Alarobia 06 Martsa 2019.

Fandalinana ny Boky 1 Mpanjaka

1 Mpanjaka 8.54-66

Ny famaranana ny fitokanana no hitantsika eto ka nanamarika izany :

1-Ny firavoravoana lehibe . Fiderana an’ Andriamanitra sy fifaliambe no atao 14 andro be izao . Eny! mendrika izany ny Tompo ary rariny raha mifaly ny vahoaka taorian’ny ezaka rehetra namitana ity trano lehibe ity. Faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’i Jehovah » (and66)

2-Ny fifamatoram-pisiana amin’ny Tompo . Hoy ny and 57: « Jehovah Andriamanintsika anie no amintsika ? tahaka ny tamin’ny razantsika ? aoka tsy handao na hahafoy antsika izy » .Ary hoy kosa ny setriny eo amin’ny and61 : »Ary aoka ho marina amin’i Jehovah Andriamanintsika anie ny fonareo , handehananareo amin’ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny  » . Tsy mahazo mandeha ila mantsy ny finoana , fa ny Tompo irina , tsy handao ary ny olona koa manaiky tsy handao , izay vao tafaraka tsara.

3-Ny fitoriana ny Anaran’ny Tompo . Hoy ny and 60 : » mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa Jehovah no Andriamanitra fa tsy misy afa-tsy Izy ».Tsy azontsika adinoina mihitsy izany , ny antom-pisian’ny fiangonana dia ny hanao mpianatra ny firenena rehetra, araka ny baiko navelan’i Jesoa raha hiakatra any an-danitra Izy (Mat 28.19).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV