SAFIF / Alahady iombonana 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Fidirana

Feonjavamaneno

Fiarahabana Apostolika :Rom 1.7

Fiderana : Sal 34.1-10

Hira Fifohazana 2

Vavaka

Sitrapon’ Andriamanitra : Lio 6.28;Efe 6.18; Sal 119.1,2

Hira Fifohazana 355.1

Fiaikenkeloka

Vavaka

Hira Fifohazana 357

Famelankeloka: Isa 43.1b-4; Sal 32.1-2

Hira Fifohazana 345

Fanekempinoana :Lah I

Feonjavamaneno fohy

Filazan-draharaha sy Hafatra 

Rakitra

Hira Seham-pitaizana sy Antoko mpihira

Vavaka

Tenin’ Andriamanitra 

Hira Fifohazana 83.1-3

Vavaka

Vakiteny

Hira Fifohazana 246.1,2

Toriteny

Feon-javamaneno

Vavaka fangatahana

Asa sy fampaherezana

Famaranana

Hira 427

Tsodrano

………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRA 

Alahadin’ny SAFIF 2017 .

«  Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana » 

Ry Havana,

Hampitomboina  ho  anareo anie ny famindrampo  sy ny fiadanana  ary ny fitiavana . Ny Birao   sy ny Tonian’ny Sampana Fifohazana  Foibe dia faly   miarahaba  sy mamangy  antsika  rehetra isam-pitandremana . Miara-misaotra  an’ Andriamanitra  isika  raha nitsingerina  indray ny Alahady  atokana  hitondrana amam-bavaka  ny Sampana Fifohazana . Isaoranay  etoana  isika rehetra  nahatsiaro  izany  tamin’ny tain-dasa. Tsapanay  tokoa  araka izany  ny fahombiazan’ny asa  natao  noho ny  aminareo :

Vita soamantsara  ny fampiofanana   ireo  Birao Sa.Fif-SP tany  amin’ireo  ivon-toerana efatra (Antsohihy , Moramanga, Fianarantsoa, Tsiroanomandidy) tamin’ny volana Mey

Tanteraka  ihany koa  ny Fihaonamben’ny seha-pitaizana  izay natao  ny 29-31 Aogositra 2017  tany Ambatolampy . Noho  izany dia maniry  izahay  ny hampiharan’ireo Birao  izay nampiofanina azy ireo  . Sitrakay  indrindra koa  raha  ampandraisina  anjara  mandritra  ny fotoam-pifohazana  rehetra , Fitandremana na Synodamparitany  na Toby   ireo seha-pitaizana efa misy .

Ankoatra  ireo  dia  ho kasaina  hatolotra amin’ity  taona 2017 ity ny rihana  ambony   amin’ny trano eny Ivato, izay nataontsika  ho tsangambaton’ny faha-35 Taonan’ny Sa.Fif-FJKM . Manentana ny Mpiandry  sy ny Mpiomana  mba havitrika  amin’ny fandraisana anjara  1000 Ar isan’olona . Raisinay  amim-pitiavana ihany koa ny tolo-tànana rehetra  avy amintsika tsy ankanavaka .

Tsy vita hatreo anefa  ny asa tokony ifampitondrantsika am-bavaka sy hifanohanana fa mbola hitohy  izany  . Koa mbola manantena  antsika  hanao  ho zava-dehibe  ny fiombonampo  amin’izao Alahady  atokana  ho antsika Sa.Fif izao.

-Ento ambavaka ny Sampana  sy  ny tomponandraikitra rehetra

-Tohano  ny asa  any amin’ny Toby

-Miomàna  hiatrika  ny Fihaonamben’ny SaFif amin’ny taona 2018

(Faritany Toliara)

-Ny Compte Banquaire Sampana Fifohazana  Foibe  FJKM dia ny 01 036 190 1 020 072 (BNI Analakely)

-Ny Orange Money 032 64 869 74 / MVola 034 40 763 75 / Airtel Money 033 46 703 03

Mba hahalavorary  izany rehetra izany  dia entanina isika  hanoana  Rakitra ho fanohanana ny asan’ny SaFif -Foibe amin’ity Alahady ity . Isaorana antsika rehetra izay nanao ho zava-dehibe izany tamin’ny lasa . Ho aminareo  anie ny fiadanan’ny Tompo .

« Ka aza  menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (2 Tim 1.8a)

Ny Filoha 

RAKOTONDRAMANANA Arijaona 

Ny Tonia

ROBSON Rado Lalaina Johary, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV