Alahady 14 Aprily 2024

Jaona 20. 11-18

  1. Mampahiratra ny masom-panahy

Nankany am-pasana vao maraina i Maria Magdalena; nitomany satria tsy nahita ny fatin’i Jesoa. Nisy naka ny Tompoko (and 13). Rehefa nitodika anefa izy nahita an’i Jesoa nitsangana niantso hoe: « Ry Maria! » (and 16); ny feon’i Jesoa dia nanala an’i Maria tao amin’ny fahajambana ara-panahy, ka nahalalany indray fa Jesoa no teo. Jesoa dia manazava ny mpino ka manokatra ny masom-panahy mba ahalalan’ny mpino fa efa nitsangana tamin’ny maty izy. Resiny ny fahafatesana.

2. Maneho ny firaisany amin’ny Mpino

Rehefa avy nampahiratra ny masom-panahin’i Maria Jesoa dia nanome toromarika azy mba ho any amin’ny rahalahiny. Eto Jesoa dia mampiasa voambolana maro entiny hanehoana ny maha akaiky ny mpianatra azy: fiombonan’aina, fifankatiavana, Finoana) fiombonana, antsoin’ i Jesoa mihitsy hoe « rahalahiko » (and 17). eo ihany koa ny hoe « raiko sy rainareo, Andriamanitro sy Andriamanitrareo ». Iray izy ireo matoa mpirahalahy, iray ny Andriamanitra ivavahany dia ilay Rain’i Jesoa Kristy. I Maria no nataon’i Jesoa fitaovana hitondra ny Vaovao Mahafaly, ary ny rahalahiny izay akaiky Azy no niantefan’izany voalohany. Manazava ny mpino ka maneho fa tena tiany, ary te hiombom-piainana aminy.

Fanontaniana:

Inona avy no efa nohazavain’i Jesoa teo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV