SP 12 / SFL

NY VONDROMPARITANY LAIKA ANTANANARIVO ATSINANANA

TANY MORONDAVA

Tontosa soamantsara tany Marofototra, 14 km tsy idirana an’i Morondava, renivohitry ny Menabe ny Fihaonamben’ny Laika ny 24-27 Aogositra lasa teo. Iray amin’ireo Vondrom-Paritany Laika eto Antananarivo sy ny manodidina ny VPL Antananarivo Atsinanana tarihin’ny Filohany RAZAFIMAMONJY Fernand.

VONTOSY FILAZANTSARA MENABE

Ny Sampana VFL Soamanandrariny miaradia sy VFL Ambohitrarahaba dia efa niainga mialoha nanatanteraka Asa Fitoriana Filazantsara mialoha tany an-toerana. Niara-niasa manokana tamin’ny FJKM Mahagaga-Morondava ny VFL Soamanandrariny manokana.
Niisa teo amin’ny 130 ny VPL Antananarivo Atsinanana nanatrika ny Fihaonambe SFL, ary teo amin’ny manodididina 3500 kosa ireo vahoakan’Andriamanitra eran’ny lafy valon’ny Nosy. Tao amin’ny FJKM Mahagaga Morondava ny fanokafana ny Fihaonambe ka ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona no nitondra ny hafatry ny tenin’Andriamanitra sady nanokatra rahateo ny Fihaonambe SFL izay nibanjinana ny lohahevitra hoe:”LAIKA
VAVOLOMBELONA MAMPANDROSO FIANGONANA”.

TSARAFOTOTRA

Taorian’ny fanombohana dia niverina nitodi-doha teny amin’ny tanàna “TSARAFOTOTRA”, toerana nanaovana ny Fihaonambe ny rehetra. Anisan’ny nitondra Fampianarana tamin’izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sy ny Ny Mpitandrina RAMAMONJISOA Robert, Komity Foibe SFL – FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina. Raha itsy voalohany nitondra ny fampianarana hoe:”SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA MANINTONA” ka mahataona sy mahababo olona ho an ‘i Kristy ; Ito farany kosa dia namelabelatra momba ny  ”TOEPANAHY FAHAFOIZANA”, ka hanolorany maimaimpoana amin’ny asan’Andriamanitra. Raha manintona ny hafa ny Laika dia hiorina ny fahamarinana ary ho lavitry ny kolikoly. Ho laika “tsara fototra” hampandroso ny Fiangonana, ny Fiaraha-monina ary ny Firenena.

“Isaorana ny Tompo fa nampiharana tany tokoa ny Fanahin’ny fahafoizana tao amin’ireo mpizaika ka nahazoana nanao tolotanana hanorenana ny trano Fiangonana ao BEFASY, ka ho 23 ireo Fitandremana ao amin’ny Synodamparitany Fahazavana Atsimo Andrefana 36, amin’ny taona 2019, tsangambaton’ny faha-40 taona niorenan’ny SFL”, hoy ny Filohan’ny SFL Foibe, Atoa RADAVIDSON Benjamin Andriamparany.

Tamin’ny fotoana famaranana ny Fihaonambe ny Alahady 27 Aogositra dia tonga teny an-toerana ny Filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. Nijoro vavolombelona fa tsy afaka misaraka amin’ny fampandrosoana ny firenana ny asan’ny Fiangonana, raha nandray fitenenana izy. Fa mialoha izay dia ny Filohan’ny Jobily fankalazana ny faha 50 taona ny FJKM sy ny faha 200 taona nidiran’ny misionera LMS, Atoa RAVALOMANANA Marc no namariparitra ny asa miandry ny FJKM ary hantenaina, hoy izy, fa handray anjara betsaka amin’izany ny Laika FJKM amin’ny famitana ny trano eny amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Mamory Ivato sy eny amin’ny Sekoly David Jones Anjoma,Toamasina.
Namarana ny fandraisam- pitenanana ny Mpitandrina RADIMISAONA Jonah, Sekretera Jeneraly FJKM nisolotena ny Filohan’ny Birao Foibe FJKM.Ny Sabotsy 26 Aogositra maraina dia nitsidika ny torapasiky KIMONY raha teny amin’ny ny “Allée de Baobab”tahaka ireo mpizaika rehetra ny solontenan’ny mpizaika avy amin’ny VPL Antananarivo Atsinanana.“Hitondra ainga vaovao hoan’ny VFL isam-pitandremana anie izao Fihaonambe izao. Ary ho fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana any amin’ny isam-pitandremana ny FJKM manontolo”, hoy ny Filohan’ny SFL.Any Fianarantsoa indray mihaona amin’ny taona 2019 miara-mankalaza ny faha 40 taonan’ny SFL.

Solotena nanatrika, ALISON ANDRIAMAHEFA
Mpitantsoratra VPL Antananarivo Atsinanana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV