Recyclage pastoral 2017 .

Nisokatra ny  16 hatramin’ny 18 Aogositra 2017 ny Recyclage pastoral FJKM  taona 2017.

MPITANDRINA VAVOLOMBELON’I KRISTY

Izany no  lohahevitra iankinan’ny fifampiofanan’ny  Mpitandrina  FJKM miaraka amin’ny vadiny ,izay tanterahina eto  amin’ny Gymnase  Antsiranana  .

Nitarika ny Fanompoampivavahana fanokafana , ny Mpitandrina RABEVITA SAINA , President Synodal Faritany voalohany Antsiranana  (SP 18) . Araka izany teny faneva noraisina izany  dia halalinina mandritra ny roa andro  ny mahakasika ny fiainam-panahy ,  ny ankohonan’ny Mpitandrina  .

Hisy ny fifampizarana sy ny fifampitondrana am-bavaka eo amin’ny mpiofana , ny fanomezam-pahefana ao amin’ny FJKM, fiaraha-mibanjina ny vina manao hoe : « Vontosy Filazantsara ny  Nosy Madagasikara »,ny Mpitandrina manoloana ny Rafitra. Horesahana  manokana ny maha- hafa ny lehilahy vadin’ny Mpitandrina sy ny vehivavy vadin’ny Mpitandrina , ny foto-pinoana , ny fivavahana samihafa,ny andraikitry ny vadin’ny Mpitandrina ,ny fikoloan’ny Mpitandrina ny ankohonany .

Hifandimby hampita ireo fiofanana ireo miaraka amin’ny Filohan’ny FJKM , ny Sekretera Jeneraly , ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, ireo Mpampianatra maty hanina eo anivon’ny Toerampanomanana Mpitandrina FJKM .

 Ny mampiavaka ity  fifampiofanana ity  dia ny fampandraisana anjara ny mpiofana , olona dimy eo ho eo isaky ny lohahevitra  mandray anjara fitenenana  ka maneho ny heviny sy mitondra vaha-olana avy hatrany araka ny fahitany  sy ny traikefa ananany.

Marihana fa izao fifampiofanana  izao dia hitohy avy hatrany amin’ny Fankalazana an’ Andriamanitra noho ny faha- 50 taona  nijoroan’ny FJKM , sy ny fanamarihana ny faha- 200 taona nahatongavan’ny Misionera teto Madagasikara . Filaharambe  mamonjy ny Stade Municipal no hanombohana ny fankalazana  ny Zoma 18 Aogositra 2017 , Hanomboka amin’ny  7 ora maraina , arahana lahateny samihafa , hafanain’ny Antoko Mpihira . Ny Fanompoampivavahana  fankalazana an’ Andriamanitra noho izany jobily volamena izany dia ny Alahady   20 Aogositra 2017 . Mivonona handray vahiny hatrany amin’ny 30 000 isa eo ny tànanan’ Antsiranana amin’izany fotoan-dehibe izany .

Nangonin-dRtoa Sahondra Rabelison

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV