tsy izany ihany anefa, fa tena tsy afaka an-tsaintsika mandrakariva ihany koa ny hoe: « Jesoa Kristy ho an’ny isam-batan’olona, ary Fiangonana ho an’ny isan-tanàna ».Mahafinaritra ny mahita sy ny mandre ny akon’ny fanatanterahan’ny Kristiana tsirairay sy ny fiangonana izany; ary na tany amin’ny faritra faran’izay lavitra sy saro-dàlana aza dia samy nisy izany ezaka izany avokoa.
Fa manao ahoana kosa ny eto an-drenivohitra? mbola ilaina ve ny hananganana fiangonana FJKM vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina?
Araka ny zava-misy iainantsika ankehitriny, dia hita fa tena mbola ilaina tokoa izany. Santionany amin’ny antony mbola maharesy lahatra ireto tanisaina manaraka ireto :
Ireo mety ho fanahiana sy tahotra samihafa amin’ny fanorenana trano Fiangonana vaovao eo amin’ny toerana na faritra iray eto Antananarivo Renivohitra:
Tsy voatery mifindra anefa ny olona, manaporofo izany ireo fiangonana FJKM maro tena mifanakaiky eto amin’ny faritra sasany eto an-drenivohitra (oh: ny eny Ambohimanarina, saika isam-pokontany aza, nefa samy matanjaka avokoa. Jereo Andravoahangy Fivavahana sy Ambondrona, Amparibe sy Ambatonakanga, sy ireo maro hafa…).
Mampieritreritra :
Manoratra tantara : Mba eritrereto anie hoe, misy asa lehibe ampanaovin’ny Tompo antsika. Efa ela izany no tokony ho natao, fa tsy vita mihitsy noho ny aminao. Rehefa tsy eo intsony anefa ianao, indray andro any, dia indro fa vitan’ny olona ny nanao izany asa masina izany. Araraotina ny fotoana mba tsy ho lasan’ny fiangonana hafa, na ny toerana na ny olona, satria isika mbola variana amin’ny ady hevitra sy matahotra. Tsarovy fa mandalo isika, fa ny fiangonana sy ny tantara kosa hitoetra.
Antso :
Ataovy izay azon’ny tananao atao hampandroso ny Fiangonan’Andriamanitra. Aza manaiky ho tonga vato misakana ny fampandrosoana noho ny tahotra sy fanahiana ary ny fijerena ny momba ny tena fotsiny. Andao hiara-hiasa. Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Omeo Voninahitra Ilay Tompon’ny Fahasoavana, sady Tompon’ny Fiangonana no Tompon’ny Fiantsoana, satria Azy irery ihany ny Voninahitra.
Fehiny
Ny fananganana fiangonana vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, dia tena fanamby atrehintsika fiangonana sy ny kristiana FJKM rehetra. Fanamby satria tsy maintsy mila faharesen-dahatra avy amin’ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Ary tena asan’ny fiangonana manontolo satria asa vadi-drano ka mila fiaraha-mientana. Ny Tompo hanome hery antsika hazoto amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny asa ho Voninahitry ny Tompo.
Soratana ho anareo ny fiadanana. Mamarana ny volana fahadimy isika, kanefa misantatra ny vanim-potoan’ny Fiangonana izay mankalaza an’Andriamanitra telo nefa iray.
Hidorehitra mena ny lamba eny amin’ny alitara. Loko litorjika izay manomboka aseho eo amin’ny Pentekosta sy ny Alahady miisa 25 manaraka azy. Ny loko mena dia maneho ny Fanahy Masina sy ny fitiavan’Andriamanitra mamelona, miasa, manome fahefana sy fahasahiana masina hahazoana mijoro ho vavolombelona mahatoky sy marina.
Izany foto-kevitry ny vanim-potoan’ny Trinite izany ankilany ary ny lohahevitry ny Perikopa volana Mey madiva hifarana andaniny no hiombona eo am-panehoana ny tari-dàlana ho amin’ny fanolorana ny perikopa amin’ny Alahady farany amin’ity volana ity.
Isaia 61, 1- 9. Andriamanitra be voninahitra izay mamerina ny voninahitry ny Zanaky i Israely no ambaran’ity toko faha 61 ity. Ny Fanahy Masina be voninahitra no hitsofoka sy hiara-mandeha amin’ny olona mba hampody indray ny voninahiny (and. 1). Koa ny fandraisana an’Andriamanitra Fanahy Masina no andraisan’ny olona indray ny voninahiny. Hiseho amin’ny asa ny fisandratan’izay mandray ny Fanahy Masina ka hohavaozina ny fiainany. Io asa io dia ilay asan’ny mpitondra ny Tenin’Andriamanitra. Asa maha- be voninahitra, satria Andriamanitra no mampitondra ny teniny ho an’izay manaiky hohavaoziny, satria nanaiky ny handray ny Fanahy Masina. Amin’izany, io teny ampitaina io dia miseho amin’ny endrika roa: andaniny ny teny soa mahafaly (and. 1: fandeferana, fanasitranana ratra-po, fanafahana) ary ankilany ny teny fankasitrahana izay miseho amin’ireto endrika fanomezana ireto: fanomezana fiononana (and. 2), fanolorana ireo fitaovam-panasitranana (and. 3), fanarenana (and. 4), fanomezana andraikitra (and. 6,), fanomezana fifaliana (and. 7), fanolorana karama na ny valim-pisasarana (and. 8), fanomezana taranaka handimby (and. 9)
Lioka 11, 9- 13. Nampianatra ny Mpianany nivavaka ny Tompo Jesoa. Amin’izany dia ireto no ho endriky ny dingana irosoana amin’ny vavaka: Mangataka- Mitady- Mandroso (and. 9), ka ny Fanahy Masina no ho ivony. Satria, raha mangataka ny Fiangonana dia hangataka izay zava-mahasoa, toy izay anomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina dia Ilay sarobidy indrindra, mihoatra noho ny mahavelona. Manaraka izany, ny vavaka dia tsy mampitomoe-poana ny Fiangonana fa mitaona azy hitady izay rehetra mahasoa ka izany no hitondra hetaheta ao aminy ny handroso handray ny Fanahy Masina hiara-monina aminy.
2 Korintiana 3, 12- 18. Ny vokatry ny fitoriana ny Filazantsara no mampiova ny fiainan’ny olona. Taratra eo amin’izay teneniny sy ataony fa manana ny Fanahy Masina izay mivelona sy manjaka ao anatiny izy (zahao and. 2- 3). Io Fanahy Masina miara-manjaka amin’ny olona io no tonga voninahitra mampijoro ny Fiangonana mandray azy. Koa ireto no porofon’ny fijoroany: ny fananana fanantenana (and. 12), ny fananana an’i Kristy Mpampahafantatra ny zavatra rehetra (and.13- 16, Mpanala ny fisalobonana), ny fananana fahafahana (and. 17), ny fananana Voninahitra izay nateraky ny Fanahy Masina ao aminy (and. 18).
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina
SYNODAMPARITANY MANANARA FIRAISANA ( Lah. 22 )
JOBILY FISOTRONDRONONO ny
PREZIDA SYNODALY ANDRIAMIZEHY RAMAHASOA Rodolphe Mpitandrina, mivady.
“ Fa efa nizaha toetra anay ianao, Andriamanitra ô; …Efa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao” Sal 66. 10- 12
Miatrika taon-JOBILY isika FJKM, amin’ny alalan’ny SP, noho ny mpiasa iombonana, Prezida Synodaly ANDRIAMIZEHY RAMAHASOA Rodolphe Mpitandrina mivady, amin’ity taona 2018 ity.
Isaorana indrindra Ilay Tompo Andriamanitra, fa efa avy niatrika ny JOBILY VOLAFOTSY ireo raiamandreny ireo, dia izao mandia ny TAON-JOBILY FISOTRONDRONONO izao.
Ny taona naharetany teo amin’ny sahan’ny Tompo ho amin’ny fanompoana dia 1992- 2018.
TOERANA NIASANY
1992- 1994: Nitondra ny FJKM AMBODINIFODY, ANOSIBE IFODY, ANKARAHARA, ANJOMAKELY, SP MANGORO MORAMANGA
1994-1996: FJKM AMBATOMANOINA FILADELFIA sady voafidy ho Filohan’ny SP Ambatomanoina
1996: Voafidy ho mpiandraikitra foibe tao amin’ ny Synoda Lehibe faha XIII ANTSIRANANA
1997: nantsoina ho Prezida Synodaly, niofana amin’ny teny Kolejy Teolojika Ivato (TPM); ary notendrena hitondra ny SP Mananara Firaisana. Ny Filohan’ny FJKM, Atoa RAZAFIMAHEFA Edmond Mpitandrina no nanolotra azy ny 21 Septambra 1997 ho Prezida Synodaly. Dia izao maharitra hatramin’izao fisotron-dronono izao, ka izy no anankiray amin’ireo Prezida Synodaly naharitra teo amin’ny fitantanana Synodamparitany.
DATY FITADIDY
FANOKAFANA: 25 Janoary 2018
IVONY: Sabotsy 26 May 2018 ary
FAMARANANA : 27 Septambra 2018.
Alakamisy 24 May 2018: Fifanitsanana lalao Baolina kitra
Zoma 25 May 2018:
Maraina: lalao famaranana baolina Kitra
Atoandro amin’ny 1ora: Hira gasy ara-pilazantsara
Hariva : ANTSAN’NY KARMELA FJKM AMBATOLAMPY
TSANTAN’NY MANDROSEZA METM
Sabotsy 26 may 2018 :FANOMPOAM-PIVAVAHANA tarihan’ny FOIBE FJKM manomboka amin’ny 9ora maraina, Station Missionnaire Mangarivotra Anjozorobe
Koa sitrakay ny manasa antsika rehetra hiara- hisaotra an’Andriamannitra sy hitrotro am-bavaka ny mpanompony amin’izao fotoam-pankalazana izao ary hanotrona azy ireo.
SOLI DEO GLORIA
Isa 61.1-9/Lio 11.9-13/2 Kor3.12-18
| |
29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10
| |
06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25
| |
13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25
| |
20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17