Radio Fahazavana 20T / Famaranana

 fanentanana            NAMARANA NY FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Rehefa nikatona nandritra ny fito taona ny Radio Fahazavana izay onjam-peon’ny FJKM vokatry ny toe-draharaha teto anivon’ny firenena (2010- 2016), dia nangataka tamin’ny fitondrana ankehitriny ny Fiangonana mba hamerenana ny fisokafany ka velona soa aman-tsara indray izy ankehitriny.

TSIAHY FOHY

Ny taona 1997 no nitsangana ny onjam-peo « Radio Fahazavana » ka teny Faravohitra ny foibeny. Nakaton’ny fitondrana tetezamita izy ny taona 20 Mey 2010 noho ny toe-draharaham-pirenena nafana tamin’izany fotoana izany.  Noraofin’ny Mpitandro filaminana (zandary sy polisy) avokoa tsy nisy niangana ireo fitaovana marobe niasana tao aminy  ary  tsy nisy niverina na iray aza hatramin’izao sady tsy hita hoe aiza?

Nisy tamin’ ireo mpanao gazety sy teknisiana   tao amin’ny onjam-peo aza no naiditra am-ponja mihitsy teny Antanimora nandritra ny telo volana sy folo andro. Nandalo fisedrana mafy ireo mpiasa tao amin’ny onjam-peo tao anatin’ny enin-taona. Ny taona 2016 no niverina nisokatra indray  ny onjam-peo.  Tena niainga tamin’ny tsy nisy ny famerenana azy fa izay kely nananana no nahiratra. Fifarimbonan’ny Fitandremana FJKM rehetra no nahafahana nanokatra azy indray. Ny tanjon’ny onjam-peo ankehitriny dia ny hanatrarana ilay vinan’ny FJKM hoe « Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara »20 TAONA (1997- 2017)

 20 taona izay no nisian’ny onjam-peo ary lalana maro no efa nolalovana tao anatin’izany. Namarana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona ny onjam-peo ny Alahady 28 Janoary 2018 lasa teo tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana, izay notronin’ireo Kristiana FJKM maro sady mpankafy no mpanohana. Notolorana mari-pahatsiarovana ihany koa ireo komity sy mpiasan’ny Radio ary ny fianakaviana nanolotra maimaim-poana ny tany hananganana ny « pylone » eny Ambohibe ilafy.

 Andriamatoa RAKOTONIAINA, Mpitandrina, talen’ny SEFALA foibe no nitarika ny fotoana ary Andriamatoa ANDRIAMAMONJISOA Georges Henri, Birao Mpiandraikitra Foibe no nitondra ny hafatr’Andriamanitra izay nalaina tao amin’ny bokin’ i (Isaia 60: 1), izay teny fanevan’ny taom-pankalazana.

HAFATRA:« Miteraka heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy fanatanterahina ny didiny »Io no foto-kevitra nijoroan’ny toriteny izay mizara  3 lehibe:1-Tsy maintsy miala amin’ny toerana misy azy ny kristiana ary tsy maintsy mandroso.2-Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina mba hanazava .3-Fantsona hanasitrana ny tany izay bokan’ny fahotana ny   ny kristianaTSANGAM-BATO

Ny tsangam-bato lehibe novinaina ary efa an-dalam-panatontosana dia ny « Televiziona Fahazavana ». Maro ny ezaka efa natao hamitàna ny tsangam-bato fa mbola lavitra ny fanatrarana azy. « Ny fanoloran-tenan’ny tsirairay no ilaina » araka ny fanazavan’ny Filohan’ny komity faha-20 taonan’ny taom-pankalazana Rtoa RASOANAIVO Rinà, Mpitandrina.  Miaina amin’ny tolotra avy amin’ny Kristiana sy ny Fiangonana ny fanatrarana ny tetibola satria azo ambara fa ny 1/100 ny tanjona izay no afaka.

Ry Kristiana havana sy Fiangonana rehetra manerana ny nosy, tadidio fa tsy adidinay samy irery fa adidinay sy ianareo koa vitao izay tandrify anao fa mbola vonona handray izany hatrany ny komity, ny taom-pankalazana no nifarana fa ny asa   mitohy, fa na dia novonoina aza ny Radio fahazavana dia tsy maty fa velona indray.

Hasina Fanantenana

 (Santatra Fahazavana)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV