SP 15/Marirano B.

FJKM Marirano Betlehema

NAHAVITA TETEZANA LEHIBE SY TSARA

Ao amin’ny SP Atsimon’iarivo Miray no misy azy. Efa hiditra amin’ny faha 140 taona niorenany ity Fiangonana azo lazaina ho kely ity. Nefa dia nahavita tetezana mitentina 200 tapitrisa ariary eo ho eo izy ireo. Tonga nitarika izany Fitokanana izany ny solontenan’ny Birao Foiben’ny FJKM, ny Sabotsy 12 Aogositra 2023 lasa teo..

MAHAZATRA


Fandre sy fahita ny Fiangonana manao sekoly, toeram-pitsaboana, sns. Ao ny manitatra trano Fiangonana, na manorina hafa vaovao mihitsy. Ity SP ity rahateo dia efa manana fitaizana manao trano Fiangonana goavana tokoa. Fa ity FJKM Marirano Betlehema ity dia nifidy ny hitahiry io haben’ny trano hatramin’ izay ity.

Tsy zava-baovao koa ny manao trano vadim-piangonana. Efa manana ny azy ity Fiangonana ity. Fa hafa mihitsy kosa ny hoe nanamboatra tetezana lehibe ny Fiangonana. Tsy dia fandre loatra mihitsy kosa izany. Heverina fa tsy asan’ny Fiangonana izany, raha jerena ny zava-bitan’ny Fiangonana mahazatra.

Manana Zanaka Ampielezana mafana fo sy tia tanindrazana ity Fiangonana ity. Tao anatin’ny herintaona mahery teo no nanaovany izao asa goavana izao.
Tsara entana tokoa ny rehetra,, izay notarihan’ny komity. Koa izao no bainga voavadika. Nampahery azy koa ny mpitondra ao amin’ny SP misy azy.

FILAZANTSARA SOSIALY

Filazantsara sosialy no mahalaza an’izao asa miavaka vitan’ity Fiangonana ity izao. Zavatra ahitan’ny mpiara-belona rehetra tombontsoa mivantana.

  • Afaka mifandray haingana sy mivezivezy ny any an-toerana sy ny zanaka ampielezana.
  • Misy tombony ara-pihariana sy toekarena koa izao.
  • Ary tsy takona afenina ny Tombontsoa ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana, vokatry ny fahakaikezan’ny lalana.

Fijoroana vavolombelon’ny fahasoavan’ Andriamanitra tafapaka any anaty fiarahamonina izao. Porofo fa ao amin’ny Fiangonana ny loharanon’ny Fampandrosoana, ny otrikery hamokarana bebe kokoa. Satria manana olona tsara taiza amin’ny finoana sy asa ity Fiangonana ity.

Tsy mihidy anaty rindrina efatra ity Fiangonana ity, araka izany, fa tena mahay tokoa namaly ny filan’ny mpiara-belona. Ary izany no dikan’ny tenin’ny Soratra Masina voasoratra eo ambony alitara : « Ary eto no hanomezako Fiadanana, hoy i Jehovah ». Fiadanana zaraina ho an’ny mpiara-belona, mba hovonjena izy (1 Kor 10:33)

A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM