Alarobia 02 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 1.1-19

Ny bokin’i Jeremia dia mitantara amintsika ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nanjakan’ireo mpanjaka faramparany tany Joda hatramin’ny fahababoana (and1-3). Manomboka amin’ny fiantsoana an’i Jeremia izany .

1-Tsy takatry ny saina ny fiantsoan’ny Tompo

Niantso an’i Jeremia Izy ary lazainy fa efa hatrany am-bohoka izy no efa fantatra sy nofidiny . Any ivelan’ny fahatakarantsika amin’ny maha- olombelona izany .

2-Asa mampidi-doza no niantsoan’ny Tompo

Nantsoiny i Jeremia ho « mpaminany ho an’ny firenena  » handrodana inefatra vao hanorina sy hamboly . Asa mafy re izany ! Ary dia hiadian’ny olona (and19) izy amin’izany . Ekena fa tsy mora ny asan’ny Tompo .

3-Tsy mahagaga raha misy ny nandà ny antson’ny Tompo

Nataon’i Jeremia avokoa izao fialan-tsiny izao : « tsy mahay mandahan-teny aho fa mbola zaza aho... « Moa tsy fihetsika efa nataon-dry i Mosesy (Eks3.4) sy i Gideona (Mpits 6) koa ve ny toy izany ? Ary isika koa!

6- Saingy tsy misaraka amin’ny fombàny ny fiantsoany

« Aza matahotra azy ianao, fa momba anao Aho , hoy i Jehovah »(and8) . Io ihany no ianteherana . Ary ny hany andrasana amin’izay antsoina dia ny fanahin’ny fankatoavana : « handeha amin’izay rehetra hanirahako anao ianao , ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao « (and7) . Koa mahereza ry olom-boaantso . Tena momba anao i JESOA !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV