Hafatry ny Filoha/ Aog 22

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


K’aza reraka manofana,
aza ketraka miofana!
Fa mila olona voatefy
Mahalala izay hatao
‘ty vina lehibe ity!
Ary any am-piofanana
Dia ataovy maty paika
Ny paikady hoenti-miasa
Aoka hajanona am’izay
Ny fiofanana andaniana
Vola be sy hery be
Nefa zara misy vokany.
Fa ny fanofanantsika
Asio vokatra azo raisina,
tena vokatra mivaingana,
ka ireo olona avy niofana,
hahitana fiovana
sy ho afaka manova
ny tontolo niaviany
Ka ireo olona avy niofana,
hanan-javatra mazava
hoenti-mody sy hiasana
Ka ireo olona avy niofana
Ho hita miavaka tokoa
Fa tsy sanatrian’ny vava
Hoe nandeha nizaha tany,
na variana naka rivotra,
fa nanovo aina vao
ary izany no voan-dalana!
Dia ho to ny vinantsika:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA 
!


IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV