Alahady 01 Desambra 2019.

Fandalinana n Boky JEREMIA

Jeremia 48.1-47

Mitohy ny faminaniana , anjaran’ny firenena Moaba ity

1-Rava sy nitsoaka nandositra i Moaba

Firenena nalaina hiara-kiasa amin’ny Tompo i Moaba raha nitondra azy ireo nivoaka avy tany Egypta Izy (Deo 2.9-11). Nailiky ny Tompo tsy ho isan’ny firenen’Israely ny taranany 10 nifandimby noho izany (Deo 23.3-4). Teto indray dia ny Kaldeana no mamely ny Moabita. Tsy nisy noraisina , fa lao monina sy lason-ko babo ilay firenena (and 6,9,46) . Fa tsy izany ihany , noravana hatramin’ny tanàna sy ny fivavahana nitokiany koa aza (and 7,13,35)

Hasarotam-piaro amin’Israely ny an’ny Tompo fa tsy hoe :valifaty akory « izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko » (Zak 2.12)

2-Firenena miavonavona

Izany no fahotan’i Moaba . Ny asany , ny hareny , ny maha- izy azy , ny herin-tsandriny no nireharehany (and 7,11,14,29) . Nahaizany vava tafahoatra na ny Tompo na ny firenen’ Israely (and26-27,30).

Mifono fahendrena lalina sy mitoetra mandraka androany ny voasoratra ao amin’ny Oha 18.12manao hoe: « Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana, fa ny fanetrentena kosa mialoha ny voninahitra «  . Ampitahao amin’ny Ohab 16.18 sy ny nambaran’i Jesoa hoe: »ary izay rehetra manetry tena no asandratra » (Lio 18.14).

« Raiso ny Tenin’Andriamanitra » boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV