FMBM / Nisy vokany ny ezaka

Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy ( FMBM)VAOVAO  MAHAFALY

Misy vokany ankehitriny ny ezaka fanarenana natao Tsy niraviravy tanana akory ireo mpiasa eo anivon’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) nanoloana ny fotoan-tsarotra nandalovany tato anatin’ny herintaona izao. Miezaka manao izay ho vitany izy ireo mba hanarenana ny toe-draharaha ao aminy ary dia manomboka mody ventiny ankehitriny ny rano nantsakaina.Vokatry ny ezaka dia efa mandeha miandalana izao ny fandoavana ireo trosa samihafa tsy maintsy hefain’ny Fikambanana. Afaka nitohy hatrany ihany koa ny asa fandikan-teny izay anisan’ny vaindohan-draharahany. Vita ary natolotra ny 23 Septambra lasa teo ny Famoahana Andrana amin’ny Baiboly Fandalinana izay ho fitaovana sarobidy ho an’ny olona mampianatra, mianatra sy mandalina ny Soratra Masina.Ankoatra ireo, vokatry ny fiaraha-miasany amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-tany sy amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly rahavavy any Korea Atsimo, dia nahatonga vokatra vaovao ny FMBM, ka Baiboly miisa 53.000 no tonga ankehitriny, amin’ny fiteny samihafa, ho an’ny sokajin’olona rehetra, ary amin’ny vidiny takatry ny olona. Misy karazany maro ireo Baiboly atolotry ny FMBM ho an’ny mpanjifa : Baiboly tsotra, Baiboly fanao am-paosy, Baiboly teny Malagasy sy Anglisy mitambatra, Baiboly misy fizahan-teny, Baiboly ho an’ny ankizy, sns.Ireo vokatra ireo dia azo vidiana ao amin’ny trano foibe FMBM ao Ampasampito, ao amin’ny Trano fivarotam-boky Trano Ifanomezantsoa Analakely, sy any amin’ireo masoivohon’ny FMBM rehetra manerana ny Nosy. Misy fihenam-bidy manokana koa amin’ny vokatra sasany amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.Nohamafisin’ny Tompon’andraikitry ny Fikambanana, fa hitohy hatrany ny asa famokarana sy fanafarana Baiboly mba hiatrehana ny fanambin’ny fitoriana ny Filazantsara amin’izao vanim-potoana ankehitriny izao sy ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.R.Ph 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV