Alakamisy 30 Novambra 2023

Apokalypsy 20.11-15

Amin’ny andro farany dia samy mbola ho tsaraina araka ny asany avy ny olona.

Nampahitana an’i Jaona izay toe-javatra mbola tsy nitranga hatramin’izao fa amin’ny fitsarana farany. Nasehon’Andriamanitra azy ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny olona rehetra mijoro manoloana ny fitsarana amin’izany fotoana izany. Sokafana ny boky ka vakiana avokoa eo ny asa nataon’ny tsirairay tety an-tany. Izay tsy voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiainana dia atsipy ao anaty farihy afo. Ety an-tany dia maro ny olona minia tsy mahafantatra fa Jesoa Kristy no Mpanjaka… Kanefa na dia izany aza, ho avy ny andro farany dia ho fantany izany. Hoy i Jesoa «Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony.» (Mat.12,36). Hoy koa ny voalazany hoe: «izay nanao tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana.» (Jao.5,29). Samy mbola hotsaraina avokoa ny olona rehetra, koa aoka samy atao am-piheverana na ny teny avoaka na ny asa atao eo amin’ny fotoana omen’Andriamanitra ahavelomantsika.

Fanontaniana :

Ho avy indray amin’ny voninahiny i Jesoa Tompo, efa vonona ho amin’izany ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Novambra 2023

MATIO 25.31-46

Manaova ny tsara !

1-Mba ho isan’ny mpandova ny fanjakan’Andriamanitra (34-40)

Finoana ao an-tsain’ny olona ny hoe:« hanao asa soa aho mba ho voavonjy » .Tsia ! fa fahasoavana sy finoana ihany no maha-voavonjy .Matoa ny olona iray manao asa soa sy asa tsara rehetra dia satria tsara ny Andriamaniny .Ary izay manana toetra tsara no mahay manao ny tsara,satria asa fanaon’ Andriamanitra tsara izany .Ka na dia ireo rahalahiny olombelona mitovy aminy aza dia hasoaviny .Ny Andriamaniny mantsy tia sy miantra olona ,dia mba manahaka izany koa ny ataony .

2-Mba tsy ho very any amin’ny afo maharitra mandrakizay (and45-46)

Ny devoly dia tsy tia ny olombelona izany, na dia manome vola ho an’ny olona aza izy.Ny tambin’ny vola omeny dia fahaverezan’ny fanahin’ilay olona mandray.Raha tia ny olombelona izy dia mikendry ny hahavoavonjy azy. Mazava ho azy fa izay zanaky ny devoly dia tsy manam-pitiavana ,tsy mahay manao asa soa maimaimpoana .Na dia manao asa soa aza ny devoly dia tsy maintsy misy valiny sy tambiny ary tiany hatao mpanompo sy andevoziny izay mandray ny asany .Hoy ny voasoratra : »izay tsy tia tsy mba mahalala an’Andriamanitra « (1Jao 4.8)

Fanontaniana:

Efa nanasoa olona ve ianao? Inona no antony nanosika anao nanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Mofo/Desambra 2023

DATYTENY HOVAKIANA
01Salamo 30.1-12
022 Mpanjaka 19.8-19
03Jaona 17.1-5
04Asan’ny Apostoly 4.13-22
051 Tantara 16.4-14
06Jaona 13.31-35
07Asan’ny Apostoly 13.44-48
08Salamo 34.1-10
09Eksodosy 15.11-18
10Matio 21.15-17
111 Jaona 4.7-21
12Salamo 8.1-9
13Jaona 4.31-42
14Hebreo 2.10-18
15Isaia 12.1-6
16Salamo 147.7-20
172Samoela 22.47-51
18Isaia 29.13-21
19Matio 5.13-16
20Daniela 4.25-34
21Romana 15.7-12
22Salamo 57.7-11
23Efesiana 1.1-6
24Salamo 113.1-9
25Matio 2.1-12
26Lioka 1. 46-56
27Isaia 11.1-10
28Romana 11.33-36
29Galatiana 4.1-7
30Isaia 26.11-15
31Jaona 14.12-14

Hafatry ny Filoha / Nov 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Rehefa injay ianao manaiky
Hino marina ny Tompo
Ka hiova tompo anio,
ka i Jesoa no tena Tompo
manapaka ny fiainanao,
fa tsy hoe ny vola intsony,
izay imatesan’ny olo-maro
iankohofana isan’andro
ka tsy mampaninona azy
na voahosy am-paladia
aza izany hoe fahamarinana,
ka tsy mampaninona azy
na dia sanatrian’ny vava
hisy aza aina afoy;
fa ny vola, vola ihany,
vola foana, vola hatrany
no hany masaka ao am-pony
tompo tokana tompoiny.
Ianao kosa, niova tompo
Raha nandray an’i Jesoa.
Ary ianao no miaramilan’
Fandrosoana tena izy
Ilain’i Madagasikara.
Ianao no afaka hahatontosa
Izao vina mamintsika izao:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Talata 28 Novambra 2023

LIOKA 2.8-12

Jesoa Kristy , Vaovao mahafaly ho an’ny olona rehetra

1-Mitondra fifaliana ho an’ny olona rehetra

« Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra » (and 10b). Anjely irak’Andriamanitra no nilaza io teny io tamin’ny mpiandry ondry.Hatrany hatrany dia lohalaharana amin’ny fifaliana sy ny fahasambarana ny olona ambony ,ny manam-pahaizana ,ny avo lenta sy kalitao amin’ny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy,kanefa eto dia tsy izany ihany no manana anjara fifaliana fa ny olona rehetra tsy ankanavaka.Ny sokajin’olona heverina ho ambany ,ny mahantra ,ny malahelo ,ny iva razana ,ny iva lenta sy kalitao amin’ny ara-batana sy ara-tsaina ary ny ara-panahy , izany hoe : ny kilemaina ara-tsaina sy ara-batana. Hoy ny teny ao amin’ny Gen 12.3b hoe : »Ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany ».Tsara ny Tompontsika . Ao Aminy no andraisantsika fitahiana.« 

2-Mitondra famonjena ho an’ny olona rehetra

« fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tànan’i Davida dia Kristy Tompo » (and11).Mila famonjena avokoa ny olombelona rehetra na manao ahoana na manao ahoana fiainany sy ny fahalalany .Tokana ny làlam-pamonjena dia iJesoa Kristy irery. Izy irery no vahaolana eo amin’ny fiainana manontolo.Raha tsaroantsika ireo miaramila niady nandritra ny ady lehibe ,rehefa tonga ny andro Krismasy dia nitsahatra aloha ny ady. Famonjena ho an’ireo voageja i Jesoa kristy .

Fanontaniana:

Tsy tsikaritrao eo amin’ny firenena ,eny fa na dia mijery lavitra aza ,fa mitondra fifaliana sy famonjena ho an’ny vahoaka rehetra ny Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Novambra 2023

Filipiana 2. 12-18

1- Maniraka ny Fiangonana Andriamanitra (and 13)

Raha najoron’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fiangonany dia manana ny tanjony amin’izany Izy dia ny hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra. Ary izany tokoa no tokony ho antom-pijoroan’ny fiangonana ankehitriny. Koa aoka samy hanao izany.

2- Ny Kristiana manaraka fandaminana no iarahany miasa hahatanteraka io iraka io (and 12, 14-15)

Ireto Filipiana ireto dia olona tena mahafinaritra tokoa satria manaja fandaminana, ary tsy mba nanahirana an’i Paoly mihitsy fony mbola teo amin’izy ireo i Paoly (and 12). Ary na dia tsy teo intsony aza i Paoly dia mbola nitohy ihany izany fankatoavana izany satria fiainana anaty vokatry ny Tenin’Andriamanitra, toetra tsara, milafika tao an-tsainy sy ny fony. Mbola ampirisihana aza izy ireo mba hanohy ny asa fanompoana amin’ny tsi-fimonomononana. Io dia mila fankatoavana omen’ny rafitra izay mampimonomonona ny ankamaroan’ny Kristiana. Andriamanitra dia miara-miasa amin’ny olona manaja fandaminana. I Jesoa Kristy dia Zanaky ny Avo indrindra, kanefa nanaiky ny fanapahana izay nisy tamin’izany, teo amin’ny ara-pivavahana sy ny fanjakan’ny tany. Ary tsy maty Izy raha tsy nanankery taminy ny fahefan’ny tany. Ny fahafatesany anefa no nitondra famonjena ho antsika.

Fanontaniana:

Mora sa sarotra aminao ny manaiky ny rafitra eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, ara-panjakana, ny ankohonana, ny toeram-piasana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 26 Novambra 2023

Isaia 40.9-11

Tokony ho faly ny olon’Andriamanitra, satria ho avy Izy hanangona ny ondriny

« Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka ; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valinasa homeny dia eo anoloany.» (and. 10) Olona tsy mieritreritra intsony ny hiverina any an-tanindrazany fa efa niorim-ponenana tanteraka tany Babylona no indro anambarana ny fahafahana ankehitriny, fa afaka miverina any an-tanindrazana. Any amin’ny tany Babylona no iandrasan’ny Tompo azy ka hanomezany ny Teniny ho toy ny vilona mahavelona azy. Ohatra ihany no niantsoana azy ho toy ny ondry ary Jehovah no mpiandry. Ny zava-mahafinaritra anefa dia ilay voalazan’i Davida ao amin’ny Salamo 23. 6 hoe: «Fahasoavana sy famindrampo no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra iainako, dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho».

Ry havana, raha Jehovah no Mpiandry antsikadia afaka miaina ao anatin’ny fahasoavana isika . Manaraka amin’ny andro rehetra iainana ny fahasoavana tena izy raha mbola eto an-tany aza izany!

Fanontaniana:

Ekenao tokoa ve fa ao amin’Andriamanitra no misy ny fiainana ary ao amin’i Jesoa Kristy izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM