ARM/ Fananganana fiangonana an-tànan-dehibe ???

  MBOLA ILAINA VE NY HANANGANANA FIANGONANA FJKM VAOVAO

ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA SY NY MANODIDINA?

Manana vina lehibe ankehitriny ny fiangonana FJKM, dia ny hoe: « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara ». Tsy izany ihany anefa, fa tena tsy afaka an-tsaintsika mandrakariva ihany koa ny hoe: « Jesoa Kristy ho an’ny isam-batan’olona, ary Fiangonana ho an’ny isan-tanàna ».Mahafinaritra ny mahita sy ny mandre ny akon’ny fanatanterahan’ny Kristiana tsirairay sy ny fiangonana izany; ary na tany amin’ny faritra faran’izay lavitra sy saro-dàlana aza dia samy nisy izany ezaka izany avokoa.

Fa manao ahoana kosa ny eto an-drenivohitra? mbola ilaina ve ny hananganana fiangonana FJKM vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina?

Araka ny zava-misy iainantsika ankehitriny, dia hita fa tena mbola ilaina tokoa izany. Santionany amin’ny antony mbola maharesy lahatra ireto tanisaina manaraka ireto :

  1. Hita tokoa fa mivelatra ny tanàna, ary tokony hitombo miaraka amin’izay koa ny isan’ny Fiangonana FJKM.
  2. Miha-mitombo hatrany ny isan’ny mponina any amin’ny isam-pokontany amin’ny ankapobeny. Efa tsy antonona intsony koa aza ny Fiangonana sasany izay misy ankehitriny. Sady efa tsy azo hitarina intsony fa efa tery ny toerany.
  3. Raha ampitahaina ny isan’ny mponina eo amin’ny fokontany sy ny isan’ny olona efa tonga ao am-piangonana, dia hita fa tena mbola mifanalavitra be. Mbola maro ireo tavela any ivelan’ny vala araka izany. Mila fitoriana ny Filazantsara sy trano fiangonana vaovao.
  4. Mangetaheta an’Andriamanitra ny olona; ary manaporofo izany ny zava-misy, fa tiany ny mivavaka. Rehefa misy karazana fiangonana miorina eo an-tanànany (na toa hafahafa aza ny fombany sy ny ataony ary ny foto-pinoany), dia matetika mahazo olona maro hatrany izy ireny. Somary lavitra azy kosa anefa no misy ny fiangonantsika, mahalana sy mielanelana be amin’ny faritra sasany; hany ka izay fiangonana tonga sy miorina akaiky azy eo no idirany. Misy amin’ireny anefa dia mpamitaka sy mpisoloky mihitsy ka tena mampalahelo izay tratrany

Ireo mety ho fanahiana sy tahotra samihafa amin’ny fanorenana trano Fiangonana vaovao eo amin’ny toerana na faritra iray eto Antananarivo Renivohitra:

  1. Aiza intsony ny toerana fa toa efa tery ny tanàna? Misy fanontaniana fieritreritra ihany anefa amin’izany dia ny hoe : Nahoana no mahita toerana hatrany ireny fiangonana zandriny ireny rehefa hanorina fiangonana? Ary koa raha takatry ny saina daholo tokoa ny zavatra rehetra, dia amin’ny fotoana manao ahoana izany sisa no ampiasana ny finoana?
  2. Mety hihena indray ny olona efa ao amin’ny Fiangonana efa mijoro raha asiana Fiangonana vaovao hafa? Misy tokoa ny manana izany fanahiana izany. Rehefa tena mijery ny zava-misy iainan’ny mpino anefa isika, dia tsy marina mandrakariva izany. Ohatra: misy mipetraka any Itaosy, Ivato,… kanefa mivavaka aty Amparibe na Andravoahangy, …. Mandalo FJKM firy izy vao tonga any amin’ny Fiangonany? Efa miorina tsara anefa ny finoany, tao no nandraisany fahasoavana, ka efa ao ny fony; ary tsy foiny ny Fiangonana efa nahazatra azy. Raha tsy hoe angaha sanatria ratsy ny fitaizana na ny fiaraha-monina ao. Kanefa na izany aza, raha voatery hifindra izy; tsy aleo ve ho FJKM hatrany?

Tsy voatery mifindra anefa ny olona, manaporofo izany ireo fiangonana FJKM maro tena mifanakaiky eto amin’ny faritra sasany eto an-drenivohitra (oh: ny eny Ambohimanarina, saika isam-pokontany aza, nefa samy matanjaka avokoa. Jereo Andravoahangy Fivavahana sy Ambondrona, Amparibe sy Ambatonakanga, sy ireo maro hafa…).

  1. Mangalatra ondry. Tsy izany no marina. An’ny Tompo ny Fiangonana, ary iray ihany ny Kristiana FJKM rehetra na aiza na aiza, eny fa na dia samy manana ny Fiangonany avy aza ny tsirairay. Raha mijery ny tantara isika, dia saiky zanaky ny Fiangonana efa teo taloha avokoa ireo fiangonana FJKM vaovao manodidina. Mety ho ny mpino sasany tao tokoa aza no nisy nifindra tany, tamin’ny voalohany, kanefa izao itantsika izao ny vokatra, fa lasa fiangonana maromaro, samy matanjaka, mifanakaiky no misy ankehitriny. Ary diniho ihany koa ny tantara, fa raha nanana izany fisainana « mangalatr’ondry » izany ireo Raiamandreny sy ny Fiangonana niorina taloha ireo, na io Fiangonana misy anao io aza dia mety tsy nisy akory. Anjaranao indray izany izao no mahafoy Voa tsara, vitsy, mba hamoazana bebe kokoa. Raha SANATRIA aza ka mety hisy fihenàna kely ny isa ao amin’ny Fiangonana iray, ny vokatr’izany, dia ho azo antoka kosa fa hihamaro ny Kristiana FJKM ankapobeny, satria misy Fiangonana sy Kristiana vaovao hanampin’ny Tompo hatrany.

Mampieritreritra :

Manoratra tantara : Mba eritrereto anie hoe, misy asa lehibe ampanaovin’ny Tompo antsika. Efa ela izany no tokony ho natao, fa tsy vita mihitsy noho ny aminao. Rehefa tsy eo intsony anefa ianao, indray andro any, dia indro fa vitan’ny olona ny nanao izany asa masina izany. Araraotina ny fotoana mba tsy ho lasan’ny fiangonana hafa, na ny toerana na ny olona, satria isika mbola variana amin’ny ady hevitra sy matahotra. Tsarovy fa mandalo isika, fa ny fiangonana sy ny tantara kosa hitoetra.

Antso :

Ataovy izay azon’ny tananao atao hampandroso ny Fiangonan’Andriamanitra. Aza manaiky ho tonga vato misakana ny fampandrosoana noho ny tahotra sy fanahiana ary ny fijerena ny momba ny tena fotsiny. Andao hiara-hiasa. Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Omeo Voninahitra Ilay Tompon’ny Fahasoavana, sady Tompon’ny Fiangonana no Tompon’ny Fiantsoana, satria Azy irery ihany ny Voninahitra.

Fehiny

Ny fananganana fiangonana vaovao eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina, dia tena fanamby atrehintsika fiangonana sy ny kristiana FJKM rehetra. Fanamby satria tsy maintsy mila faharesen-dahatra avy amin’ny tsirairay ny fanatanterahana azy. Ary tena asan’ny fiangonana manontolo satria asa vadi-drano ka mila fiaraha-mientana. Ny Tompo hanome hery antsika hazoto amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fiombonana amin’ny asa ho Voninahitry ny Tompo.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV