SP AA11 / Fiofanana Mpampianatra Sekoly Alahady

 

Notontosaina tany amin’ny FJKM Tranovato Ambohitrandriananahary Lovasoa ny Alarobia  01 Novambra 2017 maraina, ny FANOFANANA MPAMPIANATRA SEKOLY ALAHADY eo anivony SP Antananarivo Atsimo (Sp AA11).

Ny Mpitandrina Raharivaonjanahary Dieu Domine no nitarika sy nitory teny tamin’io fotoana io ary ny Lioka2 :26-38 araka ny voalahatra ao amin’ny mofon’aina no notoriana tamin’izany.

Ofana mahakasika ny FAMPIANARANA OLON-DEHIBE no nomena tamin’izany, ary nizara roa mazava tsara ny ofana nomena.

Nisy ny OFANA TEORIKA  momba ny Psykolojian’ny olon-dehibe sy ny tokony atao manoloana izany, natolotry ny Mpitandrina Ranaivoarisoa Sabine, Filohan’ny Sekoly Alahady Faritra Ambohipotsy, ary

Nisy ny OFANA PRATIKA, nampiharana izany avy hatrany, notarihin’i Zoky Andry ny Ranto, Biraon’ny Sekoly Alahady Faritra Ambohipotsy, izay nifototra tamin’ny Rota:1 .

Tonga nanotrona izany fotoana izany moa ny Prezida Synodaly RABELISON Harimanitra Manasse, Mpitandrina ,sady nampahery ny mpiandraikitra rehetra amin’izao asa lehibe eo imason’ Andriamanitra izao .

Marihina fa feno hipoka ny Fiangonana Ambohitrandriananahary lovasoa, nandritra ity fanofanana Mpiandraikitra Sekoly Alahady ity.Ny Mpitandrina Rakotondramaro Marcellin no mitondra  ny Fitandremana nanatanterahana izao fanofanana izao .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .Dorselle   

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV