SP IA19/ Fivoriambe II

Fivoriambe faharoa SPIA 2019.

Fametrahana Tompon’andraikitra vaovao 

Ny FJKM Ankadifotsy no nandray ny fivoriambe faharoan’ ny SPIA ny Alakamisy 21 Novambra 2019 teo. Nanamarika izany fotoana izany ny fandraisan-tanana ireo tompon’andraikitra vaovao hanao asa fanompoana eo anivon’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano amin’izao taom-panompoana manaraka izao indray.  Nitarika ny fotoana ny Prezidà Synodaly RABETOKOTANY Miharilaza Andriamialy, Mpitandrina ; ny nitoriteny kosa dia ny mpitandrina RAKOTONIRINASOA Hubert, ary ny nampandray dia ny mpitandrina RANJAKAVOLA. 

Nandritra ny fotoanan’ny asa vavolombelona no nandraisan-tànana sy nametrahana tamin’ny andraikiny avy ireo birao sy komity isan-tokony eto anivon’ny Synodamparitany faha-19.

Natomboka tamin’ ireo biraon’ny Synodamparitany izay tarihin ‘ny Prezidà Synodaly RABETOKOTANY Miharilaza Andriamialy Mpitandrina ; ny filoha Mpanampy: RAVALOSON, Mpitandrina, RAHARISON Elian Gabriel ; Mpitantsoratra fivoriana: RANARIMALALA Nirina Harisoa, Mpitandrina ; ny mpitantsoratry ny vola: RAKOTOBE Aina Sedera ; ny mpitahiry Vola: RANDRIANTSIZAFY Rakotomanana ; ny mpanolotsaina:  ANDRIANANJA Joseph, Mpitandrina. 

 Ny mpihevidraraharahan’ny SPIA kosa dia misy Mpitandrina 20 ary  Laika 20.    Noraisin-tànana tamin’izany koa, ireo biraon’ny firahalahian’ny Mpitandrina, ny biraon’ny firahalahian’ny Katekista délégué, ireo mpiandraikitra SEFALA, ny biraon’ny FLD SP. 19, ary ireo tompon’andraikitra any amin’ny foibe FJKM zanaky ny Synodamparitany. 

Toy ny mahazatra amin’ny fivoriambe dia noraisin-tànana ireo mpitandrina vaovao voairaka eo anivon’ny SPIA. Taorian’ny tatitra sy ny vaovaon’ny Synodamparitany dia niroso tamin’ny fanasan’ny Tompo ary ny fiaraha-misakafo. Nampahatsiahivina tamin’io koa ireo fandaharam-potoana hatrehan’ny SPIA, efa nivoaka rahateo ny tetikandron’ny SPIA 2020 azo jifaina eny amin’ny ivotoerana. 

FifiAV

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV