faha-200 Taona Sekoly Protestanta


Notokanana ny tsangambato any Imerimandroso

 
Tontosa ny talata 24 Oktobra 2023 ny fitokanana ny tsangambaton’ny faha-200 taonan’ny sekoly FJKM tany Imerimandroso Ambatondrazaka, Synodamparitany 05. Anisan’ ireo antom-bavaky ny FJKM ny
fahatanterahan’izany asa goavana izany. Fotodrafitrasa no naorina tany an-toerana ho fanofanana mpampianatra ambaratonga I
Toby nisy ireo misionera fahizay izany toerana izany. Nomena anarana hoe : »SeFaMpa » na Sekoly Fanofanana Mpampianatra izy io ankehitriny, hoy Rtoa RAKOTONDRANAIVO Domoina, Tonian’ny Departemantan’ ny SekolyFJKM. Trano lehibe misy efitra 13 no naorina. Tanjona ny hananan’ ny FJKM,mpampianatra manana traikefa,hoy ihany izy, ary ho tsara kalitao ny fampianarana atolotry ny FJKM. Hisy seha-piofanana hifanindran-dàlana amin’ity any Imerimandroso Ambatondrazaka ity ihany koa any Fihaonana. Atoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina, izay filohan’ny komitin’ny faha-200 taonan’ny ekoly FJKMkosa dia nanamafy tamin’ny fotoam-pitokanana fa mbola hitohy ny ezaka atao ho amin’ny fampitaovana ny trano.Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ ny fiangonana presbyteriana Amerikana sy ireo sakaizan’ny FJKM any Etazonia .isaorana koa izay manolo-tànana amin’ izany.
Ny Filohan’ny FJKM , Rev. Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, kosa no nitondra ny hafatr’
Andriamanitra avy tamin’ny Jakoba 5.7-8.Miasà amin’ny fitiavana, miasà amin’ny finoana ary miasà amin’ny fanantenana toy izay ataon’ny mpamboly” no hafatra ho an’ny  Kristiana mandra-piavin’ny Tompo. Izy ihany koa no nitarika ny fitokanana ny trano sekoly, ary nanokatra ny taom-pianarana 2023-2024 izay natao tany amin’ny FJKM Ambohimiangaly taorian’ny fampianarana  izay nentin’ny Mpitandrina RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa mahakasika ny:  » fanabeazana FJKM, mamolavola fotodrafitra olona vanona » ny takariva. 


Fanokafana ny taom-pianarana 2023-2024 
Fanompoam-pivavahana nialohavan’ ny diabe niombonan’ ny solotenan’ny mpianatra FJKM manerana ny nosy no nanombohana izany. Ny solotenan’ ireo Raiamandreny foibe FJKM no nitarika izany ny marainan’ny Alarobia 25 Oktobra 2023.  Tamin’ izany no nanendrena sy nanirahana ireo talem-paritra 8  ary nankasitrahana  kosa ireo Talem-paritra 2 handeha nisotro ronono nahavita be teo amin’ny fanabeazana ny taranaka. Nirosoana koa ny fizarana mari-pankasitrahana ho an’ ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinana ara-panjakana, ny fankasitrahana ireo mpampianatra  ary ireo sekoly mendrika. 
Ny Biraon’ny K.I.S. na ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly avy ao amin’ny foibe FJKM koa dia  nanome fankasitrahana ny fari-piadidiam-pampianarana nahavita adidy rehetra manerana ny nosy. Ary efa nivoaka tamin’io fotoana io koa ny Diarin’ny taom-pianarana 2023-2024. 

Veronica A.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV