Antso ho Misionera FJKM

Masontsivana takiana

Mpandray Fanasan’ny Tompo FJKM va ianao ?

Vonona hanolo-tena ho Misionera ?

  • Misionera hamaky lay amin’ny saha vaovao any amin’ny Synodamparitany
    sy an-tanàn-dehibe,
  • Misionera hanamafy ny fitoriana Filazantsara any amin’ireo
    Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka efa mitsangana,
    Tongava manatrika ny fanombohan’ny fiofanan’ny MISIONERA andiany faha-4 :
  • Ny ALATSINAINY 02 ka hatramin’ny ZOMA 06 OKTOBRA 2023
    ao amin’ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY isaky ny atoandro
    amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora
  • Ny SABOTSY 07 OKTOBRA 2023 any amin’ny ivotoeran’ny MFEE
    Ivato, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, fiofanana momba ny
    fambolen-kazo sy ny tontolo iainana
    Manatòna mandray ny andinindininy sy misoratra anarana ao amin’ny Foibe
    FJKM trano Ifanomezantsoa Analakely varavarana 212.

« Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka »Isa 40/31

Perikopa 2025

Jolay: OLOMBOAANTSO NY MPINO

| | 06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25

| | 13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25

| | 20. Ala. V man. Trinite - S. Fivondronana Laika
Amo. 7. 10-15 | Mar. 10. 46-52 | Gal. 1. 11-17

| | 27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025