FMBM / Fiofanana mpanao Gazety
Nanatanteraka FIOFANANA ho an’ ny Mpanao Gazety kristiana ny FIKAMBANANA MPAMPIELY BAIBOLY MALAGASY ny Alatsinainy 23 Oktobra 2017 tao amin’ny Foiben-toerany , tao Ampasampito . Miisa 20 mianadahy no nanatanteraka izany , dia ny avy ao amin’ny Radio Fahazavana sy ny Site Web FOIBE FJKM , Radio Nasionaly Malagasy , Radio Don Bosco , Radio OASIS, Radio Miara-manompo , Radio Teny Fiainana .
Pasteur COLETTE CHANAS GOBERT,
avy ao amin’ny Église Protestante Unie de France no nampita ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’ny maha-mpanao gazety tranainy azy nandritra ny taona maro . Izany dia natao indrindra ho fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly amin’ny mpanao Gazety kristiana eto Madagasikara amin’ny fanaparitahana ny Tenin’ Andriamanitra , ka ny Malagasy dia ho heniky ny fahalalana ny Soratra masina . Heverina mantsy fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fizarana ny Filazantsara ny mpanao gazety miasa eo anivon’ny Fiangonana .
Fantatra tamin’izany ihany koa ny fivoahan’ny vokatra vaovao , dia ny Baiboly Elektronika izay havoakan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly amin’ny fomba ofisialy amin’ny voalohandohan’ny taona 2018 ho avy izao .Tsara ny manamarika fa io vokatra vaovao dia tsy ahitana fahadisoana tsipelina fa dia noezahina ho marina ara-panoratana tokoa araka ny maha- Fahamarinana ny Teny vakiana ao anatiny rahateo .
Sahondramalala Vololona