Alahadin’ny Sekoly 2023

Fandaharana Fanompoampivavahana

Litorjia Endriny faha-3

  1. HIRA FANEVAN’NY SEKOLY FJKM “IANAREO NO FAHAZAVANA”
  2. FIARAHABANA APOSTOLIKA :
  3. FANATREHANA AN’ANDRIAMANITRA
    -Salamo 100
    -HIRA : 267
    -Vavaka fiderana
  4. FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
    -5 minitra ho an’ny ankizy sy ny tanora
    -HIRA 205 : 1,2
    -Vavaka fangatahana ny fitsilovan’ny Fanahy Masina
    -Vakiteny
     Sal 66 : 8-12
     Jao 8 : 1-11
     Asa 16 : 25-34
    -HIRA 179 : 1-3
    TORITENY
    -Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana
    -HIRA 417 : 2-3
  5. FAMELAN-KELOKA
  6. FANEKEM-PINOANA APOSTOLIKA
  7. ASA VAVOLOMBELONA
  8. VAVAKA FANGATAHANA ( Isan’ny entina am-bavaka ny FJKM sy ny Sekoly
    FJKM ary ny asa Fanabeazana ataon’ny Fiangonana)
  9. ASAN’NY FIANGONANA
    -Raharaham-piangonana
    -Raharahan’ny Sekoly
    -Famakiana ny hafatry ny Foibe Fitondran-tsekoly
    -Rakitra
    -Hira 787 na hiran’ny Sekoly
    -Vavaka fanolorana ny rakitra
  10. FAMARANANA
    -HIRA FF 39
    -TSODRANO
    -TRINITE
    Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
    Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.Amena.

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA AVY AMIN’NY FOIBE FITONDRAN-TSEKOLY FJKM


Isaorana Andriamanitra noho ny fitantanany ny fiainan’ny Sekoly FJKM indrindra ny
amin’izao Alahady hitrotroana amim-bavaka izao.
Isaorana ny Filohan’ny FJKM sy ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Mpiandraikitra
Foibe ny amin’ny fiheverana ny amin’ny Sekoly. Isaorana manokana ireo mpikambana eo amin’ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM izay miaramihevitra hatrany ny fampandrosoana ny Sekoly sy ny fiarahana manatratra ny VINA ka manao ireo ezaka rehetra hanatrarana ny TANJONA. Maneho fankasitrahana feno ireo Prezida Synodaly,ireo Talem-paritra, ireo Mpitandrina, ireo Talentsekoly sy ireo mpiara-miasa rehetra ny amin’ireo ezaka hampandrosoana ny Sekoly any ifotony. Tolorana fisaorana ihany koa ireo Ray amandreny izay nisafidy hampianatra ny zanany ato amin’ny Sekoly FJKM ary mahatoky ny Fanabeazana atolotry ny FJKM. Isaorana ireo Mpiombonantoka samihafa izay manohana ny asan’ny Sekoly. Isaorana ireo Fitandremana rehetra manerana ny Nosy miara-miombona amin’izao Alahady Nasionaly izao ka mitrotro amim-bavaka ary manohan ny asan’ny Foibe Fitondrantsekoly amin’ny alalan’ny rakitra. Miroso hatrany isika amin’ireo fanatrarana ny VINA sy ny fanatrarana ny TANJONA. Manamafy hatrany ny fifamatoran’ny Fiangonana sy ny Sekoly : Ny fifanohanana amin’ny alalan’ny 2%ny tetibola ho an’ireo fitandremana na manana sekoly na tsia.
Fanatanterahana ireo Alahady hitondrana amim-bavaka ny TALE FPMP eny anivon’ny Synodamparitany, ny Tale eo anivon’ny Fitandremana , misy ihany koa ny natokana ho an’ireo Mpampianatra.
Fananganana Sekoly ho an’ireo Fitandremana eny anivon’ny Synodamparitany ho fijoroana vavolombelona
Manamafy ihany koa ireo asa iombonantsika eto anivon’ny Sekoly :
Fanatanterahana ny adidy eny anivon’ny FPMP indrindra ny eo anivon’ny Foibe.
Fanatanterahana ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly KIS.
Fandraisana anjara amin’ireo fandaminana omen’ny Foibe sy ny FPMP toy ny
fiofanana sy ireo fanatsarana hatrany ny Fanabeazana atolotry ny FJKM. Miroso hatrany ihany koa isika ny amin’ny fampiatiana ireo zaza tra-pahasembanana antsekoly amin’ny alalan’ny Tetikasa Mahay any amùin’ireo FPMP efa manatanteraka izany.
Farany, mampahery sy mivavaka ho an’ireo zandry, zanaka hanala ny fanadinam-panjakana
sy ireo fanadinana samihafa amin’ity taom-pianarana 2022-2023.

Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY SEKOLY
Ramatoa, RAKOTONDRANAIVO Domoina.


TORITENY


“IORENAN’NY FAHAFAHANA NY TOMPO”

Salamo 66. 8 – 12
Indraindray tokoa avelan’Andriamanitra hisedra olana sy handalo fitsapana mahamay ny
mpanompony mba hizahan-toetra azy ho toy ny volamena voasedra. Na i Joba izay mpanompon’
Andriamanitra marina sy mahatoky izay nandalo fahoriana lalina, na i Davida nenjehin’i Saoly dia
samy nandalo ny sekolin’ny fizahan-toetra avokoa. Ny fiafaran’ny tantaran’ireo olona roa ireo dia
fahombiazana, fandresena, fiadanana. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : angaha tsy
azon’Andriamanitra sakanana ny fahoriana sy ny olam-piainana nefa Izy dia tompon’ny hery ?
Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no mazana misedra zava-tsarotra sy zava-manahirana
kanefa toa mitazam-potsiny Andriamanitra manoloana ireny ? Inona no kendren’Andriamanitra
amin’ny itondrany antsika hiatrika fizahan-toetra ?
Ireto valiny roa ireto no ho raisintsika mba hifampaherezana manoloana ny fiatrehantsika ny
fizahan-toetra :

  1. SEKOLY ANABEAZAN’ANDRIAMANITRA ANTSIKA NY FIZAHANTOETRA (and.10-12)
    Tsara ny manamarika fa i satana no maka fanahy satria ny zava-kendreny dia ny
    hamandrika sy handavo ny mpanompon’Andriamanitra tsy miorina tsara amin’ny finoany.
    Andriamanitra kosa dia mizaha toetra ny mpanompony mba hahitan’Andriamanitra fa tena
    manana finoana mafy orina tsy azo hozongozonina ny mpanompony, nefa koa tena ho hita sy
    tsapa ary azo porofoina ny fahamasinana sy ny fahadiovan’ny mpanompony ho toy ny volafotsy
    sy volamena voasedra. Izany indrindra no nahatonga ny mpanao Salamo hiteny hoe : « Fa efa
    nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy
    amin’ny memy
    ». (and.11). Tsarovy fa sekoly ny fiainana ary fomba fanabeazana
    anabeazan’Andriamanitra antsika ny fahoriana sy ny olana laovan’ny mpanompony. Fanadinana
    tsy maintsy atrehina kosa ny fizahan-toetra mba hirosoana amin’ny zotram-pandrosoana eo
    amin’ny fiainana. Andriamanitra mihitsy no mamela antsika hiatrika ireny zava-tsarotra sy ny ady
    mafy eo amin’ny fiainana ireny ho fitaizana sy fanabeazana ary hanefena antsika ho olom-banona
    araka ny voalazan’ny mpanao Salamo hoe : « Efa nampiditra anay tamin’ny fandrika Hianao; efa
    nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao. Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay
    Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay »
    (and.11-12b).
    Koa ekeo sy ankatoavy ary atreho am-pitiavana sy am-pahatokiana ny fizahan-toetra
    asain’Andriamanitra lalovantsika. Mety ho mafy tokoa ary mila tsy ho zaka izany indraindray,
    kanefa tsarovy fa tsy hamela antsika ho irery ny Tompo ary ho raisiny an-tanana ny adintsika
    araka ny voalaza hoe : « Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina » (Eks.14 :14). Ny
    fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana no toky sy hery ho antsika fa isika koa dia ho mpandresy
    tahaka azy. I Paoly rahateo dia efa niteny hoe : « Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na
    anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na
    ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika
    amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika
    » (Rom.8 :38-39)

  1. NY FANABEAZANA ATAON’ANDRIAMANITRA DIA MIKENDRY FIAINAM-PITAHIANA (and.9,12)
    Voalaza eto amin’ity Perikopa ity fa : « …fa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana
    mahatretrika Hianao »
    (and.12d). Izany hoe na dia mandalo fizahan-toetra mahamay aza ny
    mpanompon’Andriamanitra dia Andriamanitra mihitsy no handray an-tanana ny fiainany ka
    hitondra ny mpanompony hisitraka ny fitahiana. Endriky planin’Andriamanitra hitondra ny
    mpanompony ho amin’ny tanjom-pandresena mazava ny voalazan’ity andininy faha 12d ity. Ny
    fitahiana dia azo adika ho « fanomezana » na « tsodrano » omen’Andriamanitra maimaim-poana
    ho an’ny olony izay namindrana fo sy ampisitrahany fandresena. Ny teti-panabeazana
    ataon’Andriamanitra dia mikendry ny hananantsika fiainana tsara sy mirindra, feno fitahiana sy
    fahasoavana ary fiadanana lavorary. Ny faratampon’ny fiadanana omen’Andriamanitra dia ny
    fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay izay atolony ny mpanompony.
    Tena mafy tokoa ny ady maro natrehin’i Davida teo amin’ny traikefam-piainany. Niady
    tamin’i Goliata izy ary nandresy, nenjehin’i Saoly i Davida ary nofofoiny hatramin’ny ainy fa
    tonga teo amin’ny seza fiandrianany izy taty aoriana. Ny tsiambaratelon’ny fandresen’i Davida ny
    fahavalony dia ny fiombonany sy ny fahatokiany an’Andriamanitra na amin’ny mora na amin’ny
    sarotra.
    Koa ho tanteraka amintsika mpanompon’Andriamanitra misedra fizahan-toetra tokoa anie ny
    tsodrano : « Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. Hatolotr’i Jehovah ho
    resy eo anoloanao ny fahavalonao, izay mitsangana hiady aminao, ka lalana iray no hivoahany
    hanatona anao, fa lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanao. Handidy ny fitahiany ho
    aminao Jehovah amin’ny fitoeram-barinao sy izay rehetra ataon’ny tananao, ka hitahy anao Izy any
    amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao
    » (Deo.28 :6-8).
    Ny Sekoly FJKM dia manabe ny beazina ao aminy ho tonga olom-banona miaina ny
    fiadanana sy ny fitahiana avy amin’Andriamanitra. Koa matokia ry fianakaviamben’ny Sekoly
    FJKM fa raha ampandalovin’Andriamanitra fizahan-toetra isika dia vonona ny hanolotra antsika
    fitahiana mahatretrika koa Andriamanitra, mba hiainantsika ny fiadanana maharitra.
    FEHINY : Mahalala ny hevitra iheverana antsika Andriamanitra, dia hevitra mitondra
    fiadanana fa tsy loza (Jer.21 :11). Koa na mandalo fitsapana sy sedra ary fizahan-toetra aza isika
    dia tsarovy fa raha matoky sy mino isika ary mahay mametraka ny adintsika amin’Andriamanitra
    dia azo antoka fa hivoaka ho mpandresy hatrany. Amin’izao fiainana sarotra iainantsika eto
    amin’ny firenena izao, manoloana ny fiatrehana ny fahantrana, ny olana samihafa, ny loza
    amin’atambo manambana dia aoka isika hanana faharetana sy fiaretana hiandrandra ny fandresena
    atolotr’Andriamanitra antsika. Mahereza fa havoakan’Andriamanitra amin’ny fitahiana
    mahatretrika isika. Ry Mpanabe sy beazina ao amin’ny Sekoly FJKM manerana ny Nosy, meteza
    hiaritra ny haharitra amin’ny fiatrehana ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana. Tsy any an-dakilasy
    ihany no misy fanadinana fa eo amin’ny fiainana manontolo. Enga anie ho mpandresy hatrany
    isika, ary tsarovy fa momba antsika Andriamanitra.

RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa, Mpitandrina
Aumônier Nasionaly Sekoly FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV