Alahadin’ny Dorkasy 2018.

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 07 Aprily 2018

MANOLOTRA NY  FIAINANY NY TOMPO

Feonkira  fidiranaFiantsoana  sy fiderana an’ Andriamanitra -Hira   faneva  faha- 50 Taona FJKM (mitsangana)-Salamo  147.1-6-Hira  FF 7-VavakaSitrapon’  Andriamanitra : Fil 2.5-8 / Sal 119.1-2Hira 445.2Fifonana VavakaFF 20Famelankeloka atolotr’ Andriamanitra : Jeremia 31.3/ Jao 3.16 / Sal 32.1,2Hira FF 15.2Fanekempinoana -Teny fiarahabana-Raharaham-piangonana-Fanatitra : Antoko mpihira ,FF 47,446-Fanolorana  443.2TENIN’ANDRIAMANITRA : Dimy minitra sekoly Alahady-Soratra masina-Hira 357-VavakaVakiteny : Oha 10.14-19/Jao 10.1-10/Rom 5.15-21TORITENY Hira 36.1-2HAFATRY NY TENIN’ ANDRIAMANITRA Vavaka fangatahanaHira Faneva faha- 45 taona  Sampana Dorkasy  (mitsangana)Asa vavolombelonaFamarananaHira FF3.2HAFATRA SY TSODRANO / Efes 6.23-24Hira FF53.3Vavaka mangina (mipetraka)Trinite masina .  Amena

HAFATRA

Ry havana ,« Fa voavono Kristy , Paska ho antsika »Izany  no teny ifampiarahabantsika  noho  ny  amin’ny Paska neken’ny Tompo  holalovantsika rehetra , sy noho  ny amin’izao  Alahady  iombonantsika Dorkasy  izao .

Misaotra  an’ Andriamanitra  Imay Tompon’ny asa isika noho  ny  fombàny  ny  fiainan’ny  Fiangonana  sy ny  fiainantsika Sampana Dorkasy, fa tanteraka soamatsara   ny fihaonambe  izay  notanterahintsika  tany amin’ny faritanin’i Toliara . Fijoroana ho vavolombelona  niombonantsika   ny  fahatongavantsika  marobe , na dia  teo aza ny ahiahy  maro noho  ny  tsy fandriampahalemana  sy ny  fahasahiranana  isankarazany  . Misaotra  ny Tompo  noho ny hery  atafiny  antsika  satria  ireny  no hahafahantsika  maneho  ho  hita maso  fa « Kristy  no  fihavanantsika ».

Misaotra  an’ Andriamanitra  ihany  koa  noho  ny  amin’ilay Teny   tonga nofo  , nekentsika  honina  amintsika , ka  dia nankalaza  am-pifaliana  ny  Noely   isika  rehetra  , ary  noho  ny fahasoavan’Izy  Andriamanitra  no harahantsika hamakivaky  indray  ny 2018.

Am-pifaliana  indray  àry   no ifandraisana amintsika  amin’ny alalan’izao fandaharana iombonana , isaky  ny Alahady  Faharoan’ny  volana Aprily  izao  , ifankaherezana  sy natao   ahafantarana vaovao  ihany  koa . Ary  ankasitrahana  tamin’ny asa rehetra  tamin’ny taon-dasa.

Mampiavaka   ity taona  ity  dia ny hiarahantsika  misaotra  an’ Andriamanitra  noho   ny fotoana  fanokafana ny fankalazana  ny faha-50 Taonan’ny Dorkasy  FJKM , izay   ho  tanterahina  any Mahajanga  ny 7-9 Septambra  . Efa   ao  anatin’ny  fiomanana  ny amin’izany  taon-jobily  izany  isika  ,ary efa  vita rahateo  ny fametrahana  ny  vato fehizoro  sy ny  fototry  ny tsangambato  , izay  natao  tany Antsiranana , ka dia hifampitondra amam-bavaka isika  no sady  hanohana  ireo Komitin’ny Fankalazana  amin’ny adidy  mavesatra  izay iantsoroahan’izy ireo  .

 Aza adinoina , ry havana  , ilay 1000 ar (Arivo ariary) isan-taona , isaky ny  mpikambana ho fandraisana anjara  amin’izany asa  lehibe izany  . Ho voninahitry  ny Tompo  ny  fahatanterahan’ny  asa .Koa alao  hery àry  ry havana , « aza mamihina  ny  soa  amin’izay  tokony   homena   azy  , raha azon’ny tànanao  atao ihany » Oha 3.27 , ary  mampahatsiaro  antsika ny amin’ny Rakitra  manokana  ho an’ny Dorkasy  Foibe  sy  ho an’ny Komity faha- 50 taona rehefa manatanteraka  ny fivoriana ny Sampana Dorkasy SP.

Mirary  antsika isam-piangonana sy Fitandremana  , faritra  sy  Synodamparitany  hahefa  be  amin’ny asa izay niantsoan’ny Tompo  antsika tsirairay  avy. Manao veloma  finaritra  amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy  Tompo  ry Rahavavy  malala rehetra ao amin’ny Tompo  .

« Fa  ianareo  koa  dia vavolombelona hanambara   fa Kristy  no   Fihavanantsika «  Jao 1 .5 / Efes 2.14

Ny Filohan’ny Sampana Dorkasy FJKM

RANDRIAMANANA Valimbavaka , Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV