Sabotsy 21 Aprily 2018.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Jaona 15.9-16

Ambetintenin’i Jaona hatrany ny fitiavana  ao amin’ny asa sorany , amin’ny maha- Apostolin’ny fitiavana azy. Fototra lehibe ho an’ny mpino ny :

Mitoetra amin’ny fitiavana

1-Ao  amin’i Jesoa 

Efa tia antsika Andriamanitra , ka nanolotra  ny  zavatra rehetra . Fitiavana voalohany sy faratampony ny Azy, ka  tonga  hatramin’ny fanolorany ny ainy  mihitsy aza, « tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao , dia ny  manolotra ny ainy  hamonjy ny sakaizany « (and 13). Notanterahin’i Jesoa izany  ka tonga  fahafahana miezinezina , nanafaka antsika  tamin’ny fanandevozan’ny ota sy  ny fahafatesana. Io  fitiavan’i Jesoa io no fenitra  fara-tampon’ny azon’ny  mino  rehetra  alaina tahaka.

2-Amin’ny didiny 

Fiainana ny fifankatiavana no didiny. Tsy hoe: fepetran’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika akory  no hilazany hoe: »ianareo  no sakaizako  raha manao  araka izay  andidiako, anareo »and14, fa tena  tombom-pitia omen’ Andriamanitra ny  mpino. Efa tia Izy ary tia  tsy  misy  fepetra . Koa tiany isika hiaina amin’ny fitiavana tahaka Azy. Tsy fitiavana baikon’ny rafitra  toy ny Tompo sy mpanompo ,  fa izay  iasan’ny fahasoavana  toy ny mpisakaiza. Rehefa izany , dia ny fiainany manontolo  mihitsy no atolony ho antsika .

Fanontaniana:

Afaka mibaiko antsika mihoatra noho ny vola , harena, voninahitra, seza…ve ny fitiavan’i Kristy?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV