Zoma 07 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 19.19-24; 20.1-4

1-Mifofo ny an’i Davida i Saoly 

Intelo naniraka olona hisambotra an’i Davida izy , nefa tsy nahomby. Tsy nahavelona eritreritra azy izany fanakanan’ Andriamanitra ny teti-dratsiny izany , fa mbola  lasa ihany  koa izy tenany . Tsarovy fa misisika mafy hamely antsika ny fahavalontsika . Aoka anefa hatoky isika fa « Raha Andriamanitra no momba antsika  iza ny hahatohitra antsika ? » (Rom 8.31).

2-Manova ny zava-dratsy sainin’ny olona ny Tompo

Mahalala am-po tsy miloaka Andriamanitra ary afaka mandrava sy manafoana ny fikasan-dratsy  rehetra hamonbjeny  ny olony . Na dia i Saoly voalaza tany aloha fa nialan’ny Fanahy masina aza dia niasan’ny Fanahy masina indray eto hahafoana ny asa ratsiny (1 Sam 19.19-24). Fantaro àry fa hain’ Andriamanitra hahodina hahasoa ny  mpanompony na ny teti-dratsin’ny fahavalo aza.

3-Aza mamoy fo

Na dia nanao izay hahafaty  an’i Davida  aza i Saoly , i Jonatana kosa raiki-pitia tamin’iDavida.Tena fampaherezana izany , fa na fofoina noho ny maha- olon’ Andriamanitra aza ianao ,misy mandrakariva ny hafa , tena olon’ Andriamanitra koa, tia sy vonona hanasoa anao .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV