Alarobia 06 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 21.1-22

Tantara roa no indray vakintsika eto :

1-Tantaran’ny mosary (and1-14). 

Mosary vokatry ny nadikan’i Saoly ny fianianana natao fahiny(Jos 9.15) izany ary mitaky fanonerana araka ny Nom 35.19. Mampahonena ny mamaky ny voalaza eto , saingy aoka hianarantsika tsara ny lesona fonosiny , tsy misy fahotana vita ho azy, fa misy valiny avokoa. Ny fianianana fanekena natao nefa nivadihana , loza mitatao lalandava amin’izay mivadika . Soa fa teo i Jesoa izay maty , nihantona tamin’ny hazo fijaliana ho famonjena antsika (Asa 5.30;10.39).

2-Tantaran’ny ady tamin’ireo goavambe efatra (and15-22). 

Davida « reraka » no ambara eto (and15), saingy Davida nandresy ihany , satria nanana miaramila mahery fo niaraka taminy izy.Isika koa, na toy inona na toy inona herintsika sy toeram-boninahitra misy antsika , mety reraka isika. Misaora ny Tompo ny amin’ireo olona omeny hiara-miasa amintsika. Fa na maro sy mahery ny fahavalo , na maro aza ny ady , tsy avelan’ Andriamanitra ho irery ny mpanompony . Toky ho antsika ny nanomezan’i Jesoa toky antsika fa efa naharesy izao tontolo izao Izy (Jao 16.33) ary momba antsika fa tsy mamela antsika ho irery .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV