Sabotsy 16 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 36.16-32

Samy manana izay iheverany  ny Tenin’ Andriamanitra ny tsirairay .

1-Teny mampihorohoro :

Rehefa avy nihaino izay voasoratr’i Baroka ireo tandapa ireo tandapa dia nifampijerijery izy  ireo. Tsapany ny loza mitatao izay hihatra amin’ny tanàna sy ny mponina . Mety mampihorohoro tokoa ny filazana ny fiafaran’izao tontolo izao , fa ho an’ny mino dia fiandrasana famonjena mahasambatra izany.

2-Teny fanivaivana :

Fihetsika feno fahasahiana sy fihantsiana an’ Andriamanitra no nataon’i Joiakima .Norovitiny ny  boky ary natsipiny tao anaty afo. I Josia kosa tamin’ny fotoana namakiana ny  boky hita tao amin’ny tempoly dia nandriatra ny fitafiany ho mariky ny fibebahana  (2 Mpa 22.10-13) . A za manamafy ny fo raha mananatra anao ny teny .

3-Teny hitondra fitsarana mahatsiravina

Faharavan’ny tanàna ,tsy fananana fara mandimby  intsony eo amin’ny seza fiandrianana , fampijaliana azy sy ny taranany . Izany  no ho valin’ny fandoroana ny horonan-taratasy . Mampitandrina i Jesoa hoe : « izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko , dia manana izay mitsara azy ny teny izay nolazaiko . Izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany » (Jao 12.48).

« Raiso ny Tenin ‘ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV