SAMPATI / JOBILY VOLAFOTSY

Aoka hirehitra ny jironareo » Lio.12:35

Misaotra ny Tompo isika satria navelany nanao ny asany ary ankehitriny dia mbola hanankinany andraikitra sarobidy indray.

– Ho an’ny Birao Foibe dia ny fanantanterahana hatrany ny vinan’ny SAMPATI FJKM ho fanitarana ny asa fanabeazana tanterahina eo anivon’ny SAMPATI FJKM.

– Ho an’ny KOMITY JOBILY faha 25 Taona SAMPATI dia ny fanatrarana ny tanjona ho amin’ny fahavitan’ny hetsika rehetra ho enti-mankalaza an’Andriamanitra noho ny JOBILY VOLAFOTSY faha-25 taona ny SAMPATI FJKM; ka hahazoana vokatra tsara, ho vita ny tsangambato tian-ko tratrarina.

Ny fanapahan-kevitra dia ny mivory isaky ny Alarobia faha-3 amin’ny volana ireo BIRAO komity ireo fa amin’izao voalohany izao kosa dia aroso amin’ny Alarobia 13 Desambra izao ny fivoriana. Koa manantena ny fahatongavantsika BIRAO komity rehetra.

Ireto manaraka ireto ireo BIRAO KOMITY JOBILY:

– Ny Filoha: RABESON Fidimalala (drfidy@gmail.com- 034 01 080 02)

– Ny Filoha Mpanampy: ANDRIAMIADANA Lantosoa ( l.andriamiadana@boa.mg/lantoso@yahoo.fr/032 11 370 71)

– Ny Mpitan-tsoratra: 1- RANDRIAMBOLAJAONA Hajarisoa Niaina (hajarisoa3@gmail.com/ 033 12 853 69)

2- RANDRIANARIVELO Iako ( iako.randriana@gmail.com/ 034 59 174 61)

– Ny Mpitantsoratra Vola: RAHAVATSARA Jeanne Odette (033 14 876 65)

– Ny Mpitahiry Vola: RAHARISOA Noro (noorharisoa@gmail.com/ 034 64 883 83)

– Ny Mpanolotsaina: RAHAINGOSOA Louise Odette (rlouiseodette@yahoo.com/ 034 48 948 13)

Noho izany ry havana malala, dia mahereza, mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » Ikor.15:58

Dia manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa

 

NY TONIA SAMPATI FOIBE

RANDRIAMANANTENA SOLO

Jean Jacques Séraphin Jhons, Mpitandrina FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV