Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona maha Mpitandrina an’Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja mivady – Filohan’ny FJKM teo aloha
Ho fankalazana, ho fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra dia am-pifaliana no anasana antsika mpianakavin’ny finoana ho Tonga amin’ny fanompoam-pivavahana ho fankalazana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona maha Mpitandrina an’Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja mivady, izay Filohan’ny FJKM téo aloha.
Tanterahina ao amin’ny FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA ny Alahady 30 Novambra 2025 manomboka amin’ny 2 ora 30 ny fotoana.
Ho voninahitr’Andriamanitra ny fahatongavanao sady ho fampaherezana ny mpanompony.

