Fanazavana Perikopa / Mey 2018.

Maneke ho havaozin’ny Fanahy Masina

Soratana ho anareo ny fiadanana. Mamarana ny volana fahadimy isika, kanefa misantatra ny vanim-potoan’ny Fiangonana izay mankalaza an’Andriamanitra telo nefa iray.

Hidorehitra mena ny lamba eny amin’ny alitara. Loko litorjika izay manomboka aseho eo amin’ny Pentekosta sy ny Alahady miisa 25 manaraka azy. Ny loko mena dia maneho ny Fanahy Masina sy ny fitiavan’Andriamanitra mamelona, miasa, manome fahefana sy fahasahiana masina hahazoana mijoro ho vavolombelona mahatoky sy marina.

Izany foto-kevitry ny vanim-potoan’ny Trinite izany ankilany ary ny lohahevitry ny Perikopa volana Mey madiva hifarana andaniny no hiombona eo am-panehoana ny tari-dàlana ho amin’ny fanolorana ny perikopa amin’ny Alahady farany amin’ity volana ity.

Isaia 61, 1- 9. Andriamanitra be voninahitra izay mamerina ny voninahitry ny Zanaky i Israely no ambaran’ity toko faha 61 ity. Ny Fanahy Masina be voninahitra no hitsofoka sy hiara-mandeha amin’ny olona mba hampody indray ny voninahiny (and. 1). Koa ny fandraisana an’Andriamanitra Fanahy Masina no andraisan’ny olona indray ny voninahiny. Hiseho amin’ny asa ny fisandratan’izay mandray ny Fanahy Masina ka hohavaozina ny fiainany. Io asa io dia ilay asan’ny mpitondra ny Tenin’Andriamanitra. Asa maha- be voninahitra, satria Andriamanitra no mampitondra ny teniny ho an’izay manaiky hohavaoziny, satria nanaiky ny handray ny Fanahy Masina. Amin’izany, io teny ampitaina io dia miseho amin’ny endrika roa: andaniny ny teny soa mahafaly (and. 1: fandeferana, fanasitranana ratra-po, fanafahana) ary ankilany ny teny fankasitrahana izay miseho amin’ireto endrika fanomezana ireto: fanomezana fiononana (and. 2), fanolorana ireo fitaovam-panasitranana (and. 3), fanarenana (and. 4), fanomezana andraikitra (and. 6,), fanomezana fifaliana (and. 7), fanolorana karama na ny valim-pisasarana (and. 8), fanomezana taranaka handimby (and. 9)

Lioka 11, 9- 13. Nampianatra ny Mpianany nivavaka ny Tompo Jesoa. Amin’izany dia ireto no ho endriky ny dingana irosoana amin’ny vavaka: Mangataka- Mitady- Mandroso (and. 9), ka ny Fanahy Masina no ho ivony. Satria, raha mangataka ny Fiangonana dia hangataka izay zava-mahasoa, toy izay anomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina dia Ilay sarobidy indrindra, mihoatra noho ny mahavelona. Manaraka izany, ny vavaka dia tsy mampitomoe-poana ny Fiangonana fa mitaona azy hitady izay rehetra mahasoa ka izany no hitondra hetaheta ao aminy ny handroso handray ny Fanahy Masina hiara-monina aminy.

2 Korintiana 3, 12- 18. Ny vokatry ny fitoriana ny Filazantsara no mampiova ny fiainan’ny olona. Taratra eo amin’izay teneniny sy ataony fa manana ny Fanahy Masina izay mivelona sy manjaka ao anatiny izy (zahao and. 2- 3). Io Fanahy Masina miara-manjaka amin’ny olona io no tonga voninahitra mampijoro ny Fiangonana mandray azy. Koa ireto no porofon’ny fijoroany: ny fananana fanantenana (and. 12), ny fananana an’i Kristy Mpampahafantatra ny zavatra rehetra (and.13- 16, Mpanala ny fisalobonana), ny fananana fahafahana (and. 17), ny fananana Voninahitra izay nateraky ny Fanahy Masina ao aminy (and. 18).

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV