Filatsahan-kofidiana ho Talen’ny Sampanasa FFP FJKM
Filatsahan-kofidiana ho Talen’ny Sampanasa FFP FJKM
- Mpitandrina voatokana vita fiofanana tamin’ny TPM FJKM na Faculté de Théologie eken’ny FJKM.
- Manana ny mari-pahaizana Maitrise en Théologie farafahakeliny.
- Efa niasa 10 taona teo amin’ny sahan’ny FJKM farafahakeliny.
- Manaiky sy manaja ny Foto-Dalana sy Fitsipika FJKM ary ny Fitsipika Fototra sy ny Fitsipika Anatiny mifehy ny Sampanasa FFP Foibe..
- Mahafchy ny teny malagasy ary tenim-pirenena hafa (Frantsay. Anglisy…)
- Tia manoratra sy manao asa fikarohana. Tombony kokoa ny efa nahasoratra boky.
- Manaiky hanatsara ny fari-pahaizana sy ny fari-pahalalana ananany.
- Marin-tokatrano raha manambady ary tsara fitondrantena raha tsy manambady
- Mahay mifandray amin’olona.
- Tsara toe-pahasalamana
- Mahay mikirakira informatika tsara
TARATASY ILAINA AMIN’NY FIROTSAHANA
Ny taratasy firotsahana dia ahitana ireto antontan-taratasy manaraka ireto:
– Taratasy maneho ny fahavononana hanao nu asa (Lettre de motivation)
– Taratasy milaza ny momba ny tena miaraka amin’ny sary (CV)
– Taratasy fanolorana avy amin’ny Ambaratonga mpiahy (Synodamparitany, Foibe)
FARA-FANDRAISANA NY ANTONTAN-TARATASY: 30 may 2025 aterina mivantana ao amin’ny Biraon’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana (TDF), Varavarana 212, Rihana faha-2, Foibe FJKM.
FANAMARIHANA: Raha tapitra ny fe-potoana firotsahana ka tsy misy antotan-taratasy filatsahan-kofidiana tonga na nisy fa tsy nahafeno ny fepetra takiana dia ny Biraon’ny Sampanasa FFP no manatona sy manolotra izay olona heveriny fa tokony hanao ny asa.
Nv Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana
ROBSON RADO Lalaina Johary Mpitandrina
Ny Filohan’ny Sampanasa FFP.
RAKOTOMANANA Tahiry, Mpitandrina
