SP 37 /Tatitry ny famangiana


TATITRY NY DIA SY NY FITSIDIHANA

SP VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA SP 37

( 21 MEY – 17 JONA 2023)



– Ny Alakamisy 01 Jona 2023: namangy ny FJKM FILADELFIA MEAUX ILE DE France,
izay misy ny Mpitandrina TIANDRAY MAHANDRY.
– Ny Zoma 02 Jona 2023 : namangy ny FJKM FILADELFIA MEAUX ILE DE France,
izay misy ny Mpitandrina TIANDRAY MAHANDRY.
Ny Zoma 02 Jona 2023 : Nampiofana ireo Biraon’ny Fiangonana sy ny Biraon’ny Sampana ary Sampanasa ny FJKM Wagner sy ny manodidina.
Ny Sabotsy 03 Jona 2023: Nampiofana ireo Diakona sy Loholona ny FJKM Wagner izay nitokana nandritry ny tontolo andro ny tenako.
Ny Alahady 04 Jona 2023 : Nitoriteny sy nitarika ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-10 taona ny FJKM STRASBOURG. Nisy asam-pifohazana tamin’izany izay betsaka ireo kristiana manatrika izany. Mpitandrina roa sy Mpiandry roa izahay no nanao ny asam-pifohazana. Nisy hatrany ny fampianaram-pinoana izay nataoko ho an’ny Fiangonana.Ny Mpitandrina RAJAONAH Lalaina izay Mpitandrina manohy fianarana no miahy izany Fiangonana izany.
-Ny Alatsinainy 05 ka hatramin’ny alarobia 07 Jona 2023: nankany Wittemberg sy Berlin,namangy ireo kristiana FJKM Stuttgart Fahazavana, any an-toerana sy ireo nijery toerana manan-tantaran’ny Fiangonana. Ny Mpitandrina RAHANDRIFENOSOA Tahina mivady sy ny zanany no nandray ahy tao an-tokantranony nandritry ny 3 andro izay nanaovana asam-piangonana. Marihina fa manohy fianarana sy manomana Doctorat izy mivady.
-Ny Alakamisy 08- 11 Jona 2023: Tany Genève Suisse.
-Ny Zoma 09Jona 2023: Nihaona tamin’ny DM Suisse, Mme PRISCILLE ny tenako,nandinika ny asan’ny DM Suisse miaraka amin’ny Fiangonana FJKM sy ny Sekoly FJKM izahay.
Ny Sabotsy 10 Jona 2023: Nanao fampianarana tamin’ny Fiangonana GLAND Suisse ny Mpitandrina RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa (BMF) sy ny tenako ( Lohateny : FJKM et missiologie interculturelle en Europe / Eglise en développement, pour la promotion de la Mission; perspectives et enjeux)
– Ny Alahady 11 Jona 2023: Nanao fanompoam-pivavahana fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny FJKM Gland Suisse (2007-2022). Ny Mpitandrina RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa (BMF) no nitoriteny, ary ny tenako no nandray anjara fitenenana sy ary nandray ny tsangambato faha-15 taona dia ny: TRANOKALA OniFRa FJKM, vola mitentina CHF 1600.
– Ny Alatsinainy 12 Jona 2023: dia nihaona tamin’ ny Sekretera Jeneraly EPUDF Pasteure Spohie ZENTZ- AMEDRO sy ny Pasteur ULRICH RUSEN WEINHOLD ( Chargé des relations internationales). Navoitra tamin’izany ny fifalian’izy ireo hiara-hiasa amintsika FJKM sy ny hanamora sy hanampy ny fahatongavan’ireo Mpitandrina FJKM voatendry hiasa aty amin’ny SP 37. Ny Mpitandrina RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa (BMF) sy ny tenako ary ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves, Filohan’ny Synodamparitany SP 37.
Ny Alatsinainy hariva rehefa avy nihaona tamin’ireo EPUDF izahay, dia tafahoana tamin’ireo Biraon’ny FPMA rehetra aty France, noraisin’izy ireo tao amin’ny efitano misy ny biraony izahay, ary dia niresaka amim-pirahalahiana sy niaraka naka sary ary nisotro kafe sy rano velona.
-Ny Talata 13 Jona 2023: dia nihaona tamin’ny Président FPF (Fédération Protestante de France), Pasteur CHRISTIAN KRIEGER sy ny Sekretera Jeneraly FPF, Pasteur JEAN RAYMOND STAUFFACHER izahay dia: Ny Mpitandrina RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa (BMF) sy ny tenako ary ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves, Filohan’ny Synodamparitany SP 37. Naniry ho mpiara-miasa amin’ny FPF isika ary noraisin’izy ireo am-pifaliana izahay, efa naniry fatratra ny hiara-miasa amintsika izy ireo satria fantatray, hoy izy ireo, ny FJKM eto Frantsa sy any Madagasikara. Niroso ny dingana fa vonona handray antsika ho mpikambana izy ireo, ary alefa haingana araka izay azo atao mialohan’ny 26 Jona 2023 ny fangatahantsika, fa hivory ny Biraon’ny FPF aorian’ny 26 Jona. Hanampy antsika izy ireo amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fahatongavan’ireo Mpitandrina notendrentsika.
-Ny Talata 13 Jona : Fihaonana tamin’ny Biraon’ny Synodamparitany SP 37, nifampizara vaovao sy ny tanjona aoriana.
-Ny Alarobia 14 Jona 2023: Nanao fampianarana ho an’ny Fiangonana FJKM MONTROUGE PARIS, izay Mpitandrina RAFALINIRINA Lalao Angèle no Mpitandrina ao amin’ izany Fiangonana izany.Nanao fampianarana ho an’ny Fiangonana FJKM ZIONA VAOVAO PARIS ny tenako. Ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis no Mpitandrina izany Fiangonana izany. Marihina fa zoom avokoa ireo ary mandritry ny ora iray ny faharetany.

  • Alakamisy 15 Jona 2023 atoandro : Fihaonana tamin’ny FJKM Souppe sur Loing ILE DE France, Mpitandrina ANDRIAMIALY ANDRY CHRISTIAN no miahy izany.
    Ny Alakamisy 15 Jona hariva nanomboka tamin’ny 7 ora – 10 ora alina: Fihaonana tamin’ny
    Firahalahian’ny Mpitandrina mivady sy nanao fampianarana ny tenako ( Lohateny :Teolojian’ny Epistily 3 Jaona sy ny fiainana Pastoraly ) tao amin’ny FJKM ZIONA VAOVAO PARIS. Ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis no Filohan’ny Firahalahiana any amin’ny SP 37. Niisa 12 nanatrika izany (Mpitandrina 8, vadina Mpitandrina 4)
  • Ny Zoma maraina 16 Jona 2023: Nihaona tamin’i ANNE SOPHIE tompon’andraikitry ny DEFAP amin’ny fiaraha-miasa amin’ny FJKM ny tenako sy ny Mpitandrina ZARAZAKA Jean Louis ary ny Vice Président SP 37 Edgard RANDRIANARIVELO. Nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fisokafana vaovao amin’ireo asa misiona eo anivon’ny DEFAP(Département Evangélique Français d’Action APostolique). Nitsidika sy nanovo fahalalana tamin’ireo boky tao amin’ny Faculté de Théologie Paris sy ny DEFAP ny tenako, mba hamenoana sy hanatsarana izay efa fianarana sy fikarohana natao. Feno fifaliana ny fihaonana tamin’ireo Fiangonana rehetra izay notsidihana sy nanaovana ny asa pastoraly. Marihina fa mitombo amin’ny hatsarana sy habetsahana ny isan’ny kristiana FJKM sy ny fiorenan’ny VOMM any amin’ny SP 37, ary ny tanora Malagasy dia betsaka no mivavaka sy mandray andraikitra ao amin’ny Fiangonana FJKM any an-toerana.

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA !

Ny Nanao ny tatitra :
Ny Mpitandrina RAKOTONINDRAINY Jaona

Sekretera Jeneraly

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV