Alahady 19 Febroary 2017

VAVOLOMBELON’NY FANEKENY NY TOMPO

Levitikosy 26.40-45

Ny  fitahiana sy ny loza 

Zava-droa loha ihany no tsy maintsy hiseho amin’ny vahoaka  izay nanaovan’ Andriamanitra fanekena , na izy  ireo hahazo fitahiana , na izy ireo ho voasazy ka hahita loza. Avy aiza no ihavian’izany rehetra izany ?

1-Ny mahatonga  ny loza

Ny antony  mahatonga  izany  dia ny tsy  fihainoana sy  ny tsy  fanatanterahana  ny Tenin’ Andriamanitra  izy midika  ho fivadihana  amin’ny fanekem-pihavanany: vokatra izany  , ny Tompo  mihitsy   no mamely azy ireo  ka mitondra azy  ho any  amin’ny tanin’ny fahavalony (and41). Marina  fa mety  hisy fahavoazana  miseho  nefa  tsy avy  amin’ny fahotana . Hitantsika  izany any   amin’ny toko hafa  ao amin’ny Soratra masina  , fa izay  hitantsika eto izao  dia ny  tsy fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra izay mahatonga loza.

2-Ny andraisana fitahiana:

Ny  fikasan’ Andriamanitra dia ny hampiova antsika fa tsy ny handringana antsika , ary izany  no antony  hanavaozany indray ny fanekeny . Mitaona ny vahoaka   mba hibebaka ny Tompo ,ary koa hifona noho  ny fahotan’ireo razany, mba hiverenan’ny fitahiana rehetra. Ny fiverenana  amin’ Andriamanitra no antoky  ny fitahiana (and4). Raiso  Jesoa Kristy , Ilay fanekem-pihavanana vaovao  ho antsika .

Fanontaniana:

Inona  no mahatonga  ny fahantran’ny firenena ankehitriny ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV