Sabotsy 11 Septambra 2021

MATIO 28.16-20

Nanao izay nihaonana tamin’ny mpianany 11 lahy i Jesoa rehefa nitsangana tamin’ny maty .Tsy toy ny fihaonana hatramin’izay anefa izany fa ho fanomanana azy ireo hanao iraka kosa. Hoy i Jesoa : «  Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany . Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra  »

1-Mandehana ianareo

i Jesoa manam-pahefana dia mandidy ny hanatanterahan’ny mpianatra iraka mazava . Tsy miangavy Izy amin’izany , tsy mampisafidy koa fa mandidy mihitsy , izany hoe : tsy maintsy ataon’ny mpianatra ilay iraka . Raha atao ho isan’ny mpianatr’i Jesoa àry ny kristiana rehetra ,ny fiangonana dia tsy maintsy manao izany koa izy ireo .

2-Ataovy mpianatra ny firenena rehetra

Mazava tsara ny zavatra hanirahan’i Jesoa azy ireo dia ny hiasa mba hahatonga ny firenena rehetra ho mpianatra , izany hoe : ho mpanara-dia Azy , ho mpino Azy ,ho mpivavaka Aminy ,hanaiky sy hankato Azy ary koa hiaina ao anatin’ny fanekeny .Amin’ny teny hafa , ireto iraka dia tsy hanavaka na iza na iza fa hiasa hahatonga ny firenena rehetra na ny olona rehetra ho ao amin’i Jesoa avokoa . Ny fomba nolazain’i Jesoa hanatanterahana izany moa dia ny :

– Fanaovana batisa amin’ny Anarany

-Fampianarana ny olona izay rehetra tokony hotandremany amin’izany maha-mpanara-dia azy izany . Marihana fa tsy ilay fampianarana ataon’ny fiangonana mialohan’ny fanaovam-batisa ihany akory no lazaina amin’izany fa ny fampitana izany ho fiainana ho an’ny kristiana mihitsy .

Fanontaniana :

Iza avy no irak’i Jesoa ? Iza no asainy atao batisa ? Ilaina ve ny fampianarana amin’ny fiainana maha-kristiana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV