SP 12 / Fiofanana SAFIF

SP Antananarivo AtsinananaNiatrika fiofanana faharoa ny SAFIF

Tontosa soa aman-tsara ny fiofanana faharoa ho an’ny SAFIF Synodamparitany Antananarivo Atsinanana ny  Zoma 10 sy Sabotsy 11 Novambra 2017 lasa teo tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Fiofanana izay niantsoana ny Mpiomana, Mpiandry, Zanaky ny Fifohazana ary ny Mpitandrina.

Fampianarana nitondrana lohahevitra 3 no notanterahina ny andro voalohany izay niarahana tamin’ireo mpampiofana telo. Teo ny Iraka Neny Volana, izay namelabelatra ny amin’ ny “Fifohazana sy ny firongatry ny fanompoan-tsampy ary ny  vokatr’izany eo amin’ny firenena”. Ny Mpitandrina Tonganandrasana Filohan’ny SAFIF  Iarivo  Avaradrano kosa no nitondra fampianarana niompana      tamin’ny hoe “Ny lanjan’ny  fisian’ny Toby eo amin’ny fiainam-pifohazana”. Namarana  azy ny Mpitandrina RABEHATONINA James izay nanazava “Ny Litorjian’ny  fanorenam-pasana sy ny  fanokanam-pasana  ary ny  famadihana”.

Ny Sabotsy kosa dia nifantoka tanteraka tamin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 20 taonan’ny SAFIF SP.Heritiana R. S-F

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV