Ady amin’ny Herisetra

NY ADY AMIN’NY HERISETRA

ao amin’ny fiombonan’ny mino…

Re etsy sy eroa amin’ny vaovao misy ao amin’ny fiarahamonina ny herisetra amin’ny endriny rehetra. Ao amin’izany tontolo izany no manontany tena isika fiombonan’ny mino, manao hoe misy andraikitra tokony ho raisin’ny fiangonana ve amin’izany tontolon’ny herisetra izany, sa hialangalana satria fiarahamonina izao tontolo izao izany?

Ny Deotoronomia 30:15-20 dia mampahatsiahy antsika ny tenin’i Jehovah ny amin’ny fifidianana ny fiainana dia ny ho tia an’i Jehovah ka hihaino ny feony sy hifikitra Aminy fa izany no fiananao. Ny mifanohitra amin’izany, ny fo mivily ka tsy mihaino, dia mahatonga fandringanana, tsy ho maro andro. Noho izany, TSY MAINTSY MIROTSAKA MAMPIHENA NY HERISETRA NY MINO ao amin’ny fiangonana satria tokony homena ny hajany ny olona tsirairay izay noforonin’ Andriamanitra. Tsarovy fa samy manana fanomezam-pahasoavana hoenti-manompo ny hafa isika, mba hahatanteraka ny tanjon’Andriamanitra tamin’ny nahariany antsika.

Satria tia antsika Andriamanitra, dia manao ny sitrapony isika amin’ny fitiavana Azy amin’ny fontsika rehetra sy ny saintsika rehetra, ny herintsika rehetra ary ny  tenantsika rehetra ary koa fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika. Ny Fiangonana dia mitory sy mampihatra ary miaina izany sitrapon’Andriamanitra izany. Noho izany, raha atao hoe asa atao tsy fanajana ny hafa ny herisetra dia, mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fanaovana ny herisetra amin’ny vehivavy sy ny zazavavy.

Mila mitandrina isika amin’ny fifandraisana aman’olona mba tsy hanao herisetra noho ny fahefana mety ananantsika tsirairay avy (oh: zokiny indrindra, zandriny indrindra, mpitarika vondrona, lehiben’ny orinasa, manana mari-pahaizana ambony…)

Ho fampiharana izany rehetra izany, dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fampihenana ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tovovavy ny Mpitondra fivavahana ao amin’ny Fiangonana.

Vololona Andriamitandrina Randriamanantena,

Mpitandrina

INERELA+ Madagascar, WCC/ EHAIA

Finoana miabo mandray andraikitra.Finoana tsara amin’ny asa.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV