Alahadin’ny Arsiva sy ny Tranombakoka 2018.

17Fandaharana iombonana 

Alahady 18 Febroary 2018

 

  • Fidirana: Feon-javamaneno na Antoko Mpihira
  • Fiarahabana Apostolika : I Kor. 1 :3 Amena
  • Fiantsoana ny Anaran’Andriamanitra: 15 :3b-4
    • Hira Faneva faha 50 taona FJKM
    • Vavaka fiderana
  • Sitrapon’Andriamanitra: Jer.2/13  «  Sambatra ny mahitsy làlana…”
    • Hira : 644:1,2
  • Vavaka fifonana
    • Hira : 425:1,2
  • Famelan-keloka : Heb. 3:14-15 « Sambatra ny olona izay voavela ny helony…”
    • Hira : 540:1
  • Fanekem-pinoana laharana faha – 3
  • Feon-javamaneno na Antoko Mpihira
  • Hafatra avy amin’ny Foibe Arsiva syTranombakoka FJKM
  • Raharahan’ny Fiangonana
  • Fanatitra (Antoko Mpihira)
  • Fanolorana ny fanatitra
    • Hira : “Ry Tompon’ny harena”
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
    • Hira 79
  • 5mn n’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra
    • Hira : 584:1
  • Vavaka sy Soratra Masina:
  • 2:4-13 /  Mar. 7:14-23  /   Heb. 3:7-15
    • Hira :  263:1
  • Toriteny

       Hira (Antoko Mpihira)

  • Vavaka fangatahana + vavaka nampianarin’ny Tompo
  • Asa vavolombelona
    • Hira : 335: 1,2
  • Tsodrano Heb. 13:20-21. Amena!
    • Ho an’Andriamanitra ny voninahitra !

AMENA !

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”II Tim. 1:8a

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” Jao. 14/27a

Fiadanana ho anao noho ny Noely 2017 sy izao taona vaovao 2018 izao. Ilay Andriamanitry ny Famindram-po anie hitahiry anao hatrany ao amin’ny Fitiavany eo am-pamakivakiana izao taona vaovao izao sy mandritra  ny andro-piainanao rehetra.

Taona miavaka sy manan-tantara ho an’ny Fiangonana ity  taona ity satria Jobily volamena dia  ny faha 200 taona ny LMS sy faha 50 taonan’ny FJKM.  Feno 150 taona ihany koa ny Isan’enimbolan’Imerina izay nanirahana ireo Evanjelisitra nandeha nitory ny filazantsara tany anindran-tany. Isaorana ny Tompo ny fahavitan’ny famoahana ny KAPILA MANGIRANA HIRA MAINTIMOLALY FFPM izay novokarin’ny Arsiva sy tranombakoka FJKM.

Isaorana ireo antoko mpihira zanaky ny fiangonana sy izay nifandrimbona tamin’ny fanatontosana azy, fa indrindra isaorana isika kristiana rehetra izay nanjifa sy nianatra ary nihira izany kapila mangirana  miisa 500 izany.

Amin’ity taona 2018 ity ihany koa no hanokafana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 35 taonan’ny arsiva ny taona 2019. Entintsika am-bavaka izany fotoana izany.

Entanina ny Mpitandrina sy ny Fiangonana mba samy hanao fandrotsahana ny rakitra amin’ ny Alahadin’ny Arsiva ho an’ny Foiben’ny Arsiva sy Tranombakoka FJKM eto Faravohitra na arotsaka amin’ity kaonty ity : BNI Madagascar kaonty  n° 01 044929 020 0 00  Association FOIBE FJKM Bibliothèque Archives BP 623 101 Antananarivo. Na apetraka ao amin’ny Foiben’ny  SAF/FJKM.

Tolorana fisaorana manokana ireto Fiangonana ireto izay nandrotsaka ny  anjara rakitra ny taona  2016  sy ny  taona 2017. Aza misalasala mifandray aminay raha misy fanamarihana tianareo atao.

Ny Filohan’ny Komity                                                                   Ny TaleRAHAJARY R. Tsialoninarivo.                                      RALISON R. Fara Fanja, Mpitandrina   

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV