Fiainam-bavaka

FOTOANA IHAONANA AMIN’ANDRIAMANITRA ISAN’ANDRO


Nanana toetra nitovizany ny olon’Andriamanitra nalaza tamin’ny fotoan’andron’ny Baiboly: olom-bavaka izy ireo. Nanao fotoana raikitra nihaonana tamin’Andriamanitra izy.Vakiantsika ary fa Mosesy sy Josoa dia nandany fotoana maro niarakatamin’Andriamanitra. Nanova an’ i Mosesy mihitsy izany, ary hitantsika fa ny tavany dia nanomboka namiratry ny hazavana. Niresaka tamin’Andriamanitra toy ny olona miresaka amin’ ny namana izy, hoy ny Baiboly.Fantantsika fa Daniela, na dia praiministra tao an-tanàna aza, dia nivavaka in-telo isan’andro tao amin’ny toerana voatokana. Nanome azy hery hino an’Andriamanitra
tsy amin-tahotra izany, na dia mety hanefa aza ny ainy.Voalaza fa ny Apostoly Jakoba dia nahazo solon’anarana hoe Lohali-dRameva, satria nisy kitro sahala amin’ny an’ny rameva mihitsy ny Iohaliny noho ny fandohalihany tsy niato nandritra ny ora maromaro nivavaka. Izany no ananany fahefana be rehefa
mampianatra antsika momba ny herin‘ ny vavaka izy (Jakoba 5 :16).Tsy ny olona ao amin’ny Baiboly ihany. fa ny kristiana nanomboka hatramin’izay,dia nahatsapa ny ilàna ny vavaka betsaka. Ny mpitondra fiangonana lehibe tamin’ny vanim-potoan’ ny Fanavaozana (Réformation) toa an’i Luther sy Calvin dia nilaza fa nivavaka nandritra ny fotoana maro isan’andro, ary arakaraky ny hasarotry ny zavatra atrehiny anatin’ ny andro no habetsaky ny vavaka ataon-dry zareo. Na dia ny mpitondra fiangonana amin’izao fotoana izao aza dia niaina an’izany. Paul Yougghi Cho any Korea dia mpitandrina ao amin’ ny fiangonana lehibe indrindra eto amin’ izao tontolo izao, nisy mpivavaka 500 000 isa eo ho eo. Ao amin ny boky
nosoratany mitondra ny lohatany hoe « Ahoana no ahatonga ny finoana hiasa », dia milaza izy fa tsy maintsy mivavaka, farafahakeliny adin’ny roa na adin’ny telo isan’andro izy mba hahavitany ny asany. Ary ny fiangonany dia mitombo haingana noho ny fiangonana hafa rehetra. Samy mahafantatra isika hoe ahoana ny hasarotry ny fihaonana amin’ny manam-pahefana sasany. Indraindray ianao mila miandry na milahatra fotoana maharitra alohan’ny handraisany anao. Nefa Andriamanitra, izay tsy maintsy mihaino olona an-tapitrisany maro, dia miandry ny vavakao. Vonona mandrakariva ny hihaona
amintsika izy raha manatona Azy isika. (Jakoba 4 :8). Aoka hitombo ara-panahy hatrany amin’ny alalan’ny fihaonana amin’Andriamanitra isan’andro ianao. Jereo ny fomba nandaminany ny fotoana sy ny toerana mety amin’ny fandaharam-potoananao isan’andro.

Marturia vavolombelona

lah 977

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV