Fiaraha-miasa Sekoly /DM Suisse

Fiaraha- miasan’ ny Departemanta Misionera Suisse sy

ny Departemantan’ny Sekoly FJKM. 

Projet Inter’Est – Camp Humanitaire, Mananjary 2023

   Natao ny 24 Jolay hatramin’ny 05 Aogositra 2023 teo tany Mananjary ny  andiany faharoa tamin’ny « Projet Inter’Est », izay fiaraha-miasa teo amin’ny Fondation Grenolier  l’Association régionale Inter’Est  sy ny Département Missionnaire Suisse miaraka amin’ny Foibe fitondran-tsekoly  FJKM ary ny STK-Hay Kanto ao amin’ny Fitandremana  Ankadifotsy. Tetik’asa izay nentina nanampiana ny Sekoly LP FJKM Tsiatosika any Mananjary synodam-paritany Mananjary Pangalana izao Tetik’asa izao. Nahitana teratany vahiny 7 mianadahy nanatanteraka ny iraka. Tanjona 2 lehibe no napetraka tao anatin’ izao asa  natrehana izao hoy Andriamatoa Rabemanajara Rija, tomponandraikitry ny fifanakalozana ara-kolosaina ao amin ‘ny fandaharana fanabeazana FJKM/DM. Tanjona ara-panabeazana dia ny fanazarana ireo mpampianatra sy mpianatra hiteny frantsay nandritry ny fotoana nivahinianana tany. Ka tamin’ny alàlan’ ny lalao maro samihafa sy akiteny no nanatanterahana izany. 

Fa teo koa ny tanjona fotodrafitrasa izay nandraisana anjara mivantana tamin ‘ny asa tàna-maro niandahy niambavy tamin’ny fanorenana trano izay kasain’ ny LP FJKM Tsiatosika ho vita mialoha ny fidiran’ny taom-pianarana 2023-2024 izao. Eo koa moa ny tanjona  fifanankalozana ara- koltoraly amin’ny fihaonan’ny firenena sy faritra samihafa toa itony. 

Azo ambara ho tratra ny tanjona fohy ezaka hoy izy. Ny tanjona lavitrezaka dia ny fitohizan’ny fanjohiana ny asa natao amin’ny taona ho avy ary hanohizana ireo mbola kinasa dia ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ ireo tanora Hay Kanto FJKM Ankadifotsy sy ireo tanora DM Suisse sy ny any amin’ny sekoly LP Tsiatosika. 

   Raha tsiahivina dia tany Manakara no nanatanterahina ny andiany voalohany tamin’ity tetikasa ity ny 11 – 31 Jolay 2022. Isan’ireo tanjona tamin’izany  ny fanatsarana ny sekoly iray tao Manakara tamin’ny alalan’ny  fandokoana sy fametrahana herinaratra. fampianarana, fanentanana ireo ankizy tao amin’ny Sekoly.

Veronica A

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV