Nodimandry ny Misionera Jean RAMONI.

Nodimandry teo amin’ny faha 79 taonany, tamin’ny 24 Jolay 2017 Atoa Jean Ramoni, Mpitandrina, izay Misioneran’ny Mission Protestante Française (MPF) niasa taty Madagasikara nandritra ny taona maro (1966- 1978). Mianadahy ny zanany ary ny zanany lahy dia teraka fony izy niasa taty Madagasikara.

Tany Moramanga no naharetany nandritra ny 10 taona latsaka kely (1966- 1975) ary niandraiketany raharaham-piangonana, anisan’izany ny fanofanana ireo Mpiasam-piangonana amperin’asa sy ny fanokafanany Sekolin’ny Katekista.

Nafindra teto Antananarivo Atoa Jean Ramoni tamin’ny taona 1975, fotoanan’ny revolisiona sosialista. Tao amin’ny Trano Famoahamboky ANTSO Imarivolanitra no nanendrena azy ho Mpanampy ny Tale, Andriamampianina Hans tamin’izany fotoana izany: fotoana izay nilana literatiora manokana hiatrehana ny zava-misy hanampy amin’ny fijoroan’ny sokajin’olona rehetra ho vavolombelon’ny Filazantsara.

Nitondra fiangonana tany Yverdon les bains Atoa Ramoni rehefa nody tany Soisa talohan’ny niasany tao amin’ny Departemantan’ny Vola tao amin’ny DM Echange et Mission talohan’ny nisotroany ronono tamin’ny 1998.

Tia dia tia an’I Madagasikara sy ny Malagasy ary ny Fiangonana FJKM Atoa Jean Ramoni sy ny ankohonany ary nifandray sy nifanerasera tamin’ny Malagasy maro na teto an-toerana na rehfa nody tany Suisse tanindrazany izy. Ahatsiarovana an’Atoa Ramoni rahateo ny fahaizany tsara ny teny Malagasy.

Maniry fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny zafiny isika FJKM. » Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ho amin’I Kristy Jesoa Tompontsika « . Rom.8: 39 teny nofidian’ny fianakaviana natao tamin’ny filazana manjo.

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV