Alatsinainy 04 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 29.15-32

Mila mandinika tsara isika olombelona fa tsy tompon’ny farany akory isika. Misy Ilay Andriamanitra izay manana ny fahefana amin’ny fianantsika . Fantaro àry fa:

1-Mitera-doza ny tsy fihainoana an’ Andriamanitra

Ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana no ho anjaran’ireo vahoaka mbola tavela any Jerosalema , noho ny tsy fihainoany ny hafatry ny mpaminany izay nananatra azy ireo noho ny haratsiany , dia ny nahafoizany an’i Jehovah sy ny nanompoany sampy . Nisahirana mihitsy Andriamanitra nananatra azy ireo , raha lazainy fa nifoha maraina Izy (and19) . Manàna fanahin’ny fankatoavana(Jao 12.48).

2-Iharan-doza ny mpanompo manaotao foana:

Naminany lainga i Ahaba sy i Zedekia ka hovonoina (and21), nampitoky lainga i Semaia ka tsy hanan zanakalahy honina amin’ny firenena . Anatra ho an’ny mpitory Filazantsara rehetra izany . Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa izay afafy no hojinjana . Koa « aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo , satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana ny mpampianatra (Jak 3.1).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV