Alatsinainy 05 Septambra 2022

ASAN’NY APOSTOLY 20.17-24

« nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko ,mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra « (and24)

Ny aina sy ny fanompoana

Efa fantatry ny kristiana tsara fa tsy moramora mihitsy akory izany fanarahan-dia ny Tompo izany, satria na Izy Tompo aza dia niatrika zava-tsarotra sy mafy .Araka ny fanambarana izay hita ao amin’ny filazantsara dia nahatonga ny fahafoizany ny ainy mihitsy ny iraka nampanaovina azy .Efa niteny izany rahateo Izy fa tahaka izany koa no tsy maintsy arahan’ny mpanara-dia Azy marina (Mat 16.24) .

Tsy maintsy mifidy

Raha mifidy ny aina , izany hoe: mitandrina ny aina , manao izay hahasoa ny aina dia ho votsotra ny asa fanompoana satria amin’ny alalan’ny fahafoizana ny aina no hahavitana ny asa fanompoana .Raha misy kosa mifidy izay hahavita ny asa fanompoana , ankilan’izany dia tsy ho voatana mihitsy ny aina tahaka an’i Jesoa Kristy fa izany no nahavitany ny asa fanompoana nanirahana azy.

Ho an’i Paoly manokana dia mazava be mihitsy ny safidiny teo amin’ny ainy sy ny fanompoany , satria hoy izy hoe : tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko .Izany hoe: foiny koa ny ainy mba ho fanarahany ny Tompo Andriamanitra . Nisy nahavita izany koa ireo maritiora malagasy , araka izay ambaran’ny tantara .

Fanontaniana :

Azo atao ny mahafoy ny aina hahavitana ny fanompoana. Maritiora maro no efa nahavita izany . Mbola misy ve izany ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 04 Septambra 2022

JONA 3.1-10

1– Nitory teny tao Ninive i Jona

Milaza izay nanirahan’Andriamanitra azy sy nitorian’iJona teny ho an’ny mponina tao Ninive ny and 1-4 . Tanàna lehibe i Ninive tamin’izany fotoana izany , kanefa dia tanàna Jentilisa ka manana izay fiheverany izay andriamanitra tompoiny .Noho izany dia heverina hoe : tsy mba afaka misitraka ny famindrampo sy famelan-keloka avy amin’Andriamanitra mpahary izao rehetra izao izy ireo .Tsy izany mihitsy anefa ny hevitr’Andriamanitra , satria Izy dia maneho fa Andriamanitr’izao tontolo izao .Izay rehetra mino sy manaiky ary mankato Azy dia heveriny avokoa izay hahasoa azy. Teto dia naniraka an’i Jona Izy mba hanehoana ny tsy fanavahany na iza na iza mihitsy fa indrindra raha mibebaka tokoa ny olona .

2-Nisy vokany ny fitoriana natao :nibebaka ny Ninivita

Ny and 5-9 dia mampiseho ny fibebahana faobe notanterahan’ny mponina rehetra tao Ninive, rehefa nandre ny asa fitoriana nataon’i Jona izy ireo . Tena mahavariana ny faharesen-dahatry ny olona rehetra ka nanekeny avy ahtrany hanatanteraka izany fibebahana izany ary hevero fa miavaka tokoa ny finoany an’Andriamanitra sy ny fanekena ny heriny , satria firenena Jentilisa izy ireo , nefa nino fa eo an-tànan’Andriamanitra ny hery sy ny fahefana handrava na tsia an’i Ninive ka dia resy lahatra izy ireo ary nibebaka hatramin’ny olona izay heverina ho ambony indrindra ka hatramin’ny biby fiompy mihitsy aza.

3-Mamela heloka Andriamanitra

Aseho eto fa tsy Andriamanitra masiaka tsy azo ivalozana sy tsy azo ifampiraharahana akory Izy , ary tsy manavaka na iza na iza koa izay rehetra mibebaka marina tokoa dia henoiny .

Fanontaniana:

Mila mibebaka koa ve ny firenena Malagasy ? Hain’ny Malagasy ve izao nataon’ny Ninivita izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 03 Septambra 2022

KOLOSIANA 1.21-29

1-Maty hamonjy ny olona i Jesoa Kristy

Voalaza eto fa taloha dia mpanao ratsy ny olona rehetra , manao hevi-dratsy mandrakariva .Izany no andaniany ny androm-piainany .Hamarino amin’ny toe-javatra misy ankehitriny anie izany fa tena marina tokoa ary matoa efa nambaran’i Paoly izany dia izany mihitsy no fanaon’ny zanak’olombelona .Noho izany , dia lasan-ko babo azy izy , izany hoe: lavitra an’Andriamanitra (tsy misy mpiteny ,tsy misy mpananatra ,tsy misy mpiraharaha fa manao izay heveriny eo fotsiny .Hany ka manaotao foana.Tsy navelan’Andriamanitra tamin’izao fotsiny anefa ny olona fa nitadiavany vaha-olana tamin’ny nanolorany an’i Jesoa ho faty ho azy ireo , ka rava ilay elanelana nisy teo amin’Andriamanitra sy ny olona , izany hoe : levona ny maha-mpanao ratsy sy ny fananana fisainan-dratsy .Tsy fahavalon’ny Tompo intsony ny olona fa efa mihavana Aminy kosa ,ary noraisiny ho madio sy tsy manan-tsiny eo imasony .Tena zava-dehibe araka izany ny fitiavan’Andriamanitra nanao sy nihevitra izay hahatsara ny olona ilay halany teo aloha , nefa nekeny ho havany kosa ankehitriny .Inona kosa anefa no anjara adidy sy andraikitra ,na mety lazaina koa hoe : toetra tsy maintsy takiana amin’ny olona mba hahazoana antoka ny fiainany izany fitiavan-dehibe nasehon’Andriamanitra azy izany ?

2-Takiana haharitra amin’ny finoana ny olona

Nambara amin’ny hoe : maharitra amin’ny finoana araka ny hita eto dia ny fananana finoana mafy orina sady tafatoetra tsara ,izany hoe : tsy mora mihilangilana fa miorina tsara araka ny Filazantsara efa notoriana sy mbola iainana mandrakariva.

Fanontaniana:

Ho an’iza ny famonjen’i Jesoa Kristy ? Ary misy toetra takiana amin’izay efa novonjeny ve?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 02 Septambra 2022

ISAIA 62.1-5

Rehefa dinihana tsara ity Isaia 62 ity dia ho hita fa naverin’ny mpanoratra ato amin’ny ankapobeny ny zavatra efa nolazainy sy nanirahan’ny Tompo azy ao amin’ny toko faha-61 sy 62 . Natao izany satria misy zavatra tiany hiraikitra tsara mihitsy ao an-tsain’ny olona .Diso hevitra mantsy ny olona satria lasa mandray an-tendrony fotsiny tamin’izay nataon’Andriamanitra izy ireo .Koa indro Izy manao izany famerenan-teny izany , izay azo antoka fa hahasoa ny olona .Nahavita nanome tsiny Azy mantsy ny olona noho ny fiheverany fa tsy mety miditra an-tsehatra mihitsy mamaha olana , na koa mijery fotsiny zava-tsarotra mihatra aminy ny Tompo .Hasehon’ny Tompo kosa anefa eto amin’ny alalan’ny mpaminany Isaia fa :

1-Handroso tokoa ny voninahitr’ i Jerosalema (and 1-3)

Voalaza eto hoe : « tsy hangina Aho akory fa hihetsika mba hanasoa an’i Ziona » ary ny hoe: « tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema dia izao tsy ho tafatoetra amin’izao fotsiny Aho , tsy ho tafandry mihitsy raha tsy tonga amin’izany mahatsara azy i Jerosalema . Araka izany , tena mihevitra izay hahasoa sy hampandroso ny olona Andriamanitra fa tsy araka ny fahadisoan-kevitra sy fitsaran’olona fotsiny .

2-Hiverina ny fifandraisam-pifankatiavana (and4-5)

Izao ny teny eto : »tsy nafoy » , izany hoe tsy nariana , tsy noraharahaina intsony ianao ary ny taninao tsy ho lao (tany efitra tsy azo ampiasaina) fa atao hoe : vady ampakarina kosa . Averina ilay fifandraisana lalina sy tanteraka eo amin’ny olona sy Andriamanitra toy ny lehilahy mpampakatra vady ka fatoran’ny fifankatiavana sy ny fiheverana ny fiainan-ko avy ho tanteraka .

Fanontaniana:

Misy ve ireo mihevitra fa tsy manampy ny olona akory Andriamanitra ? Ahoana no hampaherezana azy ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Teny soa mahafaly


Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana any amin’ny fahavalo

Jona 3.1-10

Tena sarotra sy manahirana indrindra ity iraka nampanaovina an’ i Jona ity, satria fahasahiranana roa sosona. Ny voalohany dia ny hoe : mandehana mitory ny Filazantsara amin’ny olona tsy fantatra, izany dia efa manahirana, fa ny tena loza faharoa dia tsy mba namana na havana na mpiray Firenena no hitoriana fa ny fahavalo dia tsy iza izany fa ny Asyriana , izay nampijaly sy namono ny Israely, ary I Ninive no renivohiny . Kanefa ny soratra Masina kosa dia milaza fa mikeleza aina amin’ny asa fitoriana any amin’ny fahavalo.

1- Na dia andaniam-bola izany (and 1-4)

« Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, dia làlana hateloana. 4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna làlana indray andro ka nitory hoe : Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive« . (and3)

Tena efa volabe no lanini’I Jona tamin’ity iraka nampanaovina azy ity. Teo aloha ny vola laniny nandeha nandositra an I Jehovah izay nandoavana saran-dàlana lafo dia lafo satria niainga avy any Israely izy no nandoa vola nankany Tarsisy ( Espana ankehitriny), izay firenena roa mifanalavitra be, fa rehefa naverin’ I Jehovah tamin’ny tafiotra sy ny trondro vaventy izy dia voatery tsy maintsy mbola nandoa vola be faharoa ihany koa, satria raha làlana avy any Israely mankany Ninive izay any Iraka ankehitriny , satria làlana 1 000 km mahery izany. Ary satria I Ninive dia tena tanàna lehibe dia lehibe dia tsy maintsy mandeha làlana hateloana aloha vao afaka mamakivaky sy manavatsava izany tanàna izany; ary matoa I Jona nahavita nandeha namaky ny tanàna nandritra ny indray andro manontolo dia nisy fampiasam-batana natao tao izany hoe : mandeha tongotra indray andro izany dia tena tsy mora, fa azo antoka fa mbola nandany vola nanakaramana olona nampiantrano, tsy maintsy nividy sakafo sy rano tany an-tanin’olona sns. Tena azo antoka fa vola be dia be no lany tamin’izany kanefa tsy nahoan’I Jona izany. I Jesoa koa rahateo tsy nitandro vola aman-karena nandeha nitety ny tany rehetra hahazoan’ny olona famonjena . Tena maro be ny Malagasy no mandany vola sy hery mba ho any andafy, na io handeha hizaha tany, na hitsabo tena ,na hianatra na hiasa na handraharaha na hitady vady vazaha. Fa vitanao ve ny mitady vola handehanana any Frantsa na India na Chine na Arabia sns mba hitory ny Filazantsara? Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana na dia amin’ny fahavalo aza.


2- Famonjena ho azireo izany (and 5 -10)
 
« Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny làlany ratsy sy ny fandozana eny an-tànany avy izy rehetra. 9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika? 10.Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny làlan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany. » (and8,9,10)

Teny mahagaga sy mahavariana sy tsy nampoizina mihintsy ny fihetsika nataon’ireto mponina tao Ninive ireto izay tena mpanompo sampy , satria vahiny izay resiny indray no tonga avy any mitabataba ao an-tanàna milaza hoe :ho ravana I Ninive afaka efa-polo andro . Dia nino sy nibebaka mafy izy reo .Ny mahavariana dia izao : tsy ny vahoaka tsotra ihany no nino izay nolazain’ I Jona, fa hatramin’ny mpanjaka faratampony tamin’ny hery sy ny fahefana sy ny voninahitra dia namoaka didy mihitsy mba hibebahan’ny rehetra sy hiala amin’ny ratsy . Ary ny fibebahan’ireto mponina tao Ninive ireto dia tena ohatra tsara , ary na I Jesoa aza dia mitantara ny mahatsara sy ny maha- hafa ny fibebahan ‘izy ireo. (Mat 12.41)

Iza no tena heverinao fa tena fahavalonao eto an-tany? Olona ao an-trano ihany ve sa fianakaviana sa mpifanolo -bodirindrina sa mpiara-miasa sa manam-pahefana sa vahiny sa mpanao politika sa iza ? . Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana any amin’ny fahavalo.

Pasteur NDRIANJA Andrianaharijaona

Alakamisy 01 Septambra 2022

ROMANA 16.25-27

Fantatsika tsara fa ny hoe: « zava-miafina » dia zavatra tsy fantatra satria miafina na saro-pantarina .Misy teny ampiasaina eto manao hoe : voafina hatry ny fony fahagola .Ny tiana hambara amin’izany dia tsy hoe: tsy haseho na iza na iza mihitsy ilay zava-miafina .Tsy izany fa izao : misy planin’Andriamanitra momba ny fitondrany famonjena sy fanavotana ny olona izay efa voaomany , efa maty paika , saingy mbola tsy nambara aloha ,mbola tsy naseho mihitsy izany planina izany , satria misy planina koa ny fanehoana azy .Raha niteny izao Jesoa hoe : « mbola tsy tonga ny fotoako » (oh : Jao 7.8) dia tena fanajana ilay zava-miafina mbola tsy haseho indrindra izany .

2-Fa efa naseho kosa ny zava-miafina ankehitriny

Araka ny didin’Andriamanitra kosa anefa dia tsy maintsy haseho izany fa tsy afenina mandrakizay akory ary haseho amin’ny alalan’ny soratry ny mpaminany izany (ny Epistily eo am-pelatànan’ny kristiana rehetra nosoratan’ny mpanompon’Andriamanitra izany ) .Nampahafantarina izany izay rehetra tokoky hahafantatra ary ny tanjona dia hahatonga ny olona hino an’Andriamanitra ary handray ny làlam-pamonjeny ao amin’i Jesoa Kristy . Ambaran’ny Epistily àry fa tanteraka tamin’ny alalan’i Jesoa kristy ny zava-miafina ary indro ampahafantarina izany ny fiangonana .Koa noho izany , antsoina ny olon-drehetra , ny jentilisa sy ny Jiosy mba handray ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ka tsy maintsy misy fampihavanana sy fampiraisana ny olon-drehetra izany ao amin’ny vatana iray dia ny an’i Kristy ary koa milaza ny faneken’ny firenena rehetra ny fahefan’i Kristy izany .

Fanontaniana :

Isan’izay nanehoana ny zava-miafina ve ianao? Ahoana no hiainanao zany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha/ Aog 22

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


K’aza reraka manofana,
aza ketraka miofana!
Fa mila olona voatefy
Mahalala izay hatao
‘ty vina lehibe ity!
Ary any am-piofanana
Dia ataovy maty paika
Ny paikady hoenti-miasa
Aoka hajanona am’izay
Ny fiofanana andaniana
Vola be sy hery be
Nefa zara misy vokany.
Fa ny fanofanantsika
Asio vokatra azo raisina,
tena vokatra mivaingana,
ka ireo olona avy niofana,
hahitana fiovana
sy ho afaka manova
ny tontolo niaviany
Ka ireo olona avy niofana,
hanan-javatra mazava
hoenti-mody sy hiasana
Ka ireo olona avy niofana
Ho hita miavaka tokoa
Fa tsy sanatrian’ny vava
Hoe nandeha nizaha tany,
na variana naka rivotra,
fa nanovo aina vao
ary izany no voan-dalana!
Dia ho to ny vinantsika:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA 
!


IRAKO AMMI

CETA/Job application form

Job Application form

Position applying for:

Would you consider other posts besides the one you have listed above? (Please circle)   Yes    /     No

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………

The All Africa Conference of Churches (AACC) is an equal opportunities employer and is committed to diversity amongst its staff and does not discriminate in hiring or terms and conditions of employment because of an individual’s disability, marital status, age or gender. Due to the nature of the work and purpose and ethos of a Christian mission organisation, it is a genuine occupational requirement that the job holder be a Christian.

General notes:

  • Applications after the closing date will not be considered.
  • Receipt of all applications will be acknowledged and applicants will be notified on whether they have been selected for an interview as soon as possible after the closing date.

Please submit the following:

  1. Dully filled application form.
  2. Application / Cover letterof not more than two (2) pages stating your reasons for wanting to work with the AACC, as well as your main qualifications and alignments with this specific role.
  3. Curriculum Vitae.
  4. Copies of academic and professional certificates and transcripts.
Section 1 – Personal Particulars
Surname First Name 
Full Name (as in Passport) 
Full address 
Mailing address, if different 
E-mail address 
Mobile Phone No. 
Other Contact No. 
Date of Birth Citizenship 
Marital StatusSingle/Married/ Divorced/Widowed/ Others:………………Number of children 
Hobbies 
Section 2 – Church Membership 
Name of Denominational Church 
Are you ordained?YES                         NONumber of years as member of this church:
Section 3 – Educational Background

Please list from the highest qualification.

QualificationName of Institution& CountryFull/Part-time& On-campus/RemoteFrom Mth/YrTo Mth/Yr
     
     
     

Other course(s) currently pursuing (if any)

QualificationName of Institution & CountryFull/Part-time; & On-campus/ RemoteFrom Mth/YrTo Mth/Yr
     
     
Section 4 – Employment History

      Please start with your most recent employment

Position HeldEmploying OrganisationCountryFrom Mth/YrTo Mth/Yr
     
     
     
     
     
     
Section 5 – Current Professional Membership
Position HeldProfessional Institution/BodyCountryFrom Mth/YrTo Mth/Yr
     
     
     
Section 6 – Personal Disclosure
Have you been discharged or dismissed from the service of your previous employers? If yes, please give details: YES☐     NO☐
Have you been convicted in a court of law in any country or any ongoing legal proceedings? If yes, please give details:YES☐     NO☐
Have you ever been declared a bankrupt? If yes, please give details:YES☐     NO☐
Please indicate any considerations that would affect your acceptance of the job:    

Section 7–Character References

Please note that any job offer is subject to satisfactory references. References will be sought for shortlisted candidates.  Please name 3 referees who have worked closely with you in the last 5 years and who can comment on your work ethics and leadership ability. One of the references must be your current or most recent employer.

 NameEmail addressRelationshipYears Known
     
     
     

Section 8 – Declaration

I hereby declare that all the particulars/information given herein are true and correct and I have not wilfully suppressed any material facts. I hereby give consent to collection, use and disclosure of my personal data by the AACC (or its agents) for the purpose of the processing and administration by the AACC relating to this attached job application. 

Signed: …………………………………………………. Date: …………………………………

NOTE: Any false declaration or withholding of information will render you to disqualification and if appointed, to a dismissal – without notice and compensation – and/or appropriate legalproceedings. 

Please submit the completed form to the General Secretary via the email address below:

admin@aacc-ceta.org

.

Ady amin’ny Herisetra

NY ADY AMIN’NY HERISETRA

ao amin’ny fiombonan’ny mino…

Re etsy sy eroa amin’ny vaovao misy ao amin’ny fiarahamonina ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Ao amin’izany tontolo izany no manontany tena isika fiombonan’ny mino, manao hoe misy andraikitra tokony ho raisin’ny fiangonana ve amin’izany tontolon’ny herisetra izany, sa hialangalana satria fiarahamonina izao tontolo izao izany?

Ny Deotoronomia 30:15-20 dia mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jehovah ny amin’ny fifidianana ny fiainana dia ny ho tia an’i Jehovah ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy fa izany no fiananao. Ny mifanohitra amin’izany, ny fo mivily ka tsy mihaino, dia mahatonga fandringanana, tsy ho maro andro. Noho izany, TSY MAINTSY MIROTSAKA MAMPIHENA NY HERISETRA NY MINO ao amin’ny fiangonana satria tokony homena ny hajany ny olona tsirairay izay noforonin’ Andriamanitra. Tsarovy fa samy manana fanomezam-pahasoavana hoenti-manompo ny hafa isika, mba hahatanteraka ny tanjon’Andriamanitra tamin’ny nahariany antsika.

Satria tia antsika Andriamanitra, dia manao ny sitrapony isika amin’ny fitiavana Azy amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra, ny herintsika rehetra ary ny  tenantsika rehetra ary koa fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ny Fiangonana dia mitory sy mampihatra ary miaina izany sitrapon’Andriamanitra izany. Noho izany, raha atao hoe asa atao tsy fanajana ny hafa ny herisetra dia, mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fanaovana ny herisetra amin’ny vehivavy sy ny zazavavy.

Mila mitandrina isika amin’ny fifandraisana aman’olona mba tsy hanao herisetra noho ny fahefana mety ananantsika tsirairay avy (oh: zokiny indrindra, zandriny indrindra, mpitarika vondrona, lehiben’ny orinasa, manana mari-pahaizana ambony…)

Ho fampiharana izany rehetra izany, dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tovovavy ny Mpitondra fivavahana ao amin’ny Fiangonana.

Vololona Andriamitandrina Randriamanantena,

Mpitandrina

INERELA+ Madagascar, WCC/ EHAIA

Finoana miabo mandray andraikitra.Finoana tsara amin’ny asa.