Jobily 50 taona FJKM .

NY FANOKAFANA NY JOBILY FAHA-50 TAONAN’NY FJKM

SY NY FAHA-200 TAONA

NAHATONGAVAN’NY MISIONA LMS ANY ANTSIRANANA

Miha- antomotra hatrany ny fotoam-panokafana ny Jobily roa sosona mahakasika antsika FJKM manokana , dia ny faha-50 taona nijoroan’ny Fiangonana misy antsika sy ny faha-200 taona , nahatongavan’ireo Misionera LMS ,avy any Pays de Galles .Ny FJKM moa dia nijoro ny taona 1968 , tamin’ny alalan’ny fitambaran’ireo Fiangonana telo tonta izay efa notantanin’ny Malagasy , nateraky ny asan’ny Misiona LMS ,MPF  ary FFMA tany amboalohany.Dimampolo taona katroka amin’io taona 2018 io izany vanim-potoana manan-tantara izany .Sarin’ny vehivavy lehibe vontom-pinoana sy manana fahasahiana hijoro ho vavolombelon’ny Tompony no manana endrika feno fifaliana noho ny fitahiana efa azo sy niainana no tazana eo amin’ny endriky ny Fiangonantsika  .

Mifanojo amin’izany koa ny faha-200 taona nahatongavan’ny Misiona LMS izay naniraka Misionera voalohany taty Madagasikara , ny taona 1818. Hankalaza an’Andriamanitra , noho izany fahasoavan-dehibe izany isika mianakavy ny taona 2018  ; ho santarina amin’ny lanonam-panokafana ireo Jobily roa sosona ireo ny fifaliantsika,ny 18,19,20 Aogositra 2017 ho avy izao . Ny toerana hanatanterahana azy dia any Antsiranana, any amin’ny faritra avaratry ny Nosintsika izay ho renivohitry ny FJKM amin’ity taona ity, noho io fanokafana ny jobily io , any rahateo ny fifampiofanan’ny Mpitandrina rehetra manerana ny sahan’ny FJKM ary mifanojo mahafaly ireo fotoana roa ireo. .

 Antenaina fa ho marobe isika Kristianina FJKM no ho tapa-kevitra hitsidika an’Antsiranana ,noho ny amin’ny Tompo izay efa nitahy ny Fiangonany , fotoam-pialan-tsasatra rahateo izao ka hianoka fifaliana roa sosona ny mpianakavin’ny finoana sy ny Ankohonana misafidy ho any Antsiranana : Ny fitsangatsanganana vita , ny fahasoavana sy fifaliana amin’ny fiaraha-mankalaza an’Andriamanitra amin’ny fanokafana ny jobily ho voarakitra ho tantara.Any Antsiranana dia hisy rahateo ny fiarahan’ny FJKM rehetra mitsangatsangana any amin’ny tora-pasik’i Ramena ilay antsoina hoe « Orangia’’ny Asabotsy 19 Aogositra 2017 tontolo andro.Mba hahatomombana antsakany sy andavany izany « fanokafana ny jobily « izany moa ,dia nanao fandaminana ny Komity mba hahazoana mandray antsika any Antsiranana .Ao anatin’izany ny fanomezana ny isan’ny ho tonga any mba hiheverana ny toerana handraisana ny mpianakavin’ny finoana izay tombanana ho marobe tokoa.Ao anatin’ny fandaminana ihany koa ny fanamorana ny dia ho any Diego amin’ny fisian’ny « Fiara Iombonana » ,hitanjozotra mankany Antsiranana ,hamonjy ny lanonam-panokafana ny Jobilin’ny Fiangonantsika.

Tena ho vontom-pifaliana ity taom-pialantsasatra indray mitoraka ity , araka ny filazan’ny Soratra Masina azy hoe : « Fahasoavana anampy fahasoavana », ho tondraky ny soa sy ny mananjara i Antsiranana sy ny Synodamparitany Faritany voalohany Antsiranana izay tarihin’ny Prezidà sy ny Komity Mpanomana any an-toerana . Any Diego izany mifankahita e !

« Koa aza menatra ny vavolombelon’ny Tompontsika » ( II Timoty 1 :8a)

                                                                                                                             Ny Komity

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV