Alakamisy 31 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Lioka 11. 9-11

Ny fanomezana tsara indrindra 

1-Ilam-pitandremana sao tsy  ho voaraintsika 

Misy teny telo  andidian’ny Tompo  ataontsika eto : »mangataha , mitadiava, dodony« . Fihetsika asain’ny  Tompo ataontsika  ireo, ary somary  takona ao ambadika  ny hoe: mangataha amin’ny Tompo , mitadiava  ao Aminy , ary  dony varavarana Izy. Olana lehibe  ny fakampanahy  hiheverantsika fa isika efa ao an-tranon’ny Ray, tsy  any  ivelany  ka tsy ilaina  intsony ny mandondona  . Ray mahalala ny omena antsika zanany Izy ka tsy  ilaina akory ny mangataka Aminy. Efa eo  anatrehany  isika , atobany amintsika  ny zava-tsoa rehetra  ka tsy ilaina  intsony  ny  mitady  zavatra  ao Aminy . Fakampanahy  izany  ka tandremo . Mazava ny tenin’i Jesoa  natao  ho antsika  ary mandidy  antsika Izy : « mangataha,mitadiava,dodony … »

2-Fanahy masina izay angatahina amin’ny Ray 

Ny and 13 no mampiseho amintsika ny fahambonian’ Andriamanitra  mihoatra  lavitra  noho ny Ray niteraka. Manaporofo izany ny hoe: »tsy mainka va ny Ray  izay any an-danitra  no hanome  ny Fanahy masina« Raintsika Izy, ary ny fangatahantsika Aminy  no hahazoana antoka  hanomezany  antsika ny Fanahy masina . Na dia efa  nirahin’ny Ray  tamin’ny Anaran’i Jesoa aza ny  Fanahy  (Jao 14.26) dia ampirisihana  isika hangataka  izany. Io   no  fanomezana tsara  indrindra mba hitarika antsika mba hananantsika ny toetran’ny fahamasinana , hananantsika ny toetran’ny zanaka mba hananantsika fahasahiana miantso Azy ho Ray (Rom 8.16;Gal 4.6) . Angatahina ny Fanahy masina , satria  tena fakampanahy  koa  ny hoe: efa nomeny  ka tsy  ilaina angatahina intsony .

Fanontaniana:

Moa misy fanomezana tsara  sy sarobidy  hafa  nomen’ny Tompo  antsika koa ve ankoatra ny Fanahy Masina?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SAFIF / Fanandrata-tena ?

NATAO HANANDRA-TENA VE NY MPIANDRY ?

Tsorina fa fanontaniana hafahafa ihany izany, ary tena lohahevitra tsara fandinika sy ilaina valiny ihany koa. Ary iankinan-javatra maro amin’ny fiainan’ny Mpiandry, ny fiainan’ny Sampana Fifohazana ary indrindra ho amin’ny fiainan’ny Fiangonana ihany koa izay mety ho valin’izany.

Roa ihany no mety mahazo ny Mpiandry: samy manana ny akony amin’ny hoavy avy izy roa ireo , fa ny antony no samihafa: Na IZY MANANDRA-TENA, na IZY MANETRY TENA.

IREO ANTONY METY HAMPANANDRA-TENA NY MPIANDRY:

  1. Ny mahakasika ny hosotra izay noraisiny (ny fanokanana azy): Tena misy Mpiandry tsy mahatakatra ny maha-izy azy, ny amin’ny atao hoe:FANOKANANA, Izay sady fanamasinana, no fanomezam-pahefana ary fanolorana andraikitra ihany koa. Mibahana loatra ao an-dohany ny hosotra natao taminy ka hadinony ny andraikiny takiana aminy, mifanandrify amin’izany hosotra izany.
  2. Ny fidodododon’ny olona mankao aminy: Lasa hatonina sy tadiavin’ny olona mandrakariva amin’ny zavatra rehetra izy; na dia tokony ho mpanompon’Andriamanitra hafa aza no mila hatonin’ny olona amin’ny trangan-java-misy iray ka lasa manjary miteraka hevi-diso ao anatiny. (Oh: tokony ho diakona na mpitandrina no tena ilaina dia matetika Mpiandry foana no tadiavin’ny olona…).
  3. Ny fahombiazan’ny asa izay ampanaovin’ny Tompo azy: Misy vokatra azo tsapain-tànana sy hita maso eo amin’ny asa izay ataony; izay tsy noho izy na nohon’ny aminy no anton’izany. (Oh: fahasitranana rehefa avy niasana ilay marary…)
  4. Ny faharetan’ny fotoam-panompoany: Tsy ny maha-zoky amin’ny fanompoana azy fotsiny fa izay rehetra mety hoheveriny fa EXPERIENCE hananany; ny fahelany amin’ny fanompoana nefa tsy nahavitany ny asany akory (oh: efa 20 taona no nahavoatokana azy , nefa na ny Toby misy azy aza tsy vitany akory no mamonjy izany isam-bolana farafahakeliny…)
  5. Manamasina ny toerana nanokanana azy: Izay heverina ho fahamasinana sy maha-izy azy ilay toerana; lasa ho toy ny toeram-panompon-tsampy kely mihitsy aza.
  6. Manamasina ny olona izay nanokana azy ho Mpiandry: Na dia tsy io olona io irery aza no nanokana dia misy koa izay omen-danja na omen-kasina manokana ankoatra ny rehetra.
  7. Ny fiheveran-tenany ho tena zavatra: Ankoatra ny finiavana hiasa irery dia misy latsaka mihitsy ao anatin’ny fireharehana fa tsy vita io asa io raha tsy izy no manao azy.

IREO ANTONY TSY HAHAFAHAN’NY MPIANDRY MANADRA-TENA

  1. Izay manandra-tena no haetry Matio 23: 12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
  2. Mpanompo tsy mahasoa izy fa izay tokony hataony ihany no vita (DIEM) Lioka 17: 10 Dia tahaka izany koa hianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo tsy mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
  3. Ilay mpiandry tsara no manome lesona azy Filipiana 2:5-11 5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’ i Kristy Jesosy koa,6 Izay, na dia nanana ny endrik’ Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’ Andriamanitra,7 fa nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona;8 ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana.9 Koa izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,10 mba ho amin’ ny anaran’ i Jesosy no handohalehan’ ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ ny tany,11 sy haneken’ ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’ Andriamanitra Ray.
  4. Ny Tompo tsy maintsy mitombo fa izy tsy maintsy mihena: Jaona 3: 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
  5. Tsy izy no nifidy ny Tompo fa ny Tompo no nifidy azy sy nanome andraikitra azy: Jaona 15: 16 Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
  6. Hopotehin’ilay ratsy izy raha sanatria latsaka amin’izany toetra izany: Efesiana 6: 12 Fa isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-drà, fa amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny rivotra.

FEHINY

Hoy ilay mpanompon’Andriamanitra nahavita be teo amin’ny fanompoany:

17 Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany 18 Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ ny Tompo. 2 Korintiana 10:17-18

FILOHAN’NY SAMPANA FIFOHAZANA FJKM

RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina

Alarobia 30 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

Salamo 51.6-12

« Aza manary  ahy  hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko » (and. 11)

Ny asan’ny Fanahy  Masina 

Sarotra ka ilam-pitandremana ny  mamaritra  ny  asan’ny Fanahy. Ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina  irery  ihany  no hahazoana  mamantatra na asan’ny Fanahy  na tsia  ny tranga  iray sy ny toetra na  fihetsika na fanambarana  ataon’ny olona iray.

1-Mitaona ny mpino  hohavaozina ny Fanahy 

Aoka tsy hohadinoina fa vavaka fifonana sy fiaken-keloka ny Sal. 51, na isika Fiangonana ankehitriny aza dia mampiasa an’io Salamo  io  ho  toy izany koa. Amin’izany  fifonana izany no ilazana hoe : « Aza manaisotra  ny Fanahinao  Masina amiko », satria ny vokatry ny asan’ny Fanahy  no manavao ny  olona, mba  tsy  handehanany  araka ny  filan’ny  nofo intsony  (Gal. 6.16). Tsy  misy  fihavaozana marina raha tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy  isika. Zary fifonana imolotra ihany  ny  fiakenkeloka sy ny  fifonantsika  raha tsy ekentsika ny hotarihan’ny Fanahy.

2-Mitaona ny olona hibebaka ny Fanahy 

« Aza manary ahy hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko ». Raha adika tsotra io andalanteny io dia hoe: Tano mafy mba hitoetra eo anatrehanao mandrakariva aho; aoka tsy ho lavitra, na hanalavitra Anao aho. Ny mpino manaiky heloka ka te hanatona sy hanakaiky, ary maniry hitoetra eo anatrehan’ny Tompo no atao hoe:  mibebaka. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny asan’ny Fanahy. Koa izany no italahoany koa hoe: « Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko ». Mandresy lahatra ny olona hibebaka ny Fanahy.

Fanontaniana:
Nahoana no misy mpino mandray ny Fanahy fa tsy mihavao, na hita vokatra eo amin’ny fiainany ny fibebahany?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 29 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

2 Korintiana 3. 12-18

Mitondra  fiainana ho  antsika  ny Soratra Masina  

1-Rehefa  mitarika antsika ho amin’i Kristy 

Ny and. 14-16 no amerimberenana toy ny fanamafisana fa tsy hiala mihitsy  ilay  fisalobonana, na voaly  manarona ny tavan’ny olona mamaky sy  mihaino ny lalàna, izay  ny Testamenta Taloha, raha i Kristy no manala izany. Amin’ny finoana an’i Jesoa ho  Kristy   ihany  no hahazoana  manala io voaly  manarona io. Voasaron’io  voaly   io ny  tavan’izay  tsy  mino  Azy, ka tsy mahalala na inona na inona. Koa ivelan’i Kristy dia tsy misy heviny ny Testamenta Taloha, ary tsy hazava. Izany no ilazana mandrakariva fa ny Testamenta Taloha dia hazavain’ny Testamenta Vaovao, nefa  ny Vaovao  dia miafina  ao amin’ny Testamenta Taloha koa. Izy  roa miaraka na ny  Soratra  Masina manontolo  no mitondra fiainana ho antsika kristiana ankehitrtiny, fa ny iray  (Taloha) milaza an’i kristy  ary ny faharoa manondro  an’i Jesoa  ho Kristy.

2-Rehefa  manaiky  hotarihan’ny Fanahy  isika 

« Rehefa  miverina  ao  amin’ny Tompo izy  dia esorina ihany ny fisalobonana »(and. 16). Ny Fanahy Masina no ambara  koa hoe: Tompo, araka   ny and.  17, Ny  fitarihan’ny Fanahy  ihany  no  mampahazava ny  Soratra Masina, ary hery manala ny voaly manakona ny  masontsika tsy andraisantsika ny fiainana entin’ny Soratra Masina manontolo. Tsy  masom-panahy  araka ny  fitenintsika  mahazatra  izany, fa ny fisainana, ny  fihevitra, ny finoana sy ny maro hafa dia hibirioka  amin’ny tsy  izy, na dia mamaky  Soratra Masina aza isika, raha  tsy  eo  ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Koa angataho ny Fanahy Masina ary maneke hotarihany mandrakariva.

Fanontaniana:

Moa  azonao  tsara ve ny foto-kevitra  manao  hoe: ny Soratra Masina  irery ihany  ary ny Soratra  manontolo?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 28 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Galatiana 5.16-18

Miantoka  ny fandresentsika ny asan’ny Fanahy 

1-Mampandresy  antsika  amin’ny  filan’ny  nofo  izany  

Amin’ny  lafiny iray  ny hoe: »mandeha araka ny fanahy« (and. 16) dia mizotra manaraka ny  bitsiky ny  Fanahy . Ny  Fanahy  Masina  araka ny  nambaran’i Jesoa  dia tsy  hilaza  na hibitsika amintsika  zavatra  vaovao hafa   fa  hampahatsiaro ihany  izay efa  nambarany (Jao 14.26). Koa  ny  bitsiky  ny  Fanahy  dia fampahatsiarovan’ny Fanahy  masina   antsika  ny  Tenin’ Andriamanitra  efa rentsika , efa notoriana sy nampianarina antsika. Tsy  ho feo  hafa  voaraintsika tamin’ny nofy  na fahitana  samihafa izany, fa   araka ny  Tenin’Andriamanitra  efa notorina   tamimntsika ihany . Henoy  izany  ka ankatoavy, dia handresy  ny  fitarihan’ny sitrapontsika  adala isika, dia ilay  sitrapontsika  mandresy lahatra  hanatanteraka ny filan’ny nofo .

2-Manafaka antsika amin’ny finoana hafa izany  

Ny and  18 no milaza fa raha mandeha araka ny Fanahy ny mpino dia tsy ambanin’ny lalàna. Finoana sy fivavahana Josy izany.Miorina sy mifantoka amin’ny fanarahan-dalàna ny fivavahana Jiosy . Maro ny finoana sy fivavahana mitaona sy mandresy lahatra antsika, te- hanazioga  sy hangeja  ireny  na dia  finoana sy fivavahana aza. Koa henoy  ary araho ny feon’ny Fanahy  fa tsy hiteny  amintsika afa-tsy  ny Tenin’ Andriamanitra Izy ,   ary izany no hanafaka  antsika  amin’ny finoana  tsy  izy  samihafa , mba tsy  hitotoantsika any  amin’izay  milaza azy ho fiangonana nefa  tsy izy fa fikambanana . Mitandrema fandrao ho  voafitaka . Ny  asan’ny Fanahy  ihany  no hanome fahazavan-tsaina antsika hananantsika  ny fanahy manavaka.

Fanontaniana:

Nahoana isika no tsy afaka manao izay  tokony  hatao  eo  amin’ny fitondrantena kristiana , araka ny and 17?

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM

Alahady 27 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Isaia 61.1-9

Ny  andraikitr’izay nomena ny Fanahy 

1-Hampahery  sy hampitraka ny mila vonjy 

Ny  and1 dia mampitodika antsika  amin’ny teny  nilazan’i Jesoa  ny tenany  ao amin’ny Lio 4.14-21. Mpanompon’i Jehovah  no anarana  iantsoana  ity olona nomena  ny Fanahy  ao anatiny  ity , kanefa  mety  azo iantsoana  antsika koa izany , noho isika nomena ny Fanahy masina . Tsy  mahazo  mipetraka hianina amin’izay  mety  ho fahamasinany  fotsiny  ny olona  nomena ny Fanahy  , fa tsy maintsy  mandray andraikitra . Hery  manetsika antsika handray  andraikitra  hiantra  sy hampahery  ary hanampy  ny  mila vonjy ny Fanahy masina . Jereo  àry  ny manodidina antsika  handray andraikitra  hiantra  sy hampahery  ary   hanampy  ny mila vonjy  ny Fanahy masina . Jereo  àry   ny  manodidina antsika  , ka diniho  izay andraikitra  manandrify  anao. Aza manao fialana amin’ny hoe: Izaho koa mba tokony hovonjena , fa misy  andraikita  manandrify  antsika tsirairay  avy , izay  nomena  ny Fanahy   ao  amin’ny fiaraha-monina sy amin’ny manodidna .

2-Hanambara  sy hitory  ary hitondra fanafahana 

Zava-dehibe ny fahafahana  sy ny fanafahana . Sady  hitory  sy  hanambara  ny fanafahana  izay  ataon’ Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesoa  isika , no nasaina hiady  amin’ny fomba samihafa  , hamoahana izay  voagadra  sy voafatotra  ary voageja (and1b.2a) . Tsy  fanafahana  ara-panahy   ihany izany  , ka aza variana  fa ny tanintsika  voageja  sy  voafatotry  ny kolikoly  sy  ny tsy fahamarinana ary ny lainga , ny mpiara-belona  voafatotry  ny fahantrana sy voageja  toa  tsy mahita  izay hatao . Nirahin’ny Tompo  isika  tsy hiteny  fotsiny  fa tena handray andraikitra  amin’ny maha-  irak’i Kristy  antsika , hanaporofo  fa mpanafaka  i Jesoa  izay toriantsika . Ny hanao  izany  no antony   nanomezana antsika ny Fanahy masina . Koa  raiso ny andraikitrao.

Fanontaniana:

Inona àry ahoana tokoa  no hanafahantsika ireo voageja?

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

 

Sabotsy 26 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Salamo 104.24-30

« Maniraka  ny Fanahinao  ianao   dia àry  izy  ary manavao  ny tarehin’ny tany ianao »(and30)

Mamelona sy  miahy  antsika Izy 

« Maniraka  ny Fanahinao  ianao  dia àry  izy » . Tsy  velona  ary  tsy mahalavorary   ny asany  ny voahary  rehetra  raha tsy eo  ny asan’ny Fanahy . Ny asa faharian’ Andriamanitra  dia tsy  mitoetra  fotsiny  eo amin’ny fanamboarana  na fomoronana ny zavatra  mbola  tsy nisy  ho tonga  misy , fa miitatra mankany  amin’ny famelomana  sy fiahiana  mba hikendrena  ny fandavorarian’ny zava-boahary  rehetra  ny asany   , araka  izay nikendren’ Andriamanitra azy . Voariny sy asany  isika  ka miahy  sy mitsimbina ary mamelona  antsika Izy . Ny  fanomezany  ny Fanahiny  no miantoka izany , sady  ny Fanahiny  no Andriamanitra  miaraka  amintsika ankehitriny . Omeny  hitarika antsika ny Fanahy  mba ho lavorary koa ny asa sy ny andraikitra  ifidianan’ny  Tompo  sy hanirahany antsika .

2-Manavao  ny endriky  ny tany Izy

« Ary manavao  ny tarehin’ny tany ianao » . Hatrany   amin’ny Gen 1.2 dia niasa  tamin’ilay tany  tsy nisy endrika sady foana ny Fanahy . Tany foana  sy tsy  misy endrika ary  tsy  azo iainana , na tsy  mahavelona   no nisy   raha tsy  miasa ny Fanahin’ny Tompo . Potika ny tontolo iainana ankehitriny . Koa tsy  ny ezaka  ataon’ny olona  sy ny fikambanana mpanao  asa soa no  tokony hianteherana  fa angataho  indray  ny Fanahy  ary isika mpino  , maneke hotarihan’ny Fanahy  ho fiasana mpanavao  ny tarehin’ny tany , ho fiainana ho an’ny mpiara-belona amintsika .

Fanontaniana:

Azo  ampifandraisina amin’ny fanazavan-kevitra  eto ve ny voalaza ao amin’ny Efes 2.10?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Mifampizara sy mifankafantatra

HAFATRA MAHASOA !

Ho antsika fiangonana FJKM maniry ny handefasana ny vaovao sy sarin’ny Fiangonana misy anareo eto amin’ny Tranokalampifandraisana dia afaka mandefa izany aty amin’ny tomponandraikitra (Site web Foibe FJKM) varavarana 602 Bis , Rihana faha-6 ,Trano Ifanomezantsoa  Analakely.

 Jereo adiresy  ao amin’ny Diary FJKM .

Zoma 25 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina

1 Samoela 10.1-10

« Ary hilatsaka  aminao  ny Fanahin’i Jehovah  , ka  hiara-maminany  aminy ianao , dia ho voaova  ho olom-baovao »and 6

Ny  asan’ny  Fanahy  eo  amin’ny olona

1-Mampiombona

Ny nandraisan’i Saoly ny Fanahin’i Jehovah  niombonany  tamin’ireo vondrona mpaminany  na mpaminany  irai-dia, izay  nantsoina hoe: zanaky ny mpaminany . Mampiombona ny Fanahy , ary  mampiray  sy  mampikambana  an’ireo  izay  samy efa  nandray  ny Fanahy  . Tsy  asan’ny Fanahy  ny samy  maka ho azy ao  am-piangonana , ka lasa  mpifaninana miteraka  fialonana , na dia  mody amboarina amin’ny hoe: fifaninanana masina aza izany . Asehoy  fa iray  ny Fanahy  , ka mampiray antsika.

2-Mampiteny  ny sitrapon’ Andriamanitra

« Hiara-maminany aminy ianao » , hoy i Samoela tamin’i Saoly . Tsy  naminany  i Saoly  raha  tsy nandray  ny  Fanahin’i Jehovah . Ny  olona maminany  dia tsy ny  milaza zavatra  ho  avy  , fa  ny miteny  ny hafatra sy  milaza  ny  sitrapon’ Andriamanitra . Anisany  ireo  izay  mitoriteny sy mitory Filazantsara . Tsy handray  ireo andraikitra  ireo  isika raha tsy  manaiky  hotarihan’ny  Fanahy . Tsy  efan’ny  sain’ny  olona fotsiny  ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra .

3-Manova ny olona ho vaovao

« Ho  voaova  ho olom-baovao (ianao)« . Olona hafa  no heviny eto na hoe: tsy  ho toy ny teo aloha  intsony . Tsy  mitovy  ny toetra  sy fiainan’ny olona mbola tsy nandray  ny  Fanahy  sy  ny efa  nomena ka nandray  ny Fanahy  sy ny efa  nomena ka nandray  ny Fanahy . Matoa  tsy  mahatsiaro  fiovana isika , dia mety  ho  nandray  ny Fanahy   ihany isika , nefa  tsy  manaiky hotarihan’ny  Fanahy .

Fanontaniana:

Moa samihafa ny mandray  ny Fanahy  sy ny tarihan’ny Fanahy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SEFALA/ 10Taona maha-Tale Nasionaly

FANASANA 

Ho fankalazana an’ Andriamanitra noho faha- 10 taona naha-Talen’ny SEFALA Nasionaly ny

Mpitandrina RAKOTONIAINA mivady

(2008-2018)

dia fifaliana ho an’ny FOIBE SEFALA  ny manasa  ny Katekista sy ny Mpitoriteny , ny Mpiandry ary ny mpianakavin’ny finoana rehetra ho tonga amin’ny  Fanompoam-pivavahana , izay  hotanterahina ny Alahady 27 Mey 2018  amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely  .

Hery lehibe ho azy mianakavy ny fanotronanao izany fotoana lehibe izany .Ento amin’io fotoana io ny valopy efa nozaraina  ho fanohanantsika azy ireo .

“Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory” Hebreo 13.5b