Alahadin’ny SEFALA 2023

ALAHADIN’NY FIANTSOANA 31 DESAMBRA 2023

  • Fitarihan-teny
  • Fiarahabana Apostolika
  • Sal :145,1-4
  • Hira: 67
  • Vavaka
  • Sitrapon’Andriamanitra
  • Hira :71:1,4
  • Fiaiken-keloka
  • Hira: 70:1,2
  • Famelan-keloka
  • Hira :73:1,2
  • Fanekem-pinoana
  • Filazan-draharaha
  • Rakitra
  • Hira Antoko Mpihira
  • Soratra Masina
  • 5mn ho an’ny ankizy sy ny tanora
  • Hira: 68:1,3
  • Vakiteny:Isa.26,11-15;Jao.14,12-14;Efe.1,1-16
  • Hira: 79
  • Toriteny
  • Vavaka Fangatahana
  • Hira: 80:1,3
  • Tsodrano

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amen.

                                HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA! 

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

TORITENY

Perikopa: Isa.26, 11-15; Jao.14, 12-14; Efes.1,1-6

LOHA-HEVITRA :  ANKALAZAO NY MPAMONJY 

                Ny hoe: “ Fankalazana”, dia fomba iray, izay entin’ny mpino manandratra an’Andriamanitra noho ny fahatanterahan’ny asa, izay nataony teo amin’ny mpino Azy ka anisan’izany ny nahatanterahany ny asam-pamonjena tamin’ny Nanomezany ny Zanany Lahitokana ho antsika, izay mino Azy.

Koa manao ahoana àry izany Kristiana mankalaza ny Mpamonjy izany?

NY KRISTIANA MANKALAZA NY MPAMONJY, dia:

1- Noho ny fitahiany izay tanteraka teo amin’ny mpino (and.3).                                                            

Isika, ry Havana, dia vao avy nankalaza ny andro nahaterahan’ny Tompo tamin’ ny andro “ Krismasy” lasa teo ka izany indrindra no hasehon’i Paoly Apostoly eto ankehitriny , izay nilazany hoe: “ isaorana anie Andriamanitra, Rain’I Jesoa Kristy Tompontsika, izay nitahy antsika…( and.3a). Ny fihevin’i Paoly Apostoly, manoloana ny olana sedrain’ny mpino dia tsy afa-manohitra izany ny olona ka mila manankina fiainana amin’Andriamanitra. Ary izany fiheverany izany no nahatonga azy nilaza io teniny io.

Ry Havana, tsy toy izany tokoa ve ny fiainantsika ankehitriny raha jerena amin’ny fomba tsotra satria toa samy mihazakazaka manafaka ny tenany avokoa ny olona, ao ny misahirana mitady vola be mba hiadanana, ao ny mitady voninahitra mba te-ho hajaina, sns… moa ve nahavaha ny olana teo amin’ny fiainany izany? Tsarovy fa ny hafatry ny Tompo tamin’ny mpaminany Jeremia, dia nilaza fa: “antsoy aho dia hovaliako ianao… (Jer.33,3); ny tiany holazaina amin’izany dia izao: tsy misy famonjena tanteraka raha tsy avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, araka ny Teniny ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona, Jao.8,36, manao hoe: “Koa raha ny zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo”.

 Noho izany dia miantso anao ny Tompo ankehitriny mba hanakinanao ny fiainanao eo Aminy ka ahafahany hitahy anao, araka ny Teniny manao hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanani-lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy” (Jao.3, 16).

2-Noho ny nifidianany antsika ho Kristiana (and.4)

Mialoha ny andron’ny Tompo dia ny Jiosy ihany no voalaza fa fanaka voafidy (nantsoina hoe: vahoakan’Andriamanitra) satria tsy mba an’isany ny jentilisa fa ny fahatongavan’i Jesoa Kristy teto an-tany, izay nanova ny tantara no nahafahany nifidy ny jentilisa ho zanak’ Andriamanitra ihany koa. Ary izany indrindra no nahatonga an’i Paoly Apostoly eto sahy nilaza fa: “araka ny nifidianany antsika tao Aminy,..”. Milaza izy eto fa Andriamanitra no nifidy ny olona tao Efesosy ho tonga ho Kristiana.

Ry Havana, ny Efesiana no ambaran’i Paoly  Apostoly eto fa nofidn’Andriamanitra ho olony fa ankehitriny kosa dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny Izy ka mampahatsiahy ihany koa fa efa olom-boafidiny isika, araka ny Teniny ao amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona, Jao.15,16, manao hoe: “ Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo…”; izany hoe: safidin’Andriamanitra no nahatonga antsika ho Kristiana ka noho izany dia ekeo sy ankatoavy izany safidin’Andriamanitra eo aminao izany.

3-Noho ny nananganany ny mino ho Zanany (and.5).

Ny fisian’ny “Batisa” no hamarinan’Andriamanitra ny mino izay ho zanany. Izany dia nosantarin’Andriamanitra teo amin’i Jesoa, araka izay voasoratra ao amin’ny Filazantsara araka an’i Matio, Mat.3, 17b, manao hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako”. Ka noho izany dia avy amin’ny alalan’ny Batisa no nahatanteraka ny fananganan’anaka, izay nataon’Andriamanitra ho an’ny mpino. Ary izany asan’Andriamanitra izany no nahasahian’i Apostoly Paoly nilaza eto fa: “rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavany isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesoa Kristy… (and.5a).

Ry Havana, izao hafatra nentin’i Paoly Apostoly izao indray no entina mampahatsiahy fa ianao dia Zanak’Andriamanitra tamin’ny nanaovana Batisa anao ka tokony hiaina sy hivelona ain’izany ianao satria izany no mahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra aminao, araka ny Teniny ao amin’ny Isaia mpaminany, manao hoe: “… ary ny Zanako sy ny asan’ny Tanako dia aoka ho adidiko ihany (Isa.45, 11b).

Ka noho izany dia tsarovy ny nandraisanao batisa satria izany no nahatonga anao ho zanak’Andriamanitra.

                   Ny voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany!

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRA

Ry havana,

                    Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

                    Ny SeFaLa Foibe FJKM dia miray fo amintsika rehetra ny amin’ny fahafahana namarana indray ity taona 2023 ity.Miarahaba antsika noho ny fahatrarana ny Fetin’ny Krismasy 2023 sy izao andro Alahady natokana hitrotroana am-bavaka sy hizarana ny fiainana mbamin’ny asan’ny SeFaLa ary ho fanohanana azy amin’ny endrika hita maso,toy ny fanaovana rakitra manokana izao.

                    Hiditra taom-piasana vaovao indray isika.Tsaroana sy hita fa mihamaro ny olona manolotena sy mahatsiaro ny antson’Andriamanitra ka manaraka ny fiomanana any anivon’ny SeFaLa SP .Etoana dia raisinay tompon’andraikitra ho adidy ny mampahafantatra sy mampatsiahy antsika rehetra , indrindra fa ho anareo tompon’andraikitry ny SeFaLa SP sy ny mpampianatra ary ny mpianatra rehetra fa:

  • Efa nivoaka avokoa  izao ny boky vaovao  T1Iombonana,T1 Mpitoriteny,T2 Mpitoriteny sy ny T3 Katekista . Marihina fa ny SeFaLa Foibe no namoaka ireo boky ireo .
  • Efa nivoaka toy izany koa ny boky lesona vaovao T1,T2 Mpiomana ho Mpiandry izay nankinina tamin’ny Foibe SaFiF ny namoaka ny boky .Marihina fa ireo boky ireo no ampianarina sy anaovana fanadinana manomboka izao .Ny boky rehetra ivelan’ireo dia natao ho tohana sy fanovozan-kevitra ihany sisa.

    Mampahery antsika rehetra hiatrika ny fiainana sy ny fijoroana ho vavolombelona eo anivon’ny firenena .Farany ,mirary antsika rehetra hahatratra ny taona vaovao 2024. Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’ilay Tompon’ny fiantsoaAmin’ny anaran’ny Birao Foibe SeFaLa.

Ny Filoha SeFaLa Foibe:                                                           Ny Tale Nasionaly SeFaLa

RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpit                  RABELAZA Honorat Ratsimbason,Mpit

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………..                                                                                                   

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV