SAMPATI / Hafatry ny Fihaonambe 2017.

Fisaorana .

Ry Havana,

Fifaliana ho anay mandrakariva ny miarahaba anao amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

Ny Filoha sy ny Birao Foibe Sampati FJKM dia faly misaotra an’Andriamanitra noho ny fahatanterahan’ny Fihaonambe Nasionaly izay natao tany amin’ny Synodamparitany Mananjary Pangalanes ny 01- 04 Aogositra 2017 lasa teo. Misaotra ny Sampati tsirairay tamin’ny safidy hiaraka  tamin’ny Sampati tamin’izany Fihaonambe izany ary misaotra ny Prezida Synodaly sy ny Synodamparitany, ny Mpitandrina sy ny Fitandremana izay naniraka ny mpamonjy Fihaonambe Sampati.

Mankasitraka anareo tsirairay avy ihany koa tamin’ny fifanomezan- Tànana tamin’ny fikarakarana izany Fihaonambe izany indrindra fa ny Prezida Synodaly sy ny Birao mpiara- miasa aminy ary ny Sampati Synodamparitany Mananjary Pangalanes sy ny Komity mpanomana Fihaonambe. Ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hanonitra ny fotoana sy hery ary fananana lany tamin’ny fikarakarana rehetra.

Dia mirary soa sy ny tsara ho anareo ambany tànam-pahasoavan’ny Tompo izahay.

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe Sampati

Ny Filoha

RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina

 

………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRY NY FIHAONAMBE 2017.

Ry havana,

Ampitomboina ho anareo mandrakariva ny fahasoavan’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Isaorana feno Andriamanitra fa tontosa soamantsara ny Fihaonambe Sampati izay natao tany Mananjary ny 01- 04 Aogositra 2017 lasa teo.

Izay manamarika ny hafatra ary dia ny hevitra tapaka taorian’ny Komity Foibe araka izao :

  • Voafidy ho Tonian’ny SAMPATI FOIBE ny Mpitandrina RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin Jhons na Fandrasa Mikalo izay Filoha Mpanampy teo aloha
  • Voafidy ho Filoha Mpanampy ao amin’ny Birao Foibe Sampati ,ny Mpitandrina RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson na Jabady Miremby
  • Hankalaza ny Jobily Volafotsy faha- 25 taona nijoroany ny SAMPATI FOIBE ny taona 2018- 2019, ka ny fanokafana dia atao any Mahajanga, ny ivo eto Antananarivo ary ny famaranana dia any Fénérive Est. Ny tsangambato amin’izany dia “ Centre d’ Accueil” eto Antananarivo sy fiara
  • Momba ny Loharanombola maharitra : mikasa hanao Buvette eto amin’ny Foibe FJKM ny Sampati ary hangataka trano iray azo ampiasaina. Manaraka izany dia hamatsy voninkazo ny Fiangonana isan’Alahady sy amin’ny fotoana ilaina izany ary hanao trano fivoahana iray eto Antananarivo
  • Hisy Fihaonambe ho an’ny Filoha Mpanazava sy Tily zanaky ny FJKM; ny Tonia sy Mpiandraikitra; ny Komitim- pivondronana sy Sakaiza ary ny Beazina isan- tsampana. Atambatra any Fénérive Est ny fotoana rehetra ka manana endrika “Lasy Fihaonambe Sampati” sy “Lasy Zaikabe Sampati”. Omena fahefana ny Prezida Synodaly sy ny Synodamparitany Afovoany Atsinanana Vaovao miaraka amin’ny Filoha sy ny birao aryny Sampati synodamparitany mba hanomana dieny izao izany fandraisam- bahiony izany.
  • Araka ny Tombanezaka natao dia tratra ny tanjona tamin’izao Fihaonambe tany Mananjary izao; hoe “ ry Sampati o! vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara”. Noho izany dia mitohy amin’ny Sampati isam- pitandremana sy amin’ny Sampati Synodamparitany ny famontosana Filazantsara ny nosy Madagasikara. Aoka tsy ho adinoina ny fanampim- panabeazana momba ny Zon’ny Ankizy izay hampidirina ao anaty fandaharana 2017- 2018.

Koa mirary fahombiazana ho antsika SAMPATI indray amin’ny fanohizana ny fanabeazana SKOTO ato ami’nny Fiangonana, “ mahereza ary ka aoka hitombandahy isika ho an’ny firenentsika sy ny tananan’Andriamanitra ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony” (IISam.10, 12)

Tanana havia,

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SAMPATI

Ny Filoha RAKOTOVAO Hajarimiadana, Mpitandrina

Filoha BOEZA Mizara

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV