SP 22/ Jobily Fisotrondronono PS

SYNODAMPARITANY MANANARA FIRAISANA  ( Lah. 22 )

JOBILY  FISOTRONDRONONO  ny 

PREZIDA SYNODALY ANDRIAMIZEHY RAMAHASOA Rodolphe Mpitandrina, mivady. 

Fa efa nizaha toetra anay ianao, Andriamanitra ô; …Efa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao” Sal 66. 10- 12

Miatrika taon-JOBILY isika FJKM, amin’ny  alalan’ny SP, noho ny mpiasa iombonana, Prezida Synodaly  ANDRIAMIZEHY RAMAHASOA Rodolphe Mpitandrina  mivady, amin’ity taona 2018 ity.

Isaorana indrindra Ilay Tompo Andriamanitra, fa efa avy niatrika ny JOBILY VOLAFOTSY ireo raiamandreny ireo, dia izao mandia ny TAON-JOBILY FISOTRONDRONONO izao.

Ny taona naharetany  teo amin’ny sahan’ny Tompo ho amin’ny fanompoana dia 1992- 2018.  

TOERANA NIASANY

1992- 1994:   Nitondra ny FJKM AMBODINIFODY, ANOSIBE IFODY, ANKARAHARA, ANJOMAKELY, SP MANGORO MORAMANGA

1994-1996: FJKM AMBATOMANOINA FILADELFIA sady voafidy ho Filohan’ny SP Ambatomanoina

1996: Voafidy ho mpiandraikitra foibe tao amin’ ny Synoda Lehibe faha XIII ANTSIRANANA

1997: nantsoina ho Prezida Synodaly, niofana amin’ny teny Kolejy Teolojika Ivato (TPM); ary  notendrena hitondra ny SP Mananara Firaisana. Ny Filohan’ny FJKM, Atoa RAZAFIMAHEFA Edmond Mpitandrina no nanolotra azy ny 21 Septambra 1997  ho Prezida Synodaly. Dia izao maharitra hatramin’izao  fisotron-dronono izao,  ka izy no anankiray amin’ireo Prezida Synodaly naharitra teo amin’ny fitantanana Synodamparitany.

DATY FITADIDY

                    FANOKAFANA: 25 Janoary 2018

                    IVONY: Sabotsy 26 May 2018 ary

                    FAMARANANA : 27 Septambra 2018.

                                                                                                                   Fandaharam-potoana volana May 2018.

Alakamisy 24 May 2018:  Fifanitsanana lalao Baolina kitra

    Zoma  25 May 2018:

Maraina: lalao famaranana  baolina Kitra

Atoandro amin’ny 1ora:  Hira gasy ara-pilazantsara

Hariva : ANTSAN’NY KARMELA FJKM AMBATOLAMPY

                  TSANTAN’NY MANDROSEZA METM

Sabotsy 26 may 2018  :FANOMPOAM-PIVAVAHANA tarihan’ny FOIBE FJKM manomboka amin’ny 9ora maraina,    Station Missionnaire Mangarivotra  Anjozorobe

Koa sitrakay ny manasa antsika rehetra hiara- hisaotra an’Andriamannitra sy  hitrotro am-bavaka ny mpanompony  amin’izao fotoam-pankalazana izao ary  hanotrona azy ireo.

                                              SOLI DEO GLORIA

 

 

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV