SFL / Alahadin’ny SFL 2017

 

MANAIKY HO VAVOLOMBELON’ NY TOMPO NY IRANY

Alahady 16 Jolay 2017

Alahadin’ ny Sampana Fivondronana Laika Foibe FJKM

Hira fanevan’ny SFL

Feon-javamaneno

  • Fiarahabana Apostolika
  • Fiderana an’ Andriamanitra : Salamo 104,24-31

Hira 14 O ! ry tany rehetra

Vavaka Fiderana sy Fanatonana an’ Andriamanitra

  • Fankalazana ny Tenin’ Andriamanitra sady Sitrapon’ Andriamanitra

Hira 7871.4 Izay mahakolokolo

Fotoana ho an’ ny Ankizy sy ny Tanora

Hira 3113.4 Ry Lohan’ ny mpiandry !

Vavaka

Vakiteny : Eks.7,14-25 , Mat.11,2-15, Gal.1,11-24

Hira 179 Ny Fanahy masina efa tonga tokoa

TORITENY

Feon-javamaneno

Vavaka Fifonana sy Fisaorana ary Fangatahana + Rainay …

Hira Fifonana 4281.2 Reko izao ry Tompo

  • Famelan-keloka

Hira 3142.3 Tsy ho antsika irery ny fahasoavam-be

  • Fanekem-pinoana Apostolika

Feon-javamaneno

  • RAKITRA ( Hira Sampana sy 432 Mandra-pihavin’ ny Tompo )

Hiram-bavaka Fanolorana ny Rakitra

  • Asa Vavolombelona
  • Raharaham-piangonana sy Famakiana ny Hafatra avy amin’ ny SFL Foibe
  • Tsodrano

Hira F533 Na ho lava naho fohy

Amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen!

……………………………………………………………………………………………………………..

TORITENY :

Perikopa : Eks.7,14-25 , Mat.11,2-15, Gal.1,11-24

Hanapaka ao am-pontsika anie ny Fiadanan’ i Kristy. Efa niainantsika nandritra ity volana Jolay ity, ny lohahevitry ny perikopa FJKM hoe : Manaiky ho Vavolombelon’ ny Tompo ny irany. Manaiky ho iraky ny Tompo tokoa ve isika, sa endrika ivelany fotsiny? Ndeha àry ho tarafintsika amin’ i Paoly Apostoly izany hoe tena Iraka izany, ka ny  Gal.1,23 “Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.” no ananganantsika Lohateny hoe : IRAKA VAVOLOMBELON’ I KRISTY HAMPANDROSO NY FIANGONANA

  1. Sahy manajanona ny ratsy taloha tsy nahombiazana

Mpanenjika fahiny : ny fomba ilazan’ ny Apostoly Paoly azy eto dia hoe fomba fanaon’ ny olona, satria noeritreretiny fa fampandrosoana ny Fiangonana Jiosy Gal.1,13-14 Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ny fivavahan’ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;  ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.

Ireo fihetsika efatra ireo no fara-fahakeliny ijoroan’ ny Apostoly Paoly fa ajanony satria fomba ratsy sy mamohehatra, amin’ ny maha-Iraka Vavolombelon’ i Kristy azy. Inona avy ireo araka ny namakiana azy teo : Fanenjehana sy Fandravana, Fisehoana ho mpivavaka sy Fifikirana amin’ ny voatolotry ny Razana. Raha atao indray mitopy maso, dia toa mety ihany ireo nataon’ i Apostoly Paoly ireo,  hampandrosoana ny Fiangonana Jiosy, ary fanomezam-pahefana ny Romana ; nijoroany ho vavolombelona, saingy indrisy, Vavolombelon’ ny fomban’ olombelona sy ny fanamparam-pahefana; tsiahivina eto mantsy fa sady mizaka ny maha-olom-pirenena Jiosy azy i Paoly, no efa miaramila Romana rahateo; ka sady afaka misambotra ny Kristiana izy no afaka mamono ho faty azy ireny avy hatrany. Izao fiovan’ i Paoly izao dia avy amin’ i Jesoa tanteraka : Fiovam-penitra mahery vaika tao anatin’ ny fotoana fohy, hitantsika izany tamin’ ny nifanenany tamin’ i Jesoa tamin’ ny lalan’ i Damaskosy. Atsahatra eto ireo faharatsiana tsy nahombiazana ireo, ka ilay fanenjehana sy fandravana ny Kristiana, lasa fananganana sy fiarovana ny Fiangonana Kristiana, ary ilay fifikirana amin’ ny fomban-drafitra Jiosy sy ny fiheveran-drazana, niova ho Epistily sy fanekena ho maritioran’ ny Filazantsara.

            Manamafy io fiovam-penitra mahery vaika io ireo mpanaraka an’ i Jesoa, ka nasain’ i Jesoa notantaraina tamin’ i Jaona Mpanao Batisa araka ny Mat.11,4-5 izay isan’ ny perikopa , Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’i Jaona izao renareo sy hitanareo izao: Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. Fiovam-penitra mahery vaika izany hoe Jamba mahiratra izany, mandringa lasa mijoro tsara, boka sitrana izany hoe aretina tsy mety sitranina afak’ i Jesoa, Fananganana amin’ ny maty, ary ny Ivon’izany fiovana izany dia ny Filazantsara.

            Moa tsy fiovam-penitra mahery vaika toy izany koa ny nahazo an’ i Mosesy, raha tsy sahy izy tamin’ ny voalohany ny amin’ ny niantsoan’ i Jehovah azy hanafaka ny Zanak’ Israely tao Egypta? Indro izy eto amin’ ny Eks.7,14-25 izay ao anatin’ ny Perikopa anio koa nanaiky ny fandaharan’ Andriamanitra hijoro manoloana an’ i Farao mba handefa ny olon’ Andriamanitra.

            Sahy manajanona ny fomba ratsy teo aloha ary ve isika, ka hanana fiovam-penitra mahery vaika antanterahana izany? Raha tena Kristiana isika, dia tsy mila anontaniana akory izany, mila sahy isika manala ny Tsikokon’ ota mbola mamatotra antsika. Mila fahasahiana miova Tompo isika, ka hiala amin’ ilay milaza fa tompon’ izao tontolo izao, dia ny satana sy ny forongony izany, ka tena hiaraka amin’ i Jesoa tsy ampahany fa zato isan-jato. Rehefa voaray Jesoa, dia afaka ho azy ireny fomba taloha ratsy namatotra antsika ireny, tahaka ny fitiavan-tena, fifandirana lava, fireharehana, lolompo, tezi-dava, … Ary izany no tena Iraka : Vavolombelona manajanona fomba ratsy mba hampandrosoana ny Fiangonan’ Andriamanitra.

            Ndao ary hiaraka ho sahy isika hiala amin’ ny fomba mamohehatr’ izao tontolo izao, hampiditra koa izany amin’ ny tapany faharoa, ny amin’ ny fanekena ny Lalana sy Sitrapon’ Andriamanitra

  1. Sahy sy vonona hanambara an’ i Kristy araka ny Lalan’ Andriamanitra

Ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny : Raha notonina hoe fomban’ olona ilay fanenjehana fahiny voalaza eo aloha, eto kosa ny fitoriana ny finoana dia tononina mazava, fa tsy hakana saina amin’ ny Nofo aman-drà. Irak’ Andriamanitra sahy ny Apostoly Paoly ho fampandrosoana ny Fiangonana, satria tena nekeny ny Lalan’ Andriamanitra hizorany amin’ izany : ambarany mazava eto fa efa hatrany am-bohoka izy no nantsoina (and.15) ka vonona ny hijoro amin’ izany, amafisiny koa fa Apostolin’ ny Jentilisa na tsy mpivavaka no niantsoana azy, araka izany nanana fahasahiana izy nifandamina tamin ireo Apostoly nahita mivantana sy niaraka tamin’ I Jesoa; nihaona manokana tamin’ i Petera sy Jakoba izy nanehoany ny maha-Iraka sahy azy sady manaraka ny Sitrapon’ ny Tompo. Ny fahasahiana sy fahavononana araka izany, dia tsy maintsy manaraka tsara ny fitondran’ Andriamanitra. Ankoatry ny fahasahiany manokana, eny na dia tsy mbola hitan’ ireo Kristiana sasany ary ny tarehiny, rehefa naneho an’ I Jesoa izy, ka vao fandrenesana momba ny fiovam-pony fotsiny no re momba azy, tonga dia nanaiky ny olona, etsy ankilany anefa maro ireo mpampianatra sandoka manohitra ny fampianarany. Rehefa manaraka ny lalan’ Andriamanitra, resy ho azy ireo fahavalon’ ny Kristiana.

     Ho fanamafisana izany, nanaraka tsara ny toro-lalan’ i Jehovah i Mosesy, rehefa nanoloana an’ I Farao, amin’ ny fampiasana ny Tehina, ka nahatonga loza ho an’ I Farao, dia ny rano lasa rà izany, araka ny Eks.7,14-25, mbola isan’ ny Perikopa anio ihany. Fanarahana an-tsakany sy an-davany ny baikon’ I Jehovah, andresena fahavalo; tsy izay tian’ i Mosesy no natao, fa ny Lalan’ Andriamanitra. Rehefa izany, dia afaka niroso tamin’ ny Dingana manaraka i Mosesy hirosoana amin’ ny fandefasana ny olon’ Andriamanitra.

         Mbola porofon’ izany fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra izany, ny fahasahian’ i Jaona Mpanao Batisa, ka nahatonga azy ho any am-pigadrana mihitsy. Any izy no manontany eto amin’ ny Mat.11,2 (perikopa) Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika? Fialohavan-dalana, fijoroana ho vavolombelona, fitaomana ny olona, isan’ ireo lalan’ Andriamanitra narahan’ i Jaona Mpanao batisa mba hibebahan’ ny olona, izany hoe ho fampandrosoana sahady an’ i Jesoa Kristy, ary iza moa kristy, tsy ny Fiangonana va?

       Ny fanarahana antsakany sy andavany ny lalan’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny Teniny, no hany antoka tokana hampandrosoana ny Fiangonana. Eo no tena tokony hitandremantsika hirahina ho amin’ izany, ka tsy izay tiantsika akory no atao, fa ny Azy Tompo. Indraindray isika tsy tena mijoro ho vavolombelon’ izany Iraka ampanaovina antsika izany. Misy hetsika ohatra ataon’ ny Fiangonana, mila enti-manana izany, maika be isika amin’ ny fitadiavam-bola, ekena fa ilaina izany, fa ndao aloha hanontany ny Sitrapon’ Andriamanitra ny amin’ izany, fa tsy hoe tonga dia ny sakafom-pandihizana sy ny karazan-doka amin’ ny endriny ara-piangonana no tonga dia Vola be hampandrosoana ny Fiangonana. Lasa Fandrosoana sadasada sy aim-panahy mitsingevana fotsiny no taratra, hany ka raha vao misy olana kely dia adim-piangonana no miseho. Ndao iverenana ny lalan’ ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ ny maha-iraka Vavolombelon’ ny fampandrosoana ny Fiangonana antsika.

            Sahy hampandroso ny Fiangonan’ Andriamanitra araka ny Sitrapony ary ve ianao, sa dia hanara-davahana ny fomban’ izao tontolo izao?

           Hirahina isika, tena ho Vavolombelona ho fampandrosoana ny Fiangonana, Fahasahiana roa miantaona no tokony asetrintsika izany : Fahasahiana manajanona ny ratsy taloha tsy nahombiazana amin’ ny alalan’ ny fiovam-penitra mahery vaika, ary indrindra fahasahiana miaina tsara sy mampihatra ny Tenin’ Andriamanitra mba tsy ho resin’ ny sinto-mamitak’ izao tontolo izao. Miandry antsika ny Tompo manoloana ireo Safidim-pahasahiana ireo, mba ho Azy Tompo irery ny Voninahitra. Amen

RANDRIANANDRAINA Marka Fety, Mpitandrina

……………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA

Ry Havana,

Manonona ny Fiadanan’ny Tompo Jesoa Kristy ho an’ny Vahoakan’ Andriamanitra rehetra ato anivon’ny Fiangonan’ I Jesoa Kristy eto Madagasikara.

Ny Birao sy ny Tonian’ny Sampana Fivondronana Laika (SFL) dia mamangy sy miarahaba ny Vondromparitany Laika (VPL) isan-tsynodamparitany ary ny Vondrona Fototra Laika (VFL) sy ny mpikambana isam-pitandremana noho ny fahatrarantsika izao Alahadin’ny SFL taona 2017 izao. Ny Fanahy Masin’Andriamanitra anie hampitombo hatrany ny finoana ao anatintsika hahazo antsika hijoro tsara mandrakariva ho manompo mahatoky tsy menatra ny ho vavolombelon’IJesoa Kristy Tompontsika.

Tahaka ny isan-taona dia fotoana hitondrana am-bavaka ny sampana sy ny Asan’Andriamanitra tanterahantsika ity andro lehibe ity, kanefa koa hahazoantsika manavao indray ny fahavononantsika Laika, mba hampandroso ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fanolorantsika amim-pitiavana sy ireo Talenta sy Fanomezampahasoavana samihafa efa nomen’ny Tompoantsika tsirairay avy. Ho ao an-tsaintsika sy iainantsika hatrany ny fanevantsika amin’izao efa-taom-piasana izao manao hoe “RAHA FATRA-PANIRY NY ZAVA-PANAHY, DIA IZAY HAMPANDROSO NY FIANGONANA NO TADIAVO INDRINDRA” (I Kor.14/12)

Eo am-panatanterahana ny Asantsika dia entanina hatrany ny VPL sy ny VFL rehetra mba hanao ho zava-dehibe ny fampiorenam-pinoana amin’ny maha FJKM antsika sy hamantatra ny tantaran’ny fiangonantsika mba tsy ho voarebirebin’ny fampianaran-diso sy fiangonana sandoka mielipatrana ankehitriny. Amporisihana hatrany koa isika Laika mba hampihatra sy hiaina amim-pifaliana ny ETIKAN’NY LAIKA FJKM efa navoakantsika ho boky nanomboka ny taona 2013. Ireo rehetra ireo moa dia ho hamafisintsika any amin’ny FIHAONAMBE ho tanterahana any Morondavany 24 ka hatramin’ny 27 Aogositra ho avy izao ka aoka samy hitondra am-bavaka io fivoriana lehibe io isika rehetra.

Ho Fiarahantsika mientana amin’ny FJKM iray manontolo mba hamontosana Filazantsara ny Nosy Madagasikara dia ho santarintsika amin’ny Fihaonambe koa ny fananganana ny Trano Fiangonana ao Befasy Morondava (izay isan’ireo Kaomina 407 mbola tsy misy fiangonana FJKM), efa nalefa aty amintsika VPL sy VFL ny valopy fandraisantsika anjara amin’izany Asa Masina izany koa manantena ny fiarahantsika mientana satria io Fiangonana io no kendrena koa ho tsangambaton’ny faha 40 taonan’ny Sampana Fivondronana Laika amin’ny taona 2019. Amporisihana koa ny Laika mba handray anjara mavitrika amin’ny hetsika rehetra momba izany eny anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany ary ny Foibe FJKM.

Mahakasika ny orinasa LOHARANO SFL (microfinances) dia isaorana ny Tompo fa  efa nosokafana tamin’ny fombam-piangonana izy io tamin’ny 06 Mey 2017 lasa teo, efa tafapetraka tamin’ny volana aprily 2017 ny taratasy fangatahana rehetra ka amin’ny volana septambra ho avy izao no handinihan’ny CSBF (COMMISSION DE SUPERVISION BANCAIRE ET FINANCIERE) sy antenaina hahazoantsika ny fahazoan-dàlana momba izany, dia samy hitondra am-bavaka io asa lehibe io izay hanehoantsika ny asam-panafahana entin’ny Fiangonana eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Misokatra ho antsika vahoakan’Andriamanitra rehetra ny fandraisana anjara amin’ny “actions” izay 100 000Ar ny iray.

Ety am-pamaranana dia mampahery ny Vahoakan’Andriamanitra rehetra mba hanana fanantenana hatrany manoloana ny fahasarotan’ny fiainana sy ny fahalovana misy ankehitriny, vanim-potoana sarotra tokoa kanefa izao indrindra no tokony hanehoantsika fa izay manana an’Ijesoa Kristy ka manaiky iasan’ny Fanahy Masina dia mahajoro sy maharesy mandrakariva araka ny Rom. 8/37 manao hoe “kanefa amin’izany rehetra izany, dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’ilay tia antsika”. Dia hanana fiainam-bavaka hatrany isika Laika ary haneho mandrakariva amin’ny ataontsika rehetra fa momba antsika ny Tompo Jesoa ary miasa ato anatintsika Izy amin’ny alàlàn’ny Fanahiny Masina.

Dia manantena ny fahatongavantsika maro any amin’ny Fihaonambentsika ary samy hazoto hatrany isika eo amin’ny fanefana ny adidy samihafa enti-mampandroso ny Sampana Fivondronana Laika efa niantsoana sy nametrahan’ny Tompo antsika.

Dia mampahery sy manao veloma finaritra ny Fiangonana sy ny Vahoakan’Andriamanitra FJKM rehetra, ary maniry indrindra ny hitoeran’ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’I Jesoa Kristy ho antsika rehetra.

Amin’ny Anaran’ny Birao Foibe SFL

Ny Filoha

RADAVIDSON ANDRIAMPARANY  Benjamin

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV